Toko faha 5

1 Nanao lolo lahibe ho an'ireo tandapa arivo lahy i Belsazara pazaka, dra nino divay teo anoloan'ireo arivo lahy aby izy. 2 Raha nanadrasy gny divay i Belsazara, dra nagnome baiko ba handeha gny tavoara vita amigny volamena na volafosy ze nalan'i Nebokadnezara rany tao atepoly tao Jerosalema, ze tamizay izy, reo tandapa, dra reo valiny vo gny vadisindrony gny nino. 3 Nangala reo tavoara volamena ze fa naboaky avy tao atepoly, tragnon'Agnahary, tao Jerosalema reo panopo. Dra tamireo gny ninomanigny pazaka, reo tandapany, dra reo valiny vo reo valisindrony. 4 Nino divay ereo dra nidera reo sapin'ereo ze vita tamigny volamena vo volafosy, varahy, vy hazo, dra vato. 5 Tamizay fotoa zay dra nisy rasa-tagnan'olo niseho teo anoloanigny fitoeran-ziro dra nanorasy teo amigny rindry voalalosy tao an-dapanigny pazaka. Nahita gny apahanigny tana gny pazaka raha nanorasy anizay. 6 Dra niova gny endriky gny pazaka dra napatahosy anazy gny eriseriny; sy nahazaka anazy gny tombony, dra nialy gny lohaliny. 7 Nitoka fatrasy gny komandiny gny pazaka ba hapilisy reo ze nizaka fa mizaka amigny maty, olo maragni-say, dra reo panandro. Nizaka tamireo fatasy tamigny fahendreny tao Babylona gny pazaka ho: " Na iza na iza magnazava io sarosy io vo gny dikany dra hapekazoa voloparasy vo hana ravaky volamena eo am-bozony. hana gny fahefanigny panapaky fahatelo agnabo indrindra ao amigny fazaka izy. 8 Dra nilisy reo lelahiny pazaka ze fatasy noho gny fahendreny, kanefa sy nahavita namaky gny sorasy na nagnazava gny dikany tamigny pazaka ereo. 9 Taisy fatrasy tamigny i Belsazara pazaka dra niova gny endriny gny tavany Levo hevisy reo tandapany. 10 Dra nilisy tao amigny tragno fanasa gny pazaka vavy nohonigny raha nizakan'ny pazaka vo reo tandapany. Dra hoy gny pazaka vavy ho: ''Ho ela velo anie gny pazaka! ka anga hagnakorota anao gny eriserisao. Ka anga hiova andriky gny tavanao. 11 Misy lelahy zay mana gny fagnahin'ireo Zagnahary masy eto amigny fazakanao. Tamigny andron'ny babanao, dra hita tao aminazy gny fahazava vo gny fahazava-say dra fahendre manahaky gny fahendren'ireo Zagnahary. Nebokadnezara pazaka, pazaka babanao, nanao anazy ho lahiben'ireo ambiasa, ambiasa, dra lahiben'ireo mizaka amigny maty, vo an'ireo olo maragni-say, dra an'ireo panandro. 12 Fagnahy soa dra tena soa, fahalala, fahazava-say, fandika nofy, fagnazava zaka sorasy dra fagnaha olana_reo hasoa reo dra hita tao ami'zay lelahy Daniela zay, zay nitokavin'ny pazaka ho Beltesazara. Dra akehitriny mapitokava an'i Daniela dra hozakany aminao gny dikan'izay voasorasy.'' 13 Dra nandesiny teo agnatrehan'ny pazaka i Daniela. Hoy gny pazaka taminazy ho: ''Hanao zay Daniela zay, raiky ami'reo vahoaky sesi-tanin'i Joda, zay nandesiny babako niala tao Joda. 14 Fa reko gny momba anao, fa ao aminao gny fagnahin'ireo Zagnahary, dra gny hazava vo fahazava-say dra fahendre soa dra tena soa hita ao aminao. 