Toko faha 35

1 Nitandry gny Paska ho an'i Yaveh tao Jerosalema i Josia, dra nivonony reo tamigny andro fahaefasy ambin'ny folon'ny vola volohany reo agnondrin'ny paska. 2 Napetrany tegny amigny fitoerany reo pisoro dra napahereziny tamigny asa fanopoa gny tragnon'i Yaveh izy reo. 3 Hoy izy tamireo Levita ze napianasy gny Israely aby vo ze voatoka ho an'i Yaveh ho: "Apetraho ao amigny tragno ze namboaran'i Solomona zanak'i Davida, pazakan'Israely gny fiara masy. Ka zaka egny amigny soroandrareo sasy zay. Dra derao Yaveh Zagnaharindrareo, dra topoy Israely vahoany. 4 Mifandamina handrareo araky gny agnaranigny firazagnandrareo vo gny fizarandrareo, araky reo toromariky nisoratin'i Davida, pazakan'Israely, vo reo an'i Solomona, zanadahiny. 5 Mizoroa egny amigny fitoera masy, takaro gny toerandrareo vo gny fizarandrareo ao amigny taranak'ireo rahalahindrareo, reo taranaky gny vahoaky, dra alao gny toerandrareo vo gny firazagnandrareo ao amigny taranakigny razamben'ireo Levita. 6 Vonoy gny agnondrinigny Paska, hamasigno gny vatandrareo, omano ho an'ireo rahalahindrareo gny agnondry, ba hatao araky gny zakan'i Yaveh ze name tamigny alalanigny tagnan'i Mosesy." 7 Nagnome agnondry telo aly ho anigny vahoaky aby Josia dra zanak'osy tamireo agnondry aman'osy ho aamigny fagnatisy gny Paska ho an'ireo aby ze nagnatriky. Nagnome agnomby telo arivo avo koa izy; reo dra avy tamigny faranigny pazaka. 8 Reo pitariny dra nagnome fagnati-sitrapo ho anigny vahoaky, reo pisoro, dra reo Levita. Hilkia, Zakaria, dra Jehiela, manam-boninahisy niatraikisy gny tragnon'Agnahary, dra nagnome zana biby teza 2.600 vo agnomby telozato ho fagnatisy gny Paska ho an'ireo pisoro. 9 konania, vo Semahia dra Natanaela, rahalahiny, vo lahiben'ireo levita avo koa, dra nagnome biby teza masaiky dimy arivo vo agnomby dima-zato ho fagnatisy gny Paska ho an'ireo Levita. 10 Ko dra vonona gny fanopoa, dra nipetraky tegny amigny fitoerany reo pisoro, niaraky tamireo Levita araky gny fizaran'ereo, ho valinigny didinigny pazaka. 11 Nivonon'ereo gny agnondry Paska, dra nafafin'ireo pisoro gny lio ze nitakarin'ereo boak'amigny tagnan'ireo Levita, dra reo Levita nangalaky gny holon'ireo zanak'agnondry. 12 Nalan'ereo gny fagnatisy oroa, ba hizara reo ho an'ireo fizaranigny taranaky vahoaky, ba hanolora reo ho an'i Yaveh, araky gny voasorasy tao amigny Bokin'i Mosesy. Nataon'ereo manahaky anizay koa reo agnomby. 13 Nataon'izy reo tamigny afo araky gny toromariky reo zanak'agnondrin'ny Paska. Gny ami'reo fagnatisy nohamasigny, dra nampangotrahin'izy reo tao agnaty vilagny, vilagnibe, vo fagnindaza reo, dra nilazan'ereo malaky tagny amigny vahoaky aby zay. 14 Tafaran'izay dra nagnoma fagnatisy ho an'ny tegnan'izy reo vo ho an'ireo pisoro izy reo, satria reo pisoro, taranak'i Arona, dra sahira tamigny fanolora gny fagnatisy oroa vo gny sabora mandra-paha harivanigny andro, ko dra nognoma reo fagnitisy honasy ho anereo vo gny pisoro, taran'i Arona, reo Levita. 15 Reo pihira, taranak'i Asafa, dra tao amigny toeran'izy reo, araky gny torolalan'i davida, Asafa, Hemana, dra Jedotona paminanin'ny pazaka, dra reo piamby zaka amigny vavahady aby. Sy nahazo nagnenga gny toera izy reo, satria reo Levita rahalahin'izy reo dra nanao fagnomana hon'azy reo. 16 Noho zay, tamigny fotoa zay gny asa fanopoa an'i Yaveh aby dra nitaterahiny ho amigny fakalazana gny Paska vo hagnomeza fagnatisy oroa eo amigny alitaran'i Yaveh, araky gny nandidian'i josia pazaka. 17 Gny vahoakin'Israely zay nagnatriky dra nitandry gny Paska tami'zay fotoa zay, dra avy eo gny firavoravoa amigny Mofo sy misy masirasira nandrisy gny fito andro. 18 Sy bo nisy fakalazana gny Paska manahaky zay tao Israely nanomboky tamigny andron'i Samoela paminany, dra sy nisy vatany tami'reo pazakan'Israely hafa nakalaza gny Paska manahaky gny nataon'i Josia, nindray tami'reo pisoro, Levita, vo gny vahoakin'i Joda vo Israely aby zay nagnatriky, dra reo piny tao Jerosalema. 19 Notamdrova zay Paska zay tamigny fahavalo ambin'ny folo tao nazakan'i Josia. 20 Tafaran'izay aby zay, tafaran'ny nametrahan'i Josia gny tepoliny tamigny laoniny, dra niakasy ba hialy ami'reo Karkemisy tao amigny ony Eofrata i Neko, pazakan'i Egypta, dra Josia nandeha nialy taminazy. 21 Saingy nandefa masoivoho tagny aminazy i Neko, nizaka ho: ''Ino gny tokony hataoko anao, ry pazakan'i Joda? Sy avy hanohisy anao zaho anio, fa hanohisy gny tragno zay hialiako . Nasain'i Zagnahary nandeha malaky zaho, dra manindria fo amigny fanohera an'i Zagnahary, zay momba anahy, gny sy zay handringa anao izy.''' 22 Na zay aza, dra nanda gny nagnenga anazy Josia. Noly nanova tava izy ba hahafahany mialy aminazy. Sy niteno reo zakan'i Neko zay avy amigny vavan'i Zagnahary izy; dra nandeha nialy tagny amigny Lohasahan'i Megido izy. 23 Nitifirin'ny pandefa zana-sipiky i Josia pazaka, dra hoy gny pazaka tami'reo panopony ho: ''Eto zaho, fa tena marasy fatrasy.''' 24 Dra naboak'ireo panopony avy tao amigny kalesy izy, dra napetrany tao amigny fagnapi-kalesiny. Nandesiny reo tagny Jerosalema, zay nahafatesany izy. Nangany tao amigny lolon'ireo razambenyizy. Nandala an'i Josia gny Joda vo Jerosalema aby. 25 Nanao hira fisogna ho an'i josia i Jeremia; gny pihira lahy vo vavy aby dra misaona an'i Josia mandrakak'ehitriny. Reo hira reo dra avy fomba tao Israely; ingo, voasorasy ao amigny hira fisogna reo. 26 Gny ami'reo raha mahakasiky an'i Josia, vo reo asa soa nataony tamigny fakatoava zay voasorasy tao amigny lalan'i Yaveh__ 27 Dra reo asany, nanomboky tagny am-piandohany hatramigny fiafarany, dra voasorasy ao amigny bokin'ireo pazakan'i Joda vo Israely.