Toko faha 8

1 Reo zanadahiny dimy lahin'i Benjamina dra bela lahimatoany, Asbela, Ahara, 2 Noha, dra Raha. 3 Reo zanadahin'i Bela dra Adara, Gera, Abihoda, 4 Abisoa, Namana, Ahoa, 5 Gera, Sefofona, dra Horama 6 Tahoky gny taranak'i Ehoda zay lohany fianakavia gny mponin'i Geba, zay voatery nifindra tagny Manahata: 7 Namana , Ahia, dra Gera, zay nitariky anazy reo tamy fifindran'ereo. Izy gny ran'i Oza vo Ahihoda. 8 Saharaima dra niteraky tagny an-tanin'i Moaba, tafarany nisarahany am-panambaliany tamin'i Hosima vo Bara valiny. 9 Tamin'i Hodesy valiny, gny niterahan'i Saharaima an'i Jobaba, Ziba,Mesa, Malkama. 10 Jeoza, Sakia, dra Mirma.Reo gny zanadahiny, mpitariky tao amy gny fianakaviany. 11 Fa niteraky an'i Abitoba vo Elpala tamin'i Hosima avo koa izy. 12 Gny zanadahin'i Elpala dra Ebera, Misama, vo samera (zay nagnory an'i Ono vo Loda dra gny zana-bohiny magnodidy) 13 Teo avo koa i Beria vo Sema.Lohan'ereo fianakavia nipetraky tagny Aialona, zay nandroaky gny mponin'i Gata izy reo. 14 Tahoky aby gny zanadahin'i Beria:Ahio, Sasaka, Jeremota, 15 Zebadia, Arada, Adera, 16 Mikaela , Jispa, dra Joha. 17 Tahoky aby gny zanadahin'i Elplala:Zebadia, Mesoloma, Hizky, Hebera, 18 Jismeray, Jizlia,dra Jobaba. 19 Tahoky aby gny zanadahin'i Simey:Jakima, Zikry, Zabdy, 20 Elienay, Ziletahy, Eliala, 21 Adaia, Beraia, dra Simrata. 22 Tahoky aby gny zanadahin'i Sasaka:Jispana, Hebera, Eliala, 23 Abdona, Zikry, Hanana, 24 Hanania, Elama, Antotia, 25 Jifdia, dra Penoela. 26 Tahoky gny zanadahin'i Jerohama:Samseray, Seharia, Atalia, 27 Jaresia, Elia, dra Zitry. 28 Reo gny lohany fianakaviany vo mpitariky ze nipetraky tao Jerosalema. 29 Gny razamben'i Gibeona, dra i Jehiela, zay nitokavy ho Imaka gny valiny , dra nipetraky tao Gibeona. 30 Gny lahimatoany dra i Abdona, narahan'i Zora, Kisy, Bala, Nadaba, 31 Gedora, Ahio, dra Zakera. 32 Zanadahin'i Jehiela hafa i Miklota, ze niteraky an'i Simea.Nipetraky tegny mariny havany tegny Jerosalema avo koa izy reo. 33 Nera dra ran'i Kisy. Kisy dra ran'i Saoly. Saoly dra ran'i Jonatana, Malkisoa, Abinadaba, dra Esbala. 34 Meribala dra zanadahin'i Jonatana. Meribala dra ran'i Mika. 35 Gny zanadahin'i Mika dra i Pitona, Maleka, Tarea, dra Ahaza. 36 Ahaza dra ran'i Joada.Joada dra ran'i alemeta, Azmaveta, dra Zimry.Zimry dra ran'i Moza. 37 Moza dra ran'i Binea.Binea dra ran'i Rafa. Rafa dra ran;i Elasa. Elasa dra ran'i Azela. 38 Nana-zanaky enina mirahalahy i Azela:Azrikama, Bokero, Isimaela, Searia, Obadia, dra Hanana. 39 Zanak'i Azela avo koa izy reo. Gny zanadahin;i Eseka, rahalahiny , dra i Olama lahimatoany, Jeosy lahiaivo, dra Elifeleta fahatelo. 40 Lalahy mpialy vo mpanoraky sipiky reo zanadahin'i Olama.Nana zanaky vo zafy maro izy reo, 150 gny fitambarany.Reo aby reo dra agnisany taranak'i Benