Toko faha 3

1 Tenoy zao zaka ze nizakan'i Yaveh tamindrareo zao, ry olon'Israely, amin'ireo fianakavia manotolo ze nandesiko hiboaky gny tany Egnypta: 2 " Handrareo raiky avo gny nifiliko amin'gny fianakavia aby eto ambonin'gny tany. Noho zay, dra horakafoko handrareo noho reo otandrareo aby." 3 Sa ra hindray handeha gny ro no sy niray hevisy ereo? 4 Sa ra hierosy agny agn'ala gny liona no sy misy haza izy? Sa ra hierosy ao an-davakiny gny liona tanora no sy nahazo ndre ino ndre ino izy? 5 Sa ra afaky milavo agnaty fandriky amin'gny tany etiky gny voro no sy misy tadivavara voatoby ho anazy aby? Sa ra hikatoky gny fandriky amin'gny tany etiky no sy nahazo ndre ino ndre ino aby izy? 6 Hagneno ao an-tany ra gny asiva ka sy hangitakitaky gny olo? Ho avy ao an-tana ra gny loza no sy i Yaveh gny nandefa anizay? 7 Azo atoky fa sy hanao ndre ino ndre ino i Tompo Yaveh no sy magnambara reo fikasany amin'ireo paminany panopony Izy. 8 Ia gny sy hatahosy; no nierosy gny liona? Fa nizaka gny Tompo Yaveh, ia gny sy haminany? 9 Ambarao agny amin'ireo ferova fatras'i Asdoda zay, vo agny amin'gny ferova fatrasin'gny tany Egypta; zakao ho: " Mivory handrareo egny amin'ireo tendrombohis'i Samaria vo atio gny fifanzevogna be ze ao aminazy, vo ino gny fahoria ao aminazy. 10 Fa sy mahay gny fanaova gny mary ereo---zay gny fagnambaran'i Yaveh---Mitahiry herisetry vo faharava ao amin'gny fefiny ereo." 11 Noho zay, zao gny zakan'gny Tompo Yaveh ho: ' Hiodidy gny tany gny fahavalo. Handrava reo ferovaniha fatrasy izy sady handroba reo fefiniha. 12 Zao gny zakan'i Yaveh: " Manahaky gny famonzen'gny piaraky agnondry gny tomboky ro avo amin'gny vavan'gny liona, ndre sombin'gny sofy, gny hamonze gny olon'Israely ze nitoboky agny Samaria, eo anzoron-seza avo, na koa eo anzoron-Parafara avo." 13 Mitenoa dra mizoroa vavolombelo manohisy gny hasaveregnan'i Jakoba--- Zao gny fagnambara nahin'gny Tompo Yaveh, Zagnahary Tompon'gny maro: 14 Fa amin'andro ze hadrokafako reo fahotan'Israely, dra ho rokafoko avo koa gny alitaran'i Betela. Hotapahy reo tandroky gny alitara dra hilavo amin'gny tany. 15 Horavako gny fasange asara mindray amin'gny fasange fahavarasy. Ho simba gny fasange ivory vo fasange be dra hanzavo,---zay gny fagnambaran'i Yaveh."