Toko faha 4

1 Tenoy zao zaka zao, handrareo ry agnombivavin'i Basana, handrareo ze agny an-tendrombohis'i Samaria, handrareo ze mapahory gny mahantra, handrareo ze manorotoro gny ory, handrareo ze mizaka amin'gny valindrareo ho: " Andeso raha ibomy zahay." 2 Fa nifata tamin'gny fahamasignany gny Tompo Yaveh ho: " Ingo, ho avy amindrareo gny andro ze hangalan'ereo andrareo amin'gny farango, vo gny sisa amindrareo amin'gny finta. 3 Hiboaky eo amin'gny vaky eo amin'gny fefin'gny tana handrareo, samby hagnisy amin'izay aby, dra hatoraky agny ambaliky magnagny Harmona handrareo---zay gny fagnambaran'i Yaveh." 4 "Mandehana agny Betela dra manota, agny Gilgala dra apitombo gny fahota, andeso isaky maraindray gny sorondrareo, gny apahafolon-karendrareo isaky gny telo andro. 5 Manolora soro fagnati-pisora mindray amin'gny mofo; magnambara fagnati-sitrapo; torio reo, fa mahafinarisy andrareo zay, ry olon'Israely--- zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 6 Nomeko fagnadiova-nify handrareo tagny amin'gny tanandrareo aby sady sy fahapian'gny mofo tao amin'gny toerandrareo aby. Fe sy nihery taminahy avo handrareo---zay gny fagnambaran'i Yaveh. 7 Nanaka gny ora sy ho eo amindrareo avo koa Zaho no mbo nisy telo vola hizinza. Nahiko nagnora teo amin'gny tana raiky, vo nahiko sy nagnora teo amin'gny tana raiky hafa. Gny apahan-tany nisy ora, fa gny apahany hafa ze sy mbo nisy ora dra maiky. 8 Tana ro na telo gny nivembe nagnagny amin'gny tana raiky hafa so hino rano, fe ay afa-po. Fe sy nihery taminahy avo handrareo---zay gny fagnambaran'i Yaveh. 9 Napahory andrareo tamin'gny fahamaikin'gny voly vo gny bobongolo zaho. Gny hamaron'gny sahandrareo, gny tanim-boalobokindrareo, gny hazon'aviavindrareo, vo gny hazon'olivandrareo---fa narapaky gny valala aby izy aby. Fe sy nihery taminahy avo handrareo---zay gny fagnambaran'i Yaveh. 10 Nandefa areti-mandripaky teo amndrareo manahaky gny teo amin'gny Egypta Zaho. Novonoko tamin'amesa gny tovolahindrareo, nalako gny sovalindrareo, dra nahiko teo amin'gny vavorondrareo gny hamembon'gny tobindrareo. Fe sy nihery taminahy avo handrareo---zay gny fagnambaran'i Yaveh. 11 Nandripaky tana teo amindrareo zaho, manahaky gny tamin'gny nandripahan'Agnahary an'i Sodoma vo Gomora. Fa sahala amin'gny tapa-kazo mirehisy nisintony latao amin'gny afo handrareo. Fe sy nihery taminahy avo handrareo---zay gny fagnambaran'i Yaveh. 12 Noho zay dra hanao raha mahaory amindrareo Zaho, ry Israely; vo akory hanao raha mahaory amindrareo Zaho, dra miomana hihao amin'gny Zagnaharindrareo, ry Israely! 13 Fa ingo, gny nanao gny tendrombohisy avo koa gny nahary gny sioky, mapiseho gny heviny amin'gny zanak'olombelo, mahavy gny maraindray ho ezy, sady magnosiosy gny toera abon'gny Tany. Yaveh, Zagnahary Tompon'gny maro, gny agnarany."