Toko faha 34

1 Valo tao i Josia gny nanomboky nazaka; nazaka nandisy gny raiky amby telopolo tao Jerosalema izy. 2 Nanao ze mary teo amason'i Yaveh, vo nandeha tamigny lalan'i Davida razambeny, dra sy ba nivily niakavana na niagnakavia izy. 3 Dra tamigny tao fahavalo nazakany, raha bo tanora izy, dra nanomboky nitalia anigny Zagnaharin'i Davida, razambeny. Tamigny tao faharo ambiny folo, dra nanomboky nagnadio an'i Joda vo Jerosalema boak'eo amigny fitoerany abo izy, gny baon'Aseraha, vo gny sari-raha voasokisy dra gny sari-raha vita tamigny vy. 4 Niravanigny vahoaky teo agnatrehany reo alitaran'i Bala; nitapainy gny alitaranigny liti-kazo magnisy ze teo agnabon'ireo. Nitorotorony reo baon'Aseraha vo reo sari-raha voasokisy, dra reo sari-raha vita tamigny vyambara-pahaviany reo ho vovoky Naparitany teo amigny lolon'ireo ze nanao soro anizay gny vovoky. 5 Noroany teo amigny alitarany gny tolan'ereo pisorony. Manahaky anizay gny fomba, nagnaliovany an'i Joda vo i Jerosalema. 6 Nataony manahaky anizay koa reo tanan'i Manase, Efraima, dra Simeona, gny lala nagnagny Naftaly aby, vo teo amireo faharava ze nagnodidy anizay. 7 Niravany reo alitara, nipotehiny ho lasa vovoky reo baon'Aseraha vo reo sari-raha voasokisy, dra nikapainy gny alitaranigny liti-kazo magnisy nanera gny tanin'Israely aby; nihery tagny Jerosalema izy boak'eo. 8 Dra tamigny tao fahavalo ambiny folo nazakany, gny fa voalion'i Josia gny tany vo gny tepoly, dra nagniraky an'i Safata zanadahin'i Azalia, Maseia, governoranigny tana, dra i Joa zanadahin'i Joahaza pitasorasy izy, ba hamboasy ndraiky gny tragnon'i Yaveh zagnahariny. 9 Nagnagny amin'i Hilkia, pisorombe ereo, dra nagnaky taminazy gny vola ze nandesy tao amigny tragnon'Agnahary, ze fa navorin'ireo Levita, vo reo piamby vavahady boak'amigny Manase vo Efraima, avy tamin'irei sisa tamin'Israely aby, avy tamin'i Joda vo Benjamina aby, dra avy tamireo ponin'i Jerosalema. 10 Nakinin'ereo tamireo lelahy ze magnara-maso gny asa amigny tepolin'i Yaveh gny vola. Reo lelahy reo gny nagnarama gny piasa ze namboasy vo nagnery gny tepoly tamigny loniny. 11 Naloan'ereo tamireo pandrafisy vo reo pananga anizay ba hivilia vato voapaiky vo hazo ho fandrafeta, dra hamboasy andry ho anireo rafisy ze nirava'ireo pazakan'i Joda ilany. 12 Nanao gny asa tami-pahatokia reo lelahy. Reo pagnaramaso dra Jahata vo Obadia, reo Levita, boak'amigny zanadahin'i Merary; dra Zakaria vo Mesolama, boak'amireo zanadahin'ireo Kehatita. Reo Levita hafa, ze pitandry raha magneno tena mahay aby, panoro mariny reo piasa. 13 Reo Levita reo dra nisaha reo zeninday gny fitovanigny tragno lahibe vo reo lelahyaby ze nanao gny asa pita-sorasy, pandrindra, dra piamby vavahady. 14 Gny fa naboak'ereo gny vola ze nandesy tao atragnon'i Yaveh, dra hitan'i Hilkia pisoro gny bokinigny lalan'i Yaveh ze name tamigny alalan'i Mosesy. 