Toko faha 11

1 Tamigny tao volohany nazakan'i Dariosy Mediana, dra izaho vatany gny ho avy hanoha vo reo an'i Mekaela. 2 Ho zakako aminao gny marina izao. Hisy pazaka telo hisanga agny persia, dra gny fahaefasy dra ho pagnefoefo lavisy noho reo hafa aby. Gny fa nahazo hery tamigny hareny izy, dra haporisiky gny olon'aby hanohisy gny fazakan'i Gresy. 3 Hisy pazaka mahery hisanga izay hanapaky fazakana lahibe tokoa, dra hanao araky zay iriny izy. 4 gny fa tafasanga izy, dra ho rava gny fazakany dra hizara amigny rivosy efasy gny lagnisy, fa sy amigny taranany manoka, dra sy amigny fahefany fony nanapahany. Fa gny fazakany dra ho fongosy ho an'ny hafa akoasy reo taranany. 5 gny pazakan'ny Asimo dra ho lasa matazaky. saingy gny raiky ami'reo pifehy dra hazary hatazaky lavisy noho izy dra hanapaky gny fazakany amigny hery lahibe. 6 Tona siapy afaran'izay, gny mety gny fotoa, dra hanao fihavana izy reo. Gny zanaky vavin'ny pazakan'ny Asimo ho avy agny amigny pazakan'ny Avarasy hagnafatrasy gny fifagneke. Saingy sy hahata gny herin'ny gny sandriny izy, na koa hotafazano ralelahy, na gny sandriny.Hafo izy__izy vo reo ninday anazy, dra gny babany, vo izay nanoha anazy tami'zay fotoa izay. 7 Fa hisy rasany avy ami'reo fakany hisanga handimby gny pilasiny. Hanafiky gny tafiky izy dra hilisy ao amigny fiarova fatrasigny pazakan'ny Avarasy. hialy amin'izy reo izy, dra haharesy anazy. 8 Handesiny agny Egypta reo Zagnahariny mbamin'ireo sary voasikisy vy dra reo lovia volafosy vo volamena sarobidin'izy reo. Hizano lavisy gny pazakan'ny avarasy mandrisy gny tao maromaro izy. 9 Hanafiky gny fazakan'ny pazakan'ny asimo gny pazakan'ny avarasy, saingy hiala ho agny amigny taniny izy. 10 Hivonona dra hamory tafiky lahibe reo zanany lahy. hiavy hatragny zay dra hanafosy gny zava-drehetra; handalo avy eo amigny lala aby ho eo amigny fiarovany fatrasy zay. 11 Hazary ho ory fatrasy gny pazakan'ny asimo; handeha dra hialy amigny pazakan'ny avarasy izy. hananga tafiky goava gny pazakan'ny avarasy, saingy hatolosy eo atagnany gny tafiky. 12 ho lasa gny tafiky, dra fon'ny pazakan'ny asimo hisandrasy, dra handavo agnalignaly izy, saingy sy ho pandresy. 13 Hananga tafiky hafa gny pazakan'ny avarasy, goava noho gny tamigny volohany. Taona maro atiky afara, dra ho avy tokoa gny pazakan'ny avarasy mindray amigny tafiky goava voafasy fitova maro. 14 Amin'izay fotoa zay dra maro gny hisanga hanohisy gny pazakan'ny asimo. Zanaky pisetrasetra maro eo amigny vahoakinao gny hametraky gny tegnan'izy reo hahatateraky fahitana raiky, saingy ho tafitohina izy reo. 15 Ho avy gny pazakan'ny avarasy, handraraky tany hanova tovo-tany, dra hambabo tana amigny fiarova fatrasy. sy ho afa-mizoro gny tafiky gny asimo, na dre reo maramila mahery indrindra aza. sy hisy hery ho tafazoro. 16 Fa koa, izay ho avy gny hanao zay iriny hanohera anazy; Sy hisy ho tafasanga eo amigny lalany. Hisanga eo amigny tanin'ny fahasarana izy, dra ho eo atagnany gny fandringana. 17 Hagnoma gny tavany ho avy mindray amigny herin'ny fazakan'ny aby gny fazakan'ny avarasy, dra hisy fifagnaraha zay hataony mindray amigny pazakan'ny asimo hindray aminazy. Hagnome zanaky vavy amigny apela hapiakariny izy ba hamotehana gny fazakan'ny asimo. Fa y hahomby na hagnapy anazy gny tetiky. 18 Afaran'izay, dra ho liana amigny sisi-tany gny pazakan'ny avarasy dra hambabo gny maro amin'izy reo. Singy hisy pifehy hanapisy gny avognavony dra hahavy gny fireharehany hivaliky ho agny aminazy avo. 19 Dra ho liana amigny fiarova fatrasigny taniny avo izy, saingy ho tafitohina izy dra ho lavo; dra sy ho hita. 20 Dra hisy olo hisanga handimby gny pilasiny zay hampandalo pamory hetra raiky noho gny amigny famirapiratan'ny fazakana. Fa amigny andro magnaraky eo dra ho torotoro izy, fa sy amigny hatezera na amigny aly. 21 Olo nisonisoavy zay sy ba home'ny olo gny voninahisy gny fahefan'ny pazaka gny handimby gny toera; ho avy tapoky izy dra hangalaky gny fazakana akafesena. 22 Hisy tafiky raiky ho voafaoky manahaky gny safo-drano eo alohany. Samby ho ringan'aby zay tafiky zay vo gny pitariky gny fagneke. 