Toko faha 4

1 Nandefa izao didy izao ho an'ireo vahoaky, reo firenena, dra reo fizaka aby ze nony tetiky agnabonigny tany i Nebokadnezara pazaka ho: "Hapitombo amindrareo anie gny fedagna. 2 Tao soa aminahy gny mizaka amindrareo reo famata vo raha-mahagaga ze nataonigny Avo indrindra taminahy. 3 Lahibe loasy reo famatarany, dra mahery loasy reo raha-mahagaga! Fazaka sy mana-pahataperany gny fazakany, dra maharisy hatramigny taranaky fara mandimby gny fanapahany. 4 Izaho, Nebokadnezara, dra nony tami-kafalia tao atragnoko, dra nakafy fahombiaza zaho tao amigny lapako. 5 Saiky napatahosy anahy gny nofiko raiky. Raha nandry igny zaho, dra napikorota zaho reo kisarisary vo reo fahita ze tato asaiko. 6 Ko dra nagnome didy zaho gny hindesa teo aminahy reo lelahin'i Babylona aby ze nana-pahendrena raha afaky gny handika gny nofy ho anahy ereo. 7 Dra avy reo ambiasa, reo ze mizaka fa mizaka amigny maty, reo olon-kendry, dra reo panandro. Nagnambara gny nofiko tamin'ereo zaho, fa sy afaky gny handika anizay aminahy ereo. 8 Nefa nilisy i Daniela nony farany_gny raiky ze tonoka ho Beltesazara araky gny agnaran'Agnahariko, misy fagnahin'ireo zagnahary hoa ao agnatiny_dra nizaka taminazy gny nofiko zaho. 9 "Ry Beltesazara, ambiasa, fataso fa ao aminao gny fagnahin'ireo zagnahary masy dra sy misy raha mivony ze sarosy aminao avo koa. Zakao aminahy ze hitako tao agnaty nofiko dra hanao gny dikan'izay. 10 Tahoky aby reo fahita ze hitako tao asaiko raha nandry tao apandriako zaho: nandiniky zaho, dra nisy hazo raiky teo agnevonigny tany, dra lahibe vatany gny haabon'izay. 11 Nihanitombo gny hazo dra lasa hendry. Nagnaniky gny lagnisy gny tendrony, dra afaky mahita anizay hatragny amireo vaza tany manotolo. 12 Soa tarehy gny raviny, marobe aok'izay gny voany, dra nisy sakafo ho anigny teo agnabony aby. Nahita felofa tao ambaniny gny bibidia, dra gny vorony habakabaky nony teo amireo rasany. Voafaha aby tamizay avokoa reo raha-manan'ay aby. 13 Nahita tao asaiko zaho tamin'izaho nandry teo apandriako, dra nisy iraky masy raiky nizoso boak'egny amigny habakabaky. 14 Nihiaky fatrasy izy dra nanao anizahoky ho: 'Tapaho gny hazo dra tapaho reo rasany, alao reo raviny, dra aparitaho gny tegnany. Aoky reo biby hienga boak'eo ambanin'izay dra reo voro hitily lavis'ireo rasany. 15 Angao gny fotosy gny fakany ho ao agnaty tany, faheo amigny fehim-by vo varahy, eo agnevonigny ahisy gny saka. Aoky zay ho kosanigny andronigny habakabaky Aoky zay hivelo miaraky amireo biby eo amireo vonikazo egny amigny tany. 16 Aoky gny fisaignany hiova fisaignan'olo, dra aoky gny fisaignam-biby gny hagnome anazy hatramigny fahalasanigny foto tao. 17 Izay fanapaha-kevisy zay dra boak'amigny didy nitaterinigny raiky. Izay fanapaha-kevisy zay gny nataon'ireo masy ba ahafahan'ireo velo mahafatasy fa manapaky manera reo fazakanigny vahoaky gny Avo indrindra dra magnome anereo ho anigny olo ze tiany hapetraky eo amin'ereo, na dre gny lelahy faran'izay manetry tena aza.' 18 Izaho, Nebokadnezara, gny nana anizay nofy zay. Amizao hanao, ry Beltesazara, zakao anahy gny dikany, akory sy misy amireo lelahy hendrinigny fazakako afaky manao anizay, akory ao aminao gny fagnahin'ireo zagnahary masy." 19 Dra Daniela, ze tonoka avo koa ho Beltesazara, dra tohina fatrasy nandrisy gny fotoa visy, dra nanaisy anazy gny fisaignany. Dra hoy gny pazaka ho: "Ry Beltesazara, ka anga hanaisy anao akory gny nofy na gny dikan'izay." Namaly Beltesazara ho: "Ry topoko, aoky gny nofy; ho an'ireo fahavalonao anie gny dikan'izay. 20 Gny hazo ze hitanao__ze nitombo dra avy nahery, vo izay nipaky tany andagnisy gny tedrony, dra azo atia tany amigny ereo faran'ny tany aby__ 21 Ze soa tarehy tokoa ereo