Toko faha 5

1 Vo Hagay paminany vo Zakaria zanadahin'Ido paminany dra naminany tamin'gny agnaran'gny Zagnaharin'Israely tamin'ireo Jjiosy tao Joda vo Jerosalema. 2 Nisanga Zerobabela zanadahin'i Sealtiel vo Jesoa zanadahin'i Jozadaka dra nanomboky nagnamboasy gny tragnon'Agnahary tao Jerosalema nindray tamin'ireo paminany ze napahery andreo. 3 Bokeo i Tatenay governoran'gny Faritany tagny Andafin'gny Ony, Setara Bozenay, vo reo piara-dia aminzay dra avy sady nizaka tamin'ereo ho: 'Ia gny nandily andrareo hagnamboasy iho tragno iho sady hamita reo fefy reo?" 4 Ho avo koa ereo: "Ia aby gny agnaran'ireo lelahy nagnamboasy iho tragno iho? 5 Fa gny mason'Agnahary dra teo amin'ireo loholo Jiosy dra nanaka andreo gny fahvalon'ereo. Niamy taratasy ho lasa agny amin'gny pazaka vo lalagna hihery anin'ereo mahakasiky anizeho ereo. 6 Tihoky gny dika mitovin'gny taratasin'i Tatenay, governoran'gny Faritany tagny Andafin'gny Ony, vo Setara Bozenay vo reo piara miasa taminazy tagny amin'gny Faritany tagny Andafin'gny Ony, ze nalefan'ereo ho an'i Dariosy pazaka. 7 Nandefa tatisy ereo, nanorasy zeho ho an'i Dariosy pazaka ho: "Ho aniha ra gny fiadagna aby. 8 Aoky ho fatasy gny pazaka fa zahay dra nagnagny Joda ho agny amin'gny tragnon'Agnahary lahibe. Zeho dra haory amin'ireo vato vavety vo hazo matevy apetraky amin'ireo fefy. Fa ahy soa mihisy gny asa dra mandroso soa eo am-pelatagnan'ereo. 9 Nagnotany reo loholo zahay ho; 'Ia gny nagnome andrareo lalagna hagnamboasy iho tragno iho vo reo fefy reo?' 10 Nagnotany gny agnaran'ereo avo koa zahay so hahafataraniha gny agnaran'gny lelahy kiraikiraiky aby ze nitariky andreo. 11 Namaly ereo dra nanao ho: 'Zahay dra panonpon'Gny Raiky ze Zagnahary gny lagnisy vo gny tany, vo zahay dra mapihery mananga gny tragno ze namboary tao maro tagny aloha nofa nagnory anizeho gny pazaka lahiben'Israely dra nahavita anizeho. 12 Ndre zeho aza, nofa napahaory an'gny Zagnahary gny lagnisy gny razambenay, dra natolony teo am-pelatagnan'i Nebokadnezara pazakan'i Babyloa ereo, ze nadrava iho tragno iho sady nangalaky gny olo ho sesitany tagny Babylona. 13 Fe, tamin'gny tao volohany naha-pazakan'i babylona an'i Kyrosy, dra namoaky lily hagnamboara gny tragnion'Agnahary ndraiky i Kyrosy. 14 Naherin'i Kyrosy pazaka avo koa reo raha volamena vo volafosy tao an-tragnonAgnahary ze nandesin'i Nebokadnezara boaky tao amin'gny tepoly tao Jerosalema ho agny amin'gny tepoly tao Babylona. Reo dra nhery tamin'i Sesbazara, ze nahiny ho governora. 15 Ho izy taminazy ho: 'Rambeso reo raha rao. Mandehana dra hapetraho ao amin'gny tepoly ao Jerosalema reo. Aoky gny tragnon'Agnahary ho hasanga agny." 16 Dra avy iho Sesbazara iho dra nametraky gny fotosy gny tragnon'Agnahary tao Jerosalema; dra namboary zaho, fa sy bo vita tateraky.' 17 Dra no sitraly gny pazaka, dra aoky ho zaha ao amin'gny tragno firaketa ao Babylona no misy lily hagnomboara gny trgnon'Agnahary ao Jerosalema boaky tamin'i Kyrosy pazaka ao.