23 Amigny fotoa zay hanova fifagnaraha mindray aminazy, dra hamitapitaky izy; vahoaky siapy agnisa fosiny gny hahavy anazy hatazaky. 24 Ho avy agny amigny faritany mana-karena indrindra sy hapitandry akory izy, dra sy hanao zay nataon'ny babany na gny dadabeny izy. Hapiely reo voasambosy, reo babo, dra reo harena eo ami'reo pagnaralia anazy izy. Hitetiky gny fagnongagna gny fiarova fatrasy izy, fa selasela avo. 25 Hanokaky gny heriny izy dra gny fony hanohisy gny pazakan'ny asimo amigny tafiky goava. Hananga aly amigny tafiky lahibe, tena mahery gny pazakan'ny asimo. saingy sy hianga izy satria hikonikoniky hanohisy anazy gny hafa. 26 Na iza mihina gny hanipiny aza dre hitalia hamotiky anazy. Ho voaraoky manahaky gny safo-drano gny tafiny, dra maro ami'zay reo gny ho lavo voavono. 27 Samy hitoboky eo amigny latabasy raiky avo reo pazaka reo, amigny fin'izy reo mikasiky hifanao rasy, hifavandy ai ami'zay reo, saingy sy hisy dikany zay, Fa ho avy gny farany amigny fotoa zay fa voatondro. 28 Hihery agny amigny taniny mindray amigny harem-be gny pazakan'ny avarasy, mindray amigny fony manohisy gny fagneke masy. hiasa izy dra haly agny amigny taniny avo avy eo. 29 Amigny fotoa voatondro dra hihery izy dra ho avy hanohisy gny asimo ndraiky. Fa amitiky ndraiky mandeha itiky dra sy ho manahaky gny teo aloha. 30 Fa ho avy hanohisy anazy reo sambon'i Kitima, dra hazary hatahosy dra hiemosy izy. Ho sosotra amigny sitraky ami'reo zay mahafo gny fagneke masy. 31 Hisanga gny heriny dra hanota-faly gny ferova mafinigny fitoera masy. Halan'ereo gny fagnatisy oroa mahazasy, dra hapetrak'ereo gny fahavetaveta ze mahaavy faharava. 32 Gny amireo ze rasy fagnahy tamigny fifagneke, dra ho fitahiny reo dra ho sola toera. Saiky reo olo ze mahalala gny Zagnaharin'ereo dra hahery dra hiasa. 33 Reo ze hendry eo amigny olo gny hapahay gny maro. Fa ho lavo-sabasy vo gny lela afo ereo; ho lavo agny amigny fahababoa vo gny fanola mandrisy gny andro maro ereo. 34 Amigny fahalavoan'ereo, dra ho voze amigny famizena kely sy misy dikany ereo. Hikamba amin'ereo am-pihasarambelasigny gny maro. 35 Ho lavo gny ilany amireo hendry hany ka ho avy amin'ereo gny fandiova, gny fanasa, dra fandiova, ambara-pahavianigny fotoa gny farany. Fa bo ho avy avo gny fotoa voatondro. 36 hanao araky ze iriny gny pazaka. Hanandra-tegna izy dra hanao gny vatany ho lahibe agnabonigny Zagnahary aby. Hizaka raha manohy hanohisy gny zagnahariny gny zagnahary izy, fa hahomby ambara-pahataterahanigny fahasiaha izy. Fa hatao ze fa nididy. 37 Sy ba hiraharaha reo zagnahary gny razany izy na gny zagnahary gny razany izy na gny zagnahary siriritinigny apela. Dra sy hiraharaha ze mety ho zagnahary aby izy. Fa hanao gny vatany ho agnabonigny olon'aby izy. 38 Hakalaza gny zagnahariny gny ferova fatrasy izy fa sy reo. Zagnahary ze sy neken'ireo razany gny home haza amigny volamena vo volafosy, amigny vato soa vo fagnomeza sarobily zay. 39 Hanafiky reo ferova fatrasy faratapony izy amigny fagnapianigny zagnahary hafa. Ze magneky anazy aby, dra hameny voninahisy be. Hataony panapaky eo amigny olo maro reo, dra hozarany ho valisoa gny tany. 40 Amigny fotoanigny farany gny hanafiky gny pazakanigny Asimo. "Hamely anazy amigny kalesy vo mitikisy sovala, dra sambo maro gny pazakanigny Avarasy.Ho avy hanohisy reo tany izy, hagnegniky anereo, dra hamakivaky anizay. 41 Handeha agny amigny taninigny fahasoava izy, dra Israelita agnalignaly gny ho lavi. Fa itahoky gny ho tafenga amigny tagnany: Edoma, Moaba, dra reo sisa tamigny vahoakin'i Amona. 42 Hagnitasy gny tagnany amireo tany izy; dra sy havota gny tany Egypta. 43 Hifehy gny rakisy volamena vo volafosy izy, dra gny harenigny Egypta aby; ho eo atombony reo Lybiana vo reo Etiopiana. 44 Fa hapihorohoro anazy gny vaovao avy agny asignana vo avarasy, dra handeha hiboaky amigny fahasiaha lalibe izy ba handravarava tateraky dra hanoka gny maro ho ringany. 45 Hametraky gny lainigny fonegnanigny pazakany eo agnelagnelanigny ranomasy vo gny tendrombohisy gny fahasoanigny fahamasigna izy. Ho avy amigny fiafarany zay, dra sy hisy hamozy anazy.