raviny, vogny maro dra maro tokoa gny voany, dra hisiany sakofo ho an'ny amby ao amign'izay, vo ao ambaniny gny ahi- tan'ereo bibiny saha fialohany, vo none- nan'ereo voron'ny hadakadakany tao amigny __ 22 Izany hazo izany dra hanao, dra pazaka, hanao izay nitombo ho tena mahery. Nihanitombo gny fahaleibeazana dra nagnapasy gny legnisy va gny fanampahanao nipaka tany amin'ereo faran'ny tany. 23 Hanao, ry pazaka, gny nahita gny iraky masy nizoso boak'agny andagnisy dra nizaka ho: "Tapaho gny hazo dra poteho zay, nefa angao gny fakan'izay ho ao amigny tany, fataro amigny fehim-by vo varahy, eo agnevonigny ahisy maleminigny saka. Angao ho kosanigny ando boak'agny andagnisy zay. Aoky zay hivelo hiaraky amireo bibidia egny amireo saka mandra-paha lasanigny fito tao.' 24 Izay gny dikany, ry pazaka. Izay gny didinigny Avo indrindra ze nipaky taminao, ry topoko pazaka. 25 Hala amigny olo hanao, dra hitoby miaraky amireo bibidia agny amireo saka. Hapihinana ahisy manahaky gny andagnisy, dra fito tao gny handalo mandra-piakinao fa gny Avo indrindra gny manapaky eo amireo fazakan'olo dra Izy gny magnome anereo ho amigny olo ze iriny. 26 Araky gny nandidia gny hamela gny fakanigny hazo, dra amizay fomba zay gny hagneregna gny fazakanao ho aminao amigny fotoa hahalalanao fa mazaka gny lagnisy. 27 Noho izay, ry pazakany, aoky gny torohevisy ho azo ekena aminao. Azanogny gny fahota dra manova ze mary. Mivilia amireo helokao amigny fanehoa famindra-po amireo napahoria, dra izay ba ho afaky hihitasy gny fahombiazanao." 28- 29 Nitranga tamigny pazaka Nebokadnezara reo raha aby reo. Ro ambiny folo volohany tafara atiky dra nandeha teo amigny tafonigny lapanigny pazaka tagny Babylona izy, 30 dra hoy izy ho: "Sy tihoky ra gny Babylona lahibe, ze nasangako ho anigny toera-ponegna-pazakako, ho amigny voninahisy gny fahalahibeazako?" 31 Raha bo teo am-bavanigny pazaka reo zaka, dra nisy feo boak'agny an-dagnisy ho: "Ry Nebokadnezera pazaka, nagnambara taminao fa nala taminao izao fazaka zao. 32 Ho roahy sy ho eo amigny vahoaky hanao, dra gny toeram-ponegnanao dra hiaraky amireo bibidia egny amireo saka. Hapihinana ahisy manahaky gny agnomby hanao. Fito tao gny handalo mandra-pahavinao hiaiky fa gny Avo indrindra gny manapaky eran'ireo fazakanigny olo dra Izy gny magnome anereo ho anigny olo iriny." 33 Izay didy nanohisy an'i Nebokadnezera zay dra nitaterahy sy nisy atak'andro. Niroahy sy ho eo amigny vahoaky izy. Nihina ahisy manahaky gny agnomby izy, dra kosany andonigny lagnisy gny vatany. Nihalava manahaky gny volonigny babany voromahery gny volony, dra avy manahaky gny anigny voro reo vazakohony. 34 Tamigny fiafaranigny andro, izaho, Nebokadnezara, nanandrasy gny masoko agny gny hamolaky. "Midera gny Avo indrindra zaho, dra magnome voninahisy anigny raiky ze mitoby mandrakizay zaho. Fa sy mana-pahatapera gny fanapahany, dra maharisy hatramigny taranaky fara-mandimby gny fazakany. 35 Sinosino taminazy gny poninigny tany aby; manao ze mety amigny sitrapony amigny tafiky gny lagnisy vo gny poninigny tany Izy. Sy misy afaky hapizano Anazy na hifanina aminazy. Sy misy afaky gny hizaka anazy ho: 'Nagnino gny nanao anizao hanao?"' 36 Tamin'io fotoa niharegnan'ny adalako taminahy io avo, dra nihery taminahy gny voninahiso vo gny fahalahibeko ho an'ny voninahisy gny fazakako. Nahita gny sitrako reo pagnomesay vo reo lelahiko mendri-kaza. Nandesiny nihery teo amigny seza fiandrianako ndraiky zaho, dra agnobon'izay dra name fahalahibe lahibe tokoa zaho. 37 Izaho, Nebokadnezara, dra midera, manandrasy, dra magnome voninahisy gny pazakan'ny lagnisy ankehitriny, fa marina reo asany, dra mahisy gny lalany. Afaky mapietry reo zay mandeha amigny fiavognavognany izy.