Toko faha 4

1 Vo reo sasany tamin'gny fahavalon'i Joda vo Benjamina dra nahare fa gny vahoaky ze nahy sesitany dra magnory tepoly ho an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely amizao. 2 Dra nagnato an'i Zerobabela vo reo lohan'gny fokon'gny razambe ereo. Ho ereo tamin'ereo ho: 'Engao zahay hagnory hindray amindrareo, fa akory, mitalia gny Zagnaharindrareo, manahaky andrareo zahay, vo nanao soro ho Anazy hatramin'gny andro nandesan'i Esara-hadona, pazakan'i Asyria, anay teto amin'itiky toera tiky." 4 Dra nahin'ireo vahoakin'gny tany nalemy gny tagnan'ireo Jodiana; nahin'ereo natahosy gny hagnory reo Jodiana. 5 Nolangolangoin'ereo avo koa gny panolon-say so hahafoa gny tetik'ereo. Nandrisy gny andron'i Kyrosy aby vo tamin'gny fanzakan'i Dariosy pazakan'i Persia ereo gny nanao anizeho. 6 Vo tamin'gny fiandohan'gny fanzakan'i Ahasoerosy dra nanorasy fiapanga an'ireo Joda vo Jerosalema ereo. 7 Nandrisy gny andron'i Ahasoerosy gny anoratan'i Bislama, Mitredata, tabela, vo reo namany ho an'i Ahsoerosy, Nisorata tamin'gny Aramaika gny taratasy dra nadika. 8 Rehoma pifehy vo i Simsay panora-dala dra nanorasy mahakasik'i Jerosalema ho an'i Artaksersesy. 9 bokeo i Rehoma, Simsay, vo reo naman'ere, ze pisara vo manam-boninahisy hafa tao amin'gny governemanta, boaky agny Ereka, Babyloaba, vo Sosa boaky agny Elama dra nanorasy taratasy--- 10 mbamin'ireo vahoaky ze niseren'i Asnapara lahibe sady mana-kaza hagnorim-ponegna tagny Samaria, nindray tamin'ireo sisa ze tagny amin'gny Faritany Andafin'gny Ony. 11 Tihoky dra dika mitovy amin'gny lahasorasy tagny amin'i Artaksersesy: 'Reo panoponiha, olo boaky amin'gny Faritany Andafin'gny Ony, gny manorasy zao: 12 Aoky gny pazaka hahafatasy fa reo Jiosy ze boaky tagny aminiha dra avy hanohisy anay atiky Jerosalema so hagnosy tana pikomy. Ereo dra nanapy gny fefy sady nagnamboasy gny fotosy. 13 Dra aoky gny pazaka hahafatasy fa no voaory zeho tana zeho dra voatapy gny fefy, dra sy hagnome haba vo hetra ereo, fa hagnisy rasy reo pazaka. 14 Tena zehoo vatany akory nihina tamin'gny siran'gny lapa zahay, dra sy mety aminay gny hahita gny fahafaham-baraka hiseho amin'gny pazak. Noho zeho gny hapahafataranay gny pazaka 15 so hitalia gny firaketa an-sorasy gny raniha vo hagnamary fa tana pikomy ze hagnisy rasy gny pazaka vo reo faritany iho. Nahavy olo maro ho an'i pazaka hatry gny ela ereo. Foiben'gny fikomia hatry gny ela izy iho. Noh zeho antony zeho gny naharava gny tana. 16 Maphafatasy gny pazaka zahay fa no voaory iho tana vo fefy iho, dra sy hisy ndre ino ndre ino ho tavela ho aniha ao amin'gny Faritany Andafin'gny Ony. 17 Dra nandefa valinteny tagny amin'i Rehoma vo Simsay vo reo namany tao Samaria vo reo ambiny ze tao amin'gny Faritany Andafin'gny Ony gny pazaka ho: 'Fiadagna ra ho andrareo. 18 Gny taratasy ze nalendrareo ho anahy dra fa voadika sady nivakia taminahy. 19 Dra napanao fagnadihadiha zaho dra nahafatasy fa tamin'gny andro taloha dra fa nikomy nanohiasy reo pazaka ereo. 20 Reo pazaka mahery dra nanapaky teo amin'i Jerosalema sady nana fahefa tamin'gny raha aby tao amin'gny Faritany Andafin'gny Ony. Naloa tamin'ereo gny haba vo reo hetra. 21 Amizao, manaova lalagna ho an'ireo lelahy reo so hagnazano vo sy hagnory iho tan iho ereo mandra-panaovako lalagna. 22 Mitandrema so sy hanao siramby anizeho. nagnino zeho fandrahogna zeho gny enga hitombo dra ho fatiantoky fahavereza maro ho an'gny tombonsoan'gny fanzaka? 23 Nofa nivakia teo agnatrahan'i Rehoma , Simsay, vo reo namay, gny lalagnan'i Artarkersesy Pazaka, dra niboaky an'i Jerosalema malaky sady nisery reo Jiosy so hagnazano gny fagnoregna. 24 Dra nizano gny asa fanaova gny tragnon'Agnahary tao Jerosalema amandra-pahavin'gny tao faharon'gny fanzakan'i Dariosy pazakan'i Persia.