Toko faha 36

1 Boak'eo gny olo tao amigny tany nangalaky an'i Joahaza zanadahin'i Josia, dra nanao anazy pazaka teo amigny toeranigny babany tao Jerosalema. 2 Telo amby ropolo tao Joahaza raha nanomboky nazaka, dra nazaka telo vola tao Jerosalema izy. 3 Nalanigny pazakan'i Egypta tao Jerosalema izy, dra gny tany napandoaviny taleta volafosy zato vo taleta volamena raiky. 4 Nataonigny pazakan'i Egypta ho pazaka nanera gny Joda i Eliakima rahalahiny, dra nagnova gny agnarany ho Joiakima. Boak'eo nalany i Joahaza rahalahin'i Eliakima dra nandesiny tagny Egypta. 5 Dimy amby ropolo tao i Joiakima tamin'izy nanomboky nazaka, dra nazaka raiky ambiny folo tao tao Jerosalema izy. Nanao rasy teo amason'i Yaveh zagnahary izy. 6 Boak'eo Nebokadnezara, pazakan'i Babylona, nanafiky anazy vo namehy anazy tamigny ravaky ba hitariha anazy ho agny Babylona. 7 Ninday gny ilany tamireo raha tao atragnon'i Yaveh avo koa Nebokadnezara, dra nametraky reo tany amigny lapany tagny Babylona. 8 Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Joiakima, reo raha mahasiravy ze nataony, vo ze hita nanohisy anazy, dra ingo, voasorasy ao amigny bokinigny tatararan'ireo pazakan'i Joda vo Israely reo. Dra Joiakima, zanadahiny, gny lasa pazaka teo amigny toerany. 9 Valo tao Joiakima tamin'izy nanomboky nazaka; nazaka telo vola vo folo andro tao Jerosalema izy. Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy. 10 Tamigny lohatao, dra nagniraky lelahy i Nebokadnezara dra ninday anazy tagny Babylona, niaraky tamireo raha sarobily boak'ao atragnon'i Yaveh, dra nanao an'i Zedekia, havany, ho pazaka nanera an'i Joda vo Jerosalema. 11 Raiky amby ropolo tao Zedekia tamin'izy nanomboky nazaka; nazaka raiky ambiny folo tao tao Jerosalema izy. 12 Nanao rasy teo amason'i Yaveh Zagnahariny izy. Dra sy nagnetry tegna nanoloa an'i Jeremia paminany, ze nizaka tamigny vavan'i Yaveh izy. 13 Zedekia avo koa dra nikony tamin'i Nebokadnezara, ze napiania anazy sy fivadiha taminazy tamigny alalan'Agnahary. Kanefa zedekia nagneza gny hatony dra nagnamafy gny fony ba sy hitoliky amin'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely. 14 Fagnapin'izay, reo pitariky gny pisoro vo gny vahoaky dra sy nahatoky tateraky, dra nagnaraky gny fomba mahasiravin'ireo firenena ereo. Niloton'ereo gny tragnon'i Yaveh ze nihamasigniny tagny Jerosalema. 15 Yaveh, gny Zagnahariny gny razamben'ereo, dra nandefa zaka avo tamin'ereo tamigny lalan'ireo pinday hafany, akory nana fangoraha-po tamigny vahoakiny vo tamigny toera nipetrahany Izy. 16 Kanefa naneso reo pinday hafas'Agnahary ereo, nanao sinosino gny zakany, dra nanirasira reo paminany, mandra-piharanigny fahatezeran'i Yaveh tamigny vahoakiny, ambara-paha sy nisy fagnapia ho anizay sasy. 17 Noho izay dra nandesin'Agnahary teo amin'ereo gny pazakan'ireo Kaldeana, ze namono gny zatovolahin'ereo tamigny sabasy tagny amigny tragno fiteora masy, dra sy nana fangoraha-po tamireo zatovolahy na reo viriziny, na gny olo atisy na gny fosy volo. natolos'Agnahary teo atanany avokoa izy aby. 18 Reo fanaky aby tao an-tragnon'Agnahary, na lahibe na masaiky, reo harena tao atragnon'i Yaveh, vo reo harenigny pazaka vo reo manam-boninahiny__nandesiny tagny Babylona reo aby reo. 19 Noroan'ereo gny tragnon'Agnahary, naroda gny mandan'i Jerosalema, noroa gny lapany aby, dra nipotehy reo raha soa tarehy aby tao amizay. 20 Nandersinigny pazaka tagny Babylona reo ze sy trasinigny sabasy. Lasa panopony vo an'ireo zanadahiny ereo mandra-pazakanigny fazakan'i Persia. 21 Nitranga izay ba hahatateraky gny zakan'i Yaveh tamigny vavan'i Jeremia, mandra-pakafizanigny tany gny fisaharany amigny Sabasy. Nagnara-maso gny sabatany ereo raha rava vo holo zay, ba hiay fito-polo tao manahaky anizay. 22 Dra tamigny tao volohany nazakan'i Kyrosy, pazakan'i Persia, ba hahatateraky gny zakan'i Yaveh tamigny vavan'i Jeremia, dra nandrisiky gny fagnahin'i Kyrosy, pazakan'i Persia i Yaveh, ba hanovany fagnambara manera gny fazakany aby, dra hanorasy anizay avo koa. Hoy izy ho: 23 "Izao gny ambaran'i Kyrosy, pazakan'i Persia: Yaveh, gny Zagnahariny gny lagnisy, gny nagnome anahy gny fazakanigny tany aby. Nandidy anahy izy ba hananga tragnoho anazy agny Jerosalema, ze agny Joda. Na iza na iza eo amindrareo avy amigny vahoakiny aby, dra homba andrareo anie Yaveh zagnaharindrareo. Aoky izy hiakasy agny amigny tany."