Toko faha 5

1 Tenoy tiho zaka ze nalako ho fitaraigna eo aminiha tihoky, ry hasaveregnan'Israely. 2 Lavo gny virizin'Israely; dra sy hisanga sasy izy; nazera tamin'gny taniny izy; dra sy misy ndre dra raiky aza hananga anazy. 3 Fa zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: " Gny tana ze niboahan'gny arivo dra hana zato tavela, vo gny raiky ze niboahan'gny zato dra hana folo tavela ze an'gny hasaveregnan'Israely." 4 Fa zao gny zakan'i Yaveh tamin'gny hasaveregnan'Israely ho: " Taliavo Zaho dra ho velo hanao! 5 Ka mitalia an'i Betela; na milisy agny Gilgala; ka mandeha agny Beri-sheba. Fa Gilgala dra azo atpky fa ho babo, sady ho lasa sinosino i Betela. 6 Taliavo Yaveh dra ho velo hanao, no sy zay dra hiboaky manahaky gny afo ao amin'gny hasaveregnan'i Josefa Izy. Handrapaky anizay, sady sy hisy ndre ia ndre ia hamono anizay agny Betela. 7 Reo olo reo dra hamaliku gny rariny ho raha mafaisy sady hanoraky gny fahamarigna amin'gny tany!" 8 Zagnahary nanao an'Ikotolimiadilaona vo gny Telonohorefy; mamaliky gny hezy ho maraindray Izy; manao gny andro ho mezy mindray amin'gny hariva Izy sady mitoka gny ranon'gny ranomasy; mandraraky reo amin'gny velaran-tany Izy. Yaveh gny agnarany! 9 Manday faharipaha tapoky eo amin'gny mahery izy so ho avy eo amin'gny ferova fatrasy gny fandrava. 10 Malay gny olo aby ze magnisy andreo ao amin'gny vavahadin'gny tana Izy, sady malay gny olo aby ze mizaka gny mary ereo. 11 Akory magnisakisaky reo mahantra hanao dra mangalaky apaham-bary aminazy---ndre dra nagnory fasange vita tamin'gny vato aza hanao, dra sy hitoboky ao amin'izay. Mana tanim-boaloboky mahafinarisy hanao, fe sy hino gny divain'izay hanao. 12 Fa fatako gny isan'ireo fandikan-dalaniha vo gny halahiben'ireo fahotaniha---hanao ze mapahory gny rariny, mandramby gny kolikoly, sady mivily amin'ireo olo mila fagnapia ao amin'gny vavahadin'gny tana. 13 Noho zay dra misigny amin'gny fotoa manahaky anizay gny olon-kendry, akory fotoa rasy zay. 14 Mitaliava gny soa fa sy gny rasy, so ho velo hanao. noho zay Yaveh, Gny Zagnahary gny maro, dra vatany hiahy aniha, araky gny zakaniha fa Izy. 15 Hakalegno gny rasy, tiavo gny soa, apetraho gny rariny ao amin'gny vavahadin'gny tana. Vasa Yaveh, gny Zagnahary gny maro hamindra fo amin'ireo sisa nengan'i Josefa. 16 Noho zay, zao gny zakan'i Yaveh, gny Zagnahary gny maro, gny Tompo ho: " Gny fidradradradra dra ho amin'gny reo efa-zoro aby, dra hizaka anizay agny amin'gny lala aby ereo, 'Loza, loza!' Hitoka reo pamboly so ho amin'gny fandala ereo vo reo malahelo so hidradradradra. 17 Hisy fidradradradra ao amin'ireo tanim-boaloboky aby, akory handalo eo agnivondrareo Zaho," ho Yaveh. 18 Loza ho andrareo ze magniry gny andron'i Yaveh! Nagnino handrareo gny magniry gny andron'i Yaveh? Ho fahamezigna zay sady sy hisy hazava, 19 manahaky gny olo nofa milefa liona vo bera mifanena aminazy, na milisy ao amin'gny fasange sady mametraky gny tagnany eo amin'gny fefy vo magnifasy anazy gny menara. 20 Sa ra gny andron'i Yaveh sy ezy fa sy hazava? Hezim-pito ra sy misy famirapirata? 21 " Halako, hahiko sinosino gny firavoravoandrareo, sy mangalaky maminy amin'ireo fivondrognandrareo magnetriketriky Zaho. 22 Ndre dra manolosy fagnatisy oroa vo fagnatisy hohany Aminahy aza handrareo, dra sy handramby reo Zaho, na hagnety gny fagnati-pihavagnan'ireo biby mataviniha. 23 Alao taminahy gny tabataban'ireo hirandrareo; sy hiteno gny feon'gny lokangandrareo zaho. 24 Fe koa, angao hivavasy manahaky gny rano gny rariny, vo gny fahamarigna manahaky gny renirano mikoria lalandava. 25 Ninday soro vo fagnatisy tagny an'efisy nandrisy gny efa-polo tao ho anahy ra handrareo, ry hasaveregnan'Israely? 26 Hanandrasy an'i Sokita ho pazakandradreo handrareo, vo Kiona, zagnahary gny vasiandrareo---sapy ze nahindrareo ho andrareo. 27 Noho zay dra halefako sesitany mihoasin'i Damaskosy handrareo," ho Yaveh, zay Zagnahary gny maro gny agnarany.