Toko faha 6

1 Nahafaly an'i Dariosa gny nanendry governora 120 isa-paritany nanera gny fazaka ze hanapaky manera gny fazaka aby. 2 Nisy komandy lahibe telo teo amin'ereo, dra raiky tamireo i Daniela. Reo komandy lahibe reo dra voatendry ba hagnara-maso reo governora isa-parisy, ba sy ho maty atoky gny pazaka. 3 Niavaky agnanireo komandy lahibe hafa vo reo governora isa-parisy i Daniela akory nana fagnahy miavaky izy. Nanao drafisy gny hametraky anazy manera gny fazaka aby gny pazaka. 4 Boak'eo reo pitan-draharaha lahibe hafa vo reo governora isa-paritany nitalia hadisoa tamigny asa nataon'i Davida ho anigny fazaka, saiky sy nahita kolikoly na sy fahombiaza tamigny asany ereo akory nahatoky izy. Sy nisy fahadisoa na siramby hita taminazy. 5 Dra hoy reo lelahy reo ho: "Sy mahita atony tokony hitaray an'i Daniela tihoky izahay raha sy ho mahita raha manohisy anazy araky gny lalanigny Zagnahariny izahay." 6 Dra ninday tetiky teo anoloanigny pazaka reo pitan-draharaha vo governora. Hoy ereo taminazy ho: "Ry Dariosa pazaka, ho velo mandrakizay anie hanai! 7 Reo pitan-draharaha lahibe aby tao amigny fazaka, reo governora isa-parisy, vo reo governora isa-paritany, reo panolosay, dra reo governora dra niara-nifapidiniky dra nanapa-kevisy fa hanao, pazaka, dra tokony hamoaky didy dra hagnamafy anizay, dra na iza na iza manao fanangona-say amigny zagnahary aby na olombelo mandrisy gny telopolo andro, akoasy anao, ry pazaka, dra sy maisy haria ao an-davaky gny liona zay olo zay. 8 Amizo, ry pazaka, mamoaha didy dra soniavo gny taratasy ba sy hanova anizay, araky gny voatondronigny lalany Mediana vo i Persiana, dra sy afaky avo zay." 9 Ko dra nisoniavin'i Dariosa pazaka gny taratasy namadiha gny didy ho lalana. 10 Gny fa fatas'i Daniela fa voasonia ho lalana gny taratasy, dra nandeha tagny an-tragnony izy (dra nisokaky reo vatrangarakely tagny amigny efisy agnabo nifanandrify tamin'i Jerosalema), dra nandohaliky izy, manahaky gny fanaony in-telo agnatinigny andro raiky, dra nivavaky vo nisaotra nanoloa gny Zagnahariny izy, manahaky gny fa nataony tagny aloha. 11 Baok'eo reo lelahy ze nindray nanao teti-drasy reo nahita an'i Daniela nanao fangataha vo nitalia fagnapiny avy amin'Agnahary. 12 Boak'eo ereo nagnato gny pazaka dra nizaka taminazy mombanigny didiny ho: "Moa sy nanao didy ra hanao fa ze manao sonia amigny Zagnahary aby na gny olombelo mandrisy gny telopolo andro magnaraky, akoasy anao, ry pazaka, dra sy maisy aria ao an-davaky gny liona?" Namaly gny pazaka ho: "Voapetraky gny raharaha, araky gny voatondronigny lalany Mediana vo i Persiana; sy afaky avo zay." 13 Dra namaly gny pazaka ereo ho: "Zay Daniela zay, ze raiky amireo olo avy an-sesi-tanytagny Joda, dra sy miraharaha anao, ry pazaka, na gny didy ze nisoniavinao. Mivavaky amigny Zagnahariny itelo izy ao agnatinigny andro raiky." 14 Gny fa nahare anizay gny pazaka, dra nalahelo fatrasy izy, dra nalahelo fatrasy izy, dra nandefa amigny fanapahany. Niasa mandra-polianigny masoandro izy ba hiezaky hagnavosy an'i Daniela. 15 Boak'eo reo lelahy ze nanao teti-drasy reo nivory niaraky tamigny pazaka dra nanao taminazy ho: "Fataro, ry pazaka, fa lalanigny Mizosoa vo Persiana zay, dra sy afaky ombia gny lalana na didy ze nataonigny pazaka." 16 Dra nagnome baiko gny pazaka, dra nandesin'ereo nilisy Daniela, dra narian'ereo tao an-davaky gny liona izy. Hoy gny pazaka tamin'i Daniela ho: "Hagnavosy anao anie, gny Zagnaharinao, ze toponao mandrakariva." 17 Nisy vato nandesy teo amigny fidira magnagny amigny lavaky, dra nagnisy tombo-kase anizay tamigny perany gny pazaka vo tamireo perasy fanomboha-kasen'ireo mana-kazany ba sy hisy hiova gny mahakasiky an'i Daniela izy. 18 Boak'eo nandeha tagny amigny lapany gny pazaka dra nandia gny hariva nifaly hany. Sy nisy fiala-boly nandesy teo anoloany, dra sy lasa gny torimasony. 19 Boak'eo vo mangira-drasy dra nisanga gny pazaka dra nandeha malaky tagny an-davaky gny liona. 20 Raha nagnariny gny lavaky izy, dra nitoka an'i Daniela tamigny feo malahelo, nanao tamin'i Daniela ho: "Ry Daniela, panoponigny Zagnahary velo, moa sy afaky nagnavota anao tamireo liona gny Zagnaharinao, ze toponao mandrakariva?" 21 Dra hoy Daniela tamigny pazaka ho: 22 ''Ry pazaka, ho velo mandrakizay le hanao! fa nandefa gny pinday hafany Zagnahary dra nagnily gny vavany liona, dra sy nandrasy anahy ereo. Fa sy misy signy teo agnatrehany zaho vo teo alohanao avo koa, ry pazaka, dra sy nanao rasy anao zaho.'' 23 Avy eo dra faly tanteraky gny pazaka. Nagnome baiko gny pazaklan'izy reo an'i Daniela avy eo an-davaky izy. Noho zay dra napiakariny avy ao an-davaky Daniela. Sy nisy narasy taminazy, satria natoky gny Zagnahary izy. 24 Nagnome baiko gny pazaka, dra nandesiny reo lelahy zay niampanga an'i Daniela reo dra natoran'ereo tao an-davaky gny liona___izy reo vo gny zanak'izy reo, dra gny valin'izy reo. Mialoahan'ny nahavian'izy reo tamigny tany, dra nandresy anazy reo gny liona dra nanorotoro gny tolany maro ereo. 25 Avy eo Dariosa pazaka nanorasy tamigny olon'aby, reo firenena, dra reo fizaka zay misy eto an-tany aby ho: ''Hapitombo aminao le gny fiadagna. 26 Zao zaho dra manao didy fa amigny fanapaha amogny fazakako dra mangovisy vo matahosy eo agnatrehan'i Zagnaharin'i Daniela gny olo, satria izy gny Zagnahary velo vo miay mandrakizay, dra gny fazakany tokony sy ho rava; gny fanapahany dra tokony sy hatramigny farany. 27 Miaro asika vo magnavosy asiak izy, dra manao famatara vo fahagaga agny an-dagnisy vo eto atany izy; niaro an'i Daniela ho avosy tamigny herin'ireo liona izy.'''' 28 Noho zay dra nambiny nandrisy gny fitondran'i Dariosa vo nandrisy gny fitondran'i Kyrosy gny Persiana i Daniela.