15 Fa napidiry teo alohako ba hamaky io sorasy io vo hapahafatasy anahy gny dikany reo lelahy fatasy amigny fahendre vo reo zay mizaka amigny maty, kanefa sy nahavita napahafatasy gny dikan'izay izy reo. 16 Fa nahare zaho fa afaky magnome fandikana vo mamaha olo hanao. Dra gny hainao gny mamaky sorasy dra mizaka aminahy gny dikany, dra hapitafia voloparasy hanao dra hasia rozo volamena eo am-bozonao, dra hahazo gny fahefa panapaky fahatelo avo indrindra eto amigny fazakana hanao.''' 17 Dra manaly teo alohan'ny pazaka i Daniela ho: ''Aoka ho anao avo gny fagnomezanao, dra omeo olo-hafa gny valisoanao. Na dre zay aza, dra hovakiko aminao gny sorasy, ry pazaka, dra hozakako aminao gny heviny. 18 Gny aminao, ry pazaka, gny Zagnahary avo indrindra nagnome an'i Nebokadnezara babanao gny fazakana, gny fahalahibe, haza, vo voninahisy. 19 Nohon'ny fahalahibeaza namen'i Zagnahary anazy, dra nangovisy vo natahosy anazy gny vahoaky aby, gny firenena, dra gny fizaka sambihafa. Namono zay tiany hovono izy, dra nagnenga ho velo zay tiany ho velo. Nasamdrany zay tiany, dra naetriny zay niriny haetry. 20 Fa gny niavognavo gny fony dra nihafatrasy gny fagnahiny ba hanovany raha sahisahy, dra nalany lateo amigny seza fiandriana maha pazaka anazy izy, dra nalany ereo gny vaninahiny. 21 Niroahiny tamigny olombelo izy, nana sai-biby izy, dra niara-niay tami'ireo borikidia izy. Nihinan'aisy manahaky gny agnomby izy. Leny gny andon'ny lagnisy gny vatany mandra-pahafatarany fa gny Zagnahary avo indrindra gny manapaky eo amigny fazakan'ny vahoaky dra manendry zay tiany hapetraky eo ami'zay izy. 22 Hanao zanadahiny, ry Belsazara, dra sy nagnety gny fonao, na dre nahafatasy anizay aby zay aza hanao. 23 Fa nanandra-tegna hanohisy gny Toponigny lagnisy hanao. Boak'ao atragnony gny nindesanao reo tavoara ze ninomanao, reo tandapanao, reo valy vo reo valisindronao, dra nanopo reo sapy vita tamigny volafosy vo volamena, varahy, vy hazo, dra vato__sapy ze sy mahita, mahare, na mahalala na ino na ino hanao. Sy nagnome voninahisy an'Agnahary ze mita gny fofon'ainao eo apelatagnany vo mahalala gny lalanao aby hanao. 24 Dra Zagnahary nandefa tana aby amigny fagnatrehahy dra vita zao sorasy zao. 25 Gny zaka voasorasy dra izao: 'Mena, Mena, Tekela, dra Oparesina.' 26 Izao gny heviny: 'Mene,' 'Voaisan'Agnahary gny nazakanao dra ninday anizay ho amigny fiafara izy.' 27 'Tekela,' 'Laza eo amigny mizana hanao dra hita fa lasa-daza.' 28 'Peresa,' 'Zaraina vo omeo ho an'ireo Mediana vo reo Persiana gny fazakanao."' 29 Dra nagnome baiko i Belsazara, dra napekazo voloparasy an'i Daniela ereo. Natao teo am-bozony gny ravaky volamena, dra nanao fagnambara momba anazy gny hahazoany gny fahefa panapaky fahatelo abo indrindra teo amigny fazaka gny pazaka. 30 Tamigny hariva igny, dra maty i Belsazara, pazakanigny Babyloniana, 31 dra i Dariosy gny Mediana gny nitakasy gny fazaka raha teo ho eo amigny ro amby enipolo tao izy.