Toko faha 3

1 Tamin'gny vola fahafito nofa avy nihery tagny an-tanany aby gny vahoakin'Israely, gny nivorin'ereo ho ray tagny Jerosalema. 2 Nienga dra nananga gny alitaran'gny Zagnahar'Israely i Jesoa zanadahin'i Jozadaka vo pisoro rahalahiny, vo Zerobabela zanadahin'i Sealtiela, mbamin'ireo rahalahiny so hanolosy fagnatisy oroa araky gny voalily ao amin'gny lalagnan'i Mosesy, gny lelahin'Agnahary. 3 Dra natobok'ereo teo amin'gny fitoerany gny alitara, fa naneniky andreo gny horohoro nohon'gny amin'gny olon'gny tany. Nanolosy fagnatisy oroa ho an'i Yaveh vo mangiran-drasy vo tamin'gny hariva ereo. 4 Nitandry gny Firavoravoan'gny Felofa avo koa ereo araky gny voasorasy dra nanolosy fagnatisy oroa isan'andro araky gny lily, arak gny andraikisy isan'andro aby. 5 Araky zeho, dra nisy gny fagnatisy oroa andavanandro vo isam-boloana vo fagnatisy ho an'ireo firavoravoan'i Yaveh fa voatondro aby, mbamin'ireo fagnati-sitrapo aby. 6 Nanomboky nanolosy fagnatisy oroa ho an'i yaveh ereo gny andro volohany tamin'gny vola fahafito, ndre dra bo sy voaisy fotosy aza gny tepoly. Koa dra nomen'ereo volafosy aby reo panao vato vo reo panao tao-raha, 7 dra nomen'ereo sakafo, raha finomy, vo menaky gny vahoakin'i Sidona vo Tyra, dra nanday hazo sedera tegny an-dranomasy lat'agny Libanona dra hatragny Jopa ereo, araky gny nagnomezan'i Kyrosy, pazakn'i Persia alala andreo. 8 Vo tamin'gny vola faharo tamin'gny tao faharo tafaran'gny nadehan'ereo tao an-tragnon'Agnahary tao Jerosalema, gny nanomboky niasa i Zerobabela, i Jesoa zanadahin'i Jozadaka, reo pisoro sisa, reo Levita,vo reo ze avy boaky tagny amin'gny fahababoa nihery tagny Jerosalema. Nanendry reo Levita ropola tao gny ho miakasy ereo so hagnara-maso gny asan'gny tragnon'i Yaveh. 9 Napetrak'i Jesoa so hagnara-maso gny olo manao asa fagnorena gny tragnon'Agnahary reo zanadahiny vo reo rahalahiny, i Kadmiela vo reo zanany, vo reo taranak'i Joda. Nindray tamin'ereo avo koa ireo taranak'i Henadada, gny taranany, vo reo Levita namany. 10 Nametraky fotosy ho an'gny Tepolin'i Yaveh reo pagnory. Nahafahan'ireo pisoro nisanga nanao reo akazony mindray amin'gny asiva zeho, vo nahafahan'ireo Levita, reo zanadahin'i Asafa, niansa an'i Yaveh tamin'gny kipanso, araky gny nandilian'gny tagnan'i Davida, pazakan'Israely. 11 Niansa fidera vo fisora ho an'i yaveh ereo ho: 'Soa Izy! Maharisy mandrakizay gny fanekeny mahatoky amin'Israely." Nihorakoraky fatrasy tamin'gny korakim-pifalia ho fidera an'i Yaveh gny vahoaky aby fa voapetraky gny fotosy ioeran'gny tepoly. 12 Fe maro tamin'ireo pisoro Levita, lohan'gny patriarka, vo reo zokiolo ze nahita gny tragno volohany gny nitomany fatrasy, nofa voapetraky teo agnoloan'gny mason'ereo zeho fotosy ioregnan'izeho tragno zeho. Fa maro gny nihiaky fifalia tam-piravboravoa vo tamin'gny feo mangitakitaky. 13 Vokas'izeho, sy afaky nagnavaky gny feo falifaly vo ravpravo tamin'ireo feon'olo nitomagny gny vahoaky, akory nikoraky fatrasy tamin'gny fifalia lahibe gny olo, dra re boaky lavisy vatany gny feo.