Toko faha 5

1 Itiho gny mirapitiky gny taranak'i Adama. Taminigny andro namoronan'Agnahary gny olombelo, dra nataony araky gny endriny avo izy reo. 2 Lahy vo vavy gny nahariany anazy reo . Niso-drano anazy reo Izy dra nitoka aanzy ho olombelo raha voaforo izy reo. 3 Raha niay 130 taona i Adama, dra avy ran'i zazalahy raiky , arakay gny endriny avo , dra nataony ho Seta gny agnarany. 4 Tafarany gny niterahan'i Adama an'i Seta, dra niay nandrisy gny valozato taona izy. Laha tagny gny ran'i zazalahy vo zazavavy maro izy. 5 Niay 930 taona i Adama, dra maty tafaran'izay. 6 Raha niay 105 taona i Seta, dra niteraky an'i Enosy. 7 Tafarany niterahany an'i Enosy , dra niay 807 taona izy dra niteraky zanadahiny vo zanakapela maro . 8 Niay 912 taona i Seta , dra maty tafaran'izay. 9 Raha niay sivy folo taona i Enosy, dra niteraky an'i Kenana. 10 Tafarany niterahany an'i Kenana, dra niay 815 taona i Enosy. Niteraky zanaky lahy vo zanaky ampela maro izy. 11 Niay 915 taona i Enosy, dra maty tafarany zay. 12 Raha niay fitopolo taona i Kenana, dra niteraky an'i Mahalalila. 13 Tafarany niterahany an'i Mahalalila, dra niay 840 taona i Kenana. Niteraky zanadahy vo zanakapela maro izy. 14 Niay 910 taona i Kenana, dra maty tafarany zay. 15 raha niay dimy amby enipolo taona i Mahalalila, dra niteraky an'i Jereda. 16 Tafarany niterahany an'i Jareda, dra niay 830 taona izy. Niteraky zanadahy vo zanakapela maro izy. 17 Niay 895 taona i Mahalalila, dra maty tafarani zay. 18 Raha niay 162 taona i Jareda, dra niteraky an'i Enoka. 19 Tafarany niterahany an'i Enoka, dra niay valozato taona izy. Niteraky zanadahy vo zanakapela maro izy. 20 Niay 926 taona i Jareda, dra maty tafarany zay. 21 Raha niay dimy amby enipolo taona i Enoka, dra niteraky an'i Metosela. 22 Nandeha tamim-pomban'Agnahary nandrisy gny telozato taona i Enoka tafarany niterahany zanadahy vo zanakapela maro izy. 23 Niay 365 taona i Enoka. 24 Nandeha tamim-pombn'Agnahary i Enoka, dra lasa izy , satria nalan'Agnahary. 25 Raha niay 187 Taona i Matosela, dra niteraky an'i Lameka. 26 Tafarany niteraky an'i Lameka, dra niay 782 taona i Metosela, Niteraky zanadahy vo zanakapela maro izy. 27 Niay 969 taona i Metosela. Dra maty izy tafarany zay. 28 Raha niay 182 taona i Lameka, dra niteraky zanadahy raiky. 29 Nitokaviny ho Noa gny agnarany , dra nambarany ho:''Itiho gny hagnome fisahara ho asika amy asasika vo amy asa fatrasy ataonigny tagnasika, zay sy maisy hataosika noho gny tany zay nozonin'i Yaveh.'' 30 Niay 595 taona i Lameka tafariny niterahany an'i Noa . Niteraky zanadahy vo zanakapela maro izy. 31 Niay 777 taona i Lameka. Tafarany zay dra maty izy. 32 Rha niay dimazato taona i Noa, dra niteraky an'i Sema, Hama vo i Jafeta.