Toko faha 9

1 Ka dra voasorasy tao amin'ereo tetiara gny Israely aby, Dra voasorasy tao amy bokin'ereo mpazakan'Israely izy reo . Raha gny amin'i Joda, dra nalefa sesitany tagny Babylona izy reo noho gny fahotany. 2 Gny mony volohany tagny amy tanan'ereo dra gny sasany tamin'ereo Israelita, reo mpisoro, reo Levita, dra reo mpanompony tempony. 3 GNy sasany tamin'ereo taranak'i Joda, Benjamina, Efraima, dra Manase dra nitoesy tagny Jerosalema. 4 Reo mpagnorim-ponena dra nahita an'i Otahy zanadahin'i Amihida zanadahin'i Omry zanadahin'Imry zandahin'i Bany, raiky amin'ereo taranak'i Fareza zanadahin'i Joda. 5 Teo amin'ereo zanadahiny. 6 Teo amin'ereo taranak'i Zera dra i Jeoela. Gny taranak'ereo dra niisa 690. 7 Teo amin'ereo taranak'i Benjamina dra i Salo zanadahin'i Mesolama zanadahin'i Hodavia zanadahin'i Hasenoa. 8 Teo avo koa Jibnia zanadahin'i Jerohama;Elaha zanadahin'i Ozy zanadahin'i Mikry, dra Mesolama zanadahin'i Sefatia zanadahin'i Regoela zanadahin'i Jibnia. 9 Reo havan'ereo zay voasorasy tao amy lisita gny tetihara dra niisa 956. Reo lelahy aby reo gny mpitariky tamy fokony razamben'ereo. 10 Reo mpisoro dra i Jedaia, Joiariba, dra Jatina. 11 Teo avo koa i Azaria zanadahin'i Hilkia zanadahin'i Mesolama zanadahin'i Zadoka zanadahin'i Meraiota zanadahin'i Ahitoba, gny raiky ze misaha gny tragnon'Agnahary. 12 Teo i Adaia zanadahin'i Jerohama zanadahin'i Pasora zanadahin'i Malkia. Teo avo koa i Masay zanadahin'i Adieloa zanadahin'i Jazera zanadahin'i Mesolama zanadahin'i Mesilemita zanadahin'Imera. 13 Reo havan'ereo ,zay mpitariky tao amy fokon-drazamben'ereo dra niisa 1, 760. Tena lelahy nahay tamy asany tragnon'Agnahary izy reo. 14 Teo amin'ireo Levita, dra nisy an'i Semaia zanaky lahin'i Asoba zanaky lahin'i Azrikama zanaky lahin'i Asabia, teo amin'ireo taranak'i Merary. 15 Dra teo avo koa i Bakbakara, Haresy, Galala, dra Matania zanaky lahin'i Mika zanaky lahin'i Zikry zanaky lahin'iAsafa. 16 Teo avo koa Obadia zanaky lahin'i Semaia zanaky lahin'i Galala zanaky lahin'i Jedotona; dra Berekia zanaky lahin'i Asa zanaky lahin'i Elkana, izay nitoboky tagny amigny vohis'ireo Netotatita. 17 Reo mpiamby vatrangara dra Saloma, akoba, Talmona, Ahimana, dra reo taranakin'ereo.Saloma gny mpitariky anazy reo. 18 Tagny aloha dra nisanga niamby gny vabahadiny mpazaka tagny amy sisiny asignana ho agny tobin'ereo taranak'i Levy izy reo. 19 Saloma zanadahin'i Kore zanadahin'i Kora, vo reo havany avy amy ankohonan-drany, reo Koraita, gny nisaha gny amy asa fanompoa, niamby gny vatrangarangy tragno lay ozy rer, araky gny fa niambenan'ereo razamben'ereo gny tbin'i Yaveh , dra fa niamby gny filira avo koa izy reo. 20 Finehasa zanadahin'i Eleazara dra fa nisaha anazy reo taloha, dra nomba anazy Yaveh. 