Toko faha 3

1 Dra gny menarana dra malina kokoa noho gny bibidia aby teo aminigny saha zay namboarin'i Yaveh Zagnahary. Dra ho izy tamin-drapela ho:''Tena nizaka vatany seky Zagnahary ho:'Sy azondrareo hihinana gny hazo aby ao amy saha?''' 2 Dra ho rapela taminigny menarana ho:''Azonay hihinanagny tegnanigny hazo ao an-tanimboly, 3 fa mahakasiky, dra ho Zagnahary ho: 'Sy azondrareo atao gny mihina anizay, na mikasiky zay, fandrao ho maty ianadrareo.''' 4 Ho gny menarana tamin-dravehivavy ho:''Sy ho maty zay iandrareo. 5 Fa fatatr'Agnahary fa amy andro hihinanandrareo zzy dra hahirasy gny masondrareo, dra hitovy amin'Agnahary iandrareo, mahalala gny soa vo gny rasy.'' 6 Raha hitan-dravehivavy fa soa ho hany gny hazo, sady nahafinarisy gny masony, dra gny hazo dra nampisiririsy fa mampahendry, dra nangalaky gny gnilany taminigny tegnany izy dra nihina zay. Avy eo dra notolorany avo koa gny valiny zay niaraky taminazy, ka nihina izy. 7 Nahirasy gny mason'izy, dra fatan'ereo fa nitazaky izy ireo. Nazaisy ravin'aviavy natambasy izy ireo dra nagnamboasy akazo hon'azy gny vatany. 8 Nahare gny feon'i Yaveh Zagnahary nandehadeha tao amigny saka izy ireo gny malokaloka igny gny andro, dra nihery gny fanatrehan'i Yaveh Zagnahary teo amin'ireo hazon'ny saka ralehilahy vo gny valiny. 9 Nitoka adralehilahy Yaveh Zagnahary dra nanao taminazy ho: ''Eza hanao?'' 10 Hoy ralehilahy ho: ''Nahare anao tao asaha zaho, dra natahosy zaho, satria nitazaky. Noho izay dra nivony zaho.'' 11 Hoy Zagnahary ho: ''Iza gny nizaka taminao fa nitazaky hanao? Moa se hanao nihina avy tamigny hazo izay nandidiako anao sy hihinanao?'' 12 Hoy ralehilahy ho: ''Gny apela izay namenao hidray aminahy, izay gny nagnome anahy gny voa avy tamigny hazo, dra nihina izay zaho.'' 13 Dra hoy Yaveh Zagnahary tami-dravehivavy ho: ''Ino izao nataonao izao?'' Ravehivavy nanao ho: ''Nagnakany taminahy gny menarana, dra nihina zaho.'' 14 Dra ho Yaveh Zagnahary taminigny menarana ho:''Satria nanao zao ianao, dra ianao raiky gny voaozo aminigny biby fiteza vo gny bibi-dianigny saha aby. Aminigny trokao gny handehananao, dra vovoky gny ho fihinanao amy andro aby hiaignanao. 15 Hasiako fifandrafia eo aminao vo gny ampelany, dra eo amy taranakao vo gny taranany. Hanorotoro gny agn'ombilahin-tombony.'' 16 Dra hoy izy tami-dralehilahy ho: ''Hapitomboko gny fanaitagnanao raha miteraky; amigny fanetegna gny ho an'ny valinao, fa izy koa hanapaky eo aminao.'' 17 Dra ho Izy tamin'i Adama ho:''Satria niteno gny feonigny valinao ianao, dra nihina taminigny hazo, momba ze nandrarako anao, manao ho:'Sy azondrareo hihinana zay,'dra voaozo gny tany noho gny aminao; aminigny alalanigny asa feno fanaitay gny hihinananao aby aminizay amy andro aby hiaignanao. 18 Hamokasy silo vo songosongo ho anao zay, dra hihina reo raha-misiriny saha ianao. 19 Aminigny hasembohanigny tavanao no hihinananao mofo, mandram-piverinao amy tany, fa laha taminigny zay no nangala anao. Fa botany ianao, dra mbo holy botany draiky.'' 20 Eva gny nataony dralehilahy agnara-valiny satria izy gny renin'ny managnay By, 21 Dra nagnamboaran'i Yaveh Zagnahary akazo hodisy i Adama vo gny valiny dra napagnisy anazy ireo. 22 Dra ho Yaveh Zagnahary ho: ''Amizao dra fa avy tahaky gny zanakiray amisika ralehilahy, mahalala gny soa vo gny rasy. Koa amizao dra sy azony atao gny mampizoso gny tagnany, magnagny amy hazon'ay, hihina zay, ka ho velo mandrakizay. 23 ka noho zay dra noroahin'i Yaveh Zagnahary hiala tao amy saha Edena izy, ba hiasa gny tany ze nakana anazy. 24 Zay dra noroahin'i Agnahary hiala gny saha ralelahy, dra nametraky kerobima teo asignananigny saha Edena Izy, dra sabata mirehitr'afo zay mihodokody, ba hiamby gny lala magnagny aminigny hazon'aina.