15 Hoy Hilkia tamin'i Safana panoradalana ho: "Hitako tao atragnon'i Yaveh gny bokinigny lalan."Nandesin'i Hilkia tagny amin'i Safana gny boky. 16 Nandesin'i Safana tagny amigny pazaka gny boky, sady nitatisy taminazy avo koa, anao anizahoky ho: "Reo panoponao dra manao gny raha aby ze nakiny tamin'ereo. 17 Fa nirofin'ereo gny vola ze hita tao atragnon'i Yaveh, dra nameny teo atagnan'ireo pagnara-maso vo reo piasa zay." 18 Nizaka tamigny pazaka i Safana panora-dalana ho: "Namen'i Hilkia pisoro boky zaho." Dra nivakin'i Safana tamigny pazaka zay. 19 Dra gny fa renigny pazaka reo zakanigny lalana, dra nandroaky gny akazony izy. 20 Gny pazaka nandidy an'i Hilkia, Ahikama zanadahin'i Safana, Abdona zanadahin' Mika, Safana panora-dala, dra Asaia, panopony manoka, nanao anizahoky ho: 21 "Mandehana dra agnotanio ho anahy gny sitrapon'i Yaveh, dra ko ho an'ireo ze tavela agny Israely vo agny Joda, nohonigny zakanigny boky ze fa hita. Fa lahibe zay, dra gny fahatezera. Lahibe zay, noho reo razambesika sy niteno gny voazakanigny boky gny ba hakatoava ze voasorasy aby tao amizay." 22 Dra Hilkia, vo reo ze nididinigny pazaka, dra nagnagny amin'i Holdapaminany apela, valin'i Saloma zanadahin'i Tokehata zanadahin'i Hasra, pitahiry akazonigny fisora (nony tao Jerosalema tao amigny tana ambany izy), dra tamizay fomba zay gny nizakan'ereo taminazy. 23 Hoy izy tamin'ereo ho: "Izao gny zakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely: Zakao gny lelahy ze nagniraky andrareo taminahy atiky ho: 24 'Izao gny zakan'i Yaveh: Ingo, eo apindesa loza eto amity toera tihoky vo reo poniny zaho, reo ozo aby ze fa voasorasy tao amigny boky ze fa voavakin'ereo teo agnatrehanigny pazakan'i Joda. 25 Akory fa nahafo anahy dra fa nagnoro gny liti-kazo magnisy ho an'ireo zagnahary hafa ereo, ba hiasia anahy amigny fahasiaha tamireo raha aby nataon'ereo__noho izay dra hiraraky amity toera tihoky gny fahasiahako, dra sy ho maty zay.' 26 Fa ho anigny pazakan'i Joda, ze nagniraky andrareo ba hagnotany an'i Yaveh ze tokony hataony, dra izao gny ho zakandrareo aminazy: "Yaveh, gny Zagnaharin'Israely mizaka anizao: Gny amigny zaka ze renao, 27 akory hanao dra so-po, vo nagnetry tegna teo agnatrehan'Agnahary gny fa renao gny zakany hamely anity toera tihoky vo reo poniny, dra akory hanao nanetry tegna agnatrehany dra agnatrehako, dra fa niteno anao avo koa zaho__izay gny fagnambaran'i Yaveh__ 28 ingo, havory ho eo amireo razambenao hanao. Ho voavory ao amigny lolonao apedagna hanao, dra gny masonao dra sy hahita gny loza ze handesiko eto amity toera tihoky vo reo poniny."' Nandesin'ireo lelahy tagny amigny pazaka izay hafasy zay. 29 Boak'eo gny pazaka nagniraky pinday hafasy dra namory gny loholon'i Joda vo Jerosalema aby. 30 Dra niakasy tao atragnon'i Yaveh gny pazaka, vo reo lelahin'i Joda aby dra reo ponin'i Jerosalema, vo reo pisoro, reo Levita, dra gny vahoaky aby, hatramigny kely. Dra nivakiny tamin'ereo gny zaka aby bokinigny Fagneke ze hita tao atragnon'i Yaveh. 31 Nisanga teo amigny fitoerany gny pazaka dra nanao fagneke teo agnatrehan'i Yaveh, fa hagnaraky an'i Yaveh, dra reo lalany, amigny fony aby vo gny fagnahiny aby, hakato reo zakanigny fagneke ze voasorasy ao amizay boky zay. 32 Nizaka tamigny olo aby ze hita tao Jerosalema vo Benjamina izy ba hagneky gny fagneke. Tamigny fakatoava gny nanovanigny ponin'i Jerosalema gny fagneken'Agnahary, gny zagnahary gny razamben'ereo. 33 Nalan'i Josia teo amigny tany reo raha fahavetaveta aby ze anigny vahoakin'Israely. Napanopoany an'i Yaveh, Zagnaharin'ereo gny olo aby tagny Israely. Fa tamigny androny aby, dra sy nivily tamigny fagnaraha an'i Yaveh, gny zagnahariny gny razambeny ereo.