Toko faha 6

1 " Avia, ndao sika hihery amin'i Yaveh. Fa nanototoro asika Izy, fe hagnasitra asika; nandrasy asika Izy, fa hamehy gny ferisika. 2 Afaky ro andro dra hamelo asika ndraiky Izy; hananga asika Izy amin'gny andro fahatelo, dra ho velo eo agnoloany sika. 3 Aoky hahafatasy an'i Yaveh sika; aoky ho dodona hahalala an'i Yaveh sika. Gny fiposahany dra azo atoky manahaky gny mangiran-drasy; ho avy amisika manahaky gny ranon'ora Izy, manahaky gny loharanon'ora ze manondraky gny tany." 4 Ry Efraima, ino gny hahiko mindray aminiha? Ry Joda, ino gny hahiko mindray aminiha? Gny fahatokia dra sahala gny rahon'gny maraindray, manahaky gny ando ze selasela dra lasa. 5 Dra nikapakapaiko tamin'gny alalan'ireo paminany ereo, novonoko tamin'gny alalan'gny zakan'gny vavako ereo. Reo lalagnaniha dra manahaky gny hazava ze mamirapirasy. 6 Fa fahatokia gny iriko fa sy soro, vo gny fahafatara an'Agnahary noho gny fagnatisy orroa. 7 Sahala an'i adama dra namaliky gny faneke ereo; sy nahatoky Anahy ereo. 8 Gileada dra tanan'gny panao rasy mindray amin'gny dian-tomboky mihoson-dio. 9 Manahaky gny fiambenan'gny andia malaso olo, gny hikamban'ireo andia pisoro hamono olo agny amin'gny lala magnagny Sekema; nanao heloky ereo. 10 Tao amin'gny hasaveregnan;'Israely gny nahitako raha mahasiravy; gny fivarota-batan'i Efraima gny ao, vo Israely dra nazary naloto. 11 Fa ho aniha avo koa, ry Joda, dra fa voatondro gny fotoam-pizinza, nofa hapihery gny haren'gny oloko Zaho.