Toko faha 4

1 Niara-nandry tamin'i Eva valiny ralelahy. Nivevoka izy dra niteraky an'i Kaina. Ho izy ho:''Nahazo zazalahy zaho noho gny fagnapian'i Yaveh.'' 2 Avy eo dra niteraky an'i Abela rahalahyiny draiky izy.Dra Abela lasa mpiaraky agn'ondry, fa i Kaina koa namboly gny tany. 3 Raha nandeha gny fotoa dra ninday gnilany taminigny vokasy gny tany ho fagnatisy ho an'i Yaveh i Kaina. 4 Gny an'i Abela, dra gny gnilany taminigny volohanigny zanakagn'ondry vo osy faranay vondraky gny nandesiny. Nakasitrahan'i Yaveh i Abela vo gny fagnatiny, 5 Fa i Kaina vo gny fagnatiny koa dra sy nakasitrahany. Ka dra hory fatrasy i Kaina, dra hory izy. 6 Ho Yaveh tamin'i Kaina ho:''Nanao akory ianao gny hory dra nanao akory gny masiaky? 7 Raha manao ze mary ianao, sy ho hakasitraha avo koa? Fa raha sy manao ze mary ianao, dra hamisaky eo ambatrangara gny ota dra maniry gny hibaiko anao, Kanefa sy maisy manapaky eo aminigny ianao. 8 Niresaky tamin'i Abela rahalahiny i Kaina. Raha tagny an-tanimboly iagny izy reo, dra nisanga hanihisy gny rahalahiny i Kaina dra namono anazy. 9 Avy eo ho Yaveh tamin'i Kaina ho:''Eza i Abela rahalahinao?'' Ho izy ho:''Sy fatako.Moa mpamby gny rahalahiko zaho io?'' 10 Ho yaveh ho:''Ino itiho nataonao? Gny liony gny rahalahinao dra mitoka anahy fatrasy avy amy tany. 11 Amizao dra voaozo zay avy aminigny tany , zay nanokasy gny vavany ba hitely gny lio gny rahalahinao avy aminigny tagnanao ianao. 12 Raha miasa tany ianao, dra sy hamokasy ho anao zay manomboky zao. Ho mpagnendrikendriky vo mpirenireny egny amy tany iano.'' 13 Ho Kaina tamin'i Yaveh ho;''Mafy mihoasy noho zay tokony ho zakako gny saziko. 14 Noroahinao tamin'itiho tany itiho vatany zaho androany , dra hivony amy tavanao zaho. Ho lasa mpanjenjena vo mpirenireny amin'izao totolo zao zaho, dra na eza na eza mahita anahy dra hamono anahy.'' 15 Ho Yaveh taminazy ho:''Raha misy mamono an'i Kaina, dra ho valia im-pito heny aminazy zay. ''Avy eo nasian'i Yaveh famatara i Kaina, ka raha misy mahita anazy, dra sy hamely anazy zay olo azy. 16 Ka nandao an'i Yaveh i Kaina dra nonina tagny aminigny tanin'i Noda, agny asignanan'i Edena. 17 Niara-nadry tamy valiny i Kaina ka nibevoka izy. Niteraka an'i Enoka izy. Nognory tana izy dra nataony ho Enoka araky gny agnaran'i Enoka zanadahiny zay. 18 Enoka niteraky an'i Irada. Irada avy rain'i Mehojaela. Mahojaela niteraky an'i Metosaela. Metosaela niteraky an'i Lameky. 19 Lameky nana valy ro ho anazy: Ada gny agnarany raiky , dra Zila gny agnarany raiky hafa. 20 Ada niteraky an'i Jabala. Ran'ereo mpitoesy an-day ze mana biby fiteza izy. 21 Jobala gny agnarany rahalahiny. Ran'ereo mpitendry lokanga vo mpisoky sodina izy. 22 Dra Zila koa, niteraky an'i Tobala Kaina, mpanefy fitova varahina vo vy. Nama gny anabavin'i Tobala Kaina. 23 Ho Lameka tamin'ereo valiny ho:''Ry Ada vo Zila, mitenoa gny feoko; inadrareo ry valin'i Lameka, tenoy ze zakako, fa namono lelahy raiky zaho noho gny fandratra anahy. 24 Raha valia fito heny zay mamono an'i Kaina, dra fito amby fitopolo heny koa gny an'i Lameka.''' 25 Dra niara-nandry taminigny valiny draiky Adama, ka niteraky zazalahy hafa izy. Nitoka gny agnarany hoSeta izy dra nizaka ho:''Nomen'Agnahary zanaky hafa ho solon'i Abela zaho, satria novonon'i Kaina izy. 26 Niteraky zazalahy i Seta dra nataony ho Enosy gny agnarany. Taminigny fotoa zay dra nanomboky nitoka gny agnaran'i Yaveh gny olo.