21 Zakaria zanadahin'i Meselimia dra mpiamby gny filitra amy tempoly, gny ''tragno lay fihaogna.'' 22 Niisa 212 reo aby ze voafily ho mpiamby gny fefy eo amy filira. Gny agnaran'ereo dra voahaza tao amy dorin'agnaran'ereo vahoaky tao an-tanan'ereo. Davida vo Samoela mpahita dra fa nametraky anazy reo tamy fitokisa. 23 Ka izy reo vo gny zanakin'ereo gny niamby reo fefy gny tragnon'i Yaveh, gny tabernakely. 24 Reo mpiamby fefy dra napetraky tagny amin'ereo sisiny efasy aby, magnany asignana ,. andrefa, avarasym dra asimo. 25 Reio rahalahin'ereo, zay nitoesy tagny amy tanana'ereo, dra nifandimby tao, isan-kafitoa. 26 Fa reo mpitariky efasy gny mpiamby gny fefy, ze Levita, dra nitendreny ba hiamby reo efisy vo reo tragno fagnazam-bokasy tao an-tragnon'Agnahary. 27 Nandany gny hariva teo amy toera magnodidy gny tragnon'Agnahary aby izy reo, satria tompon'andraikisy amy fiambena anizay. Dra hanokaky anizay isa-maray izy reo. 28 Gnilany tamin'ereo dra nisaha gny fitovany tempoly;nagnisaky reo fanaky izy reo fa gny nampiliriny vo naboany reo. 29 Maro tamin'ereo avo kioa gny voatendry hikarakara reo raha masy , gny fitova , vo reo vasy, agnisan'izay gny koba sao lisa, gny divay, gny dililo, vo litin-kazo mamerovero, dra reo raha-magnisy. 30 Gnilany tamin'ereo zanadahin'i mpisoro dra naharo reo raha-magnisy. 31 Matatia, raiky tamin'ereo Levita, zay lahimatoan'i Saloma Koraita, gny nisaha gny fikarakara gny mofo ho amin'ereo fagnatisy. 32 Gnilany tamy rahalahin'ereo, taranaky gny Kehatita, gny nisaha gny mofony fanatreha, ba hikarakara anizay isakiny Sabata. 33 Reo mpihira vo reo mpitariky gny fianakaviany Levita dra nitoesy tao amy efitragno masy fa gny sy miasa izy reo , satria sy maisy nagnatateraky reo raharaha nomeny andro vo hariva. 34 Tahoky aby reo mpitariky gny fianakavia teo amin'ereo Levita, zay voaiaky tao amy tahirin-tetiaran'ereo.Nitoesy tagny Jerosalema izy reo. 35 Gny razambeny agny Gibeona, Jeiely, zay atao ho Imaka gny agnaram-baliny, dra nitoesy tagny Gibeona. 36 Abdona gny lahimatoany, laha teo reo zanadahiny Zora, Kisy, Bala, Nera, Nadaba, 37 Gedora, Ahio, Zakaria,dra Miklota. 38 Miklota gny ran'i Simeama.Nitoby tagny marinin'ereo rahalahiny tagny Jerosalema avo koa izy reo. 39 Nera gny ran'i Kisy. Kisy gny ran'i Saoly. Saoly gny ran'i Jonatana, Malkisoa, Abinadaba, dra Esbala. 40 Meribala gny zanadahin'i Jonatana.Dra Meribala gny ran'i Mika. 41 Reo zanadahin'i Mika dra Pitona, Maleka, Terea, dra Ahaza. 42 Ahaza gny ran'i Jara. Jara gny ran'i Alemeta, Azmveta, dra Zimry.Zimry gny ran'i Moza. 43 Moza gny ran'i Binea.Binea gny ran'i Refaia. Refaia gny ran'i Elasa. Elasa gny ran'i Azela. 44 Reo zanadahiny anin'i Azela dra Azrikama, Bokero, Isimaela, Searia, Obadia, dra Hanana.Reo gny zanadahin'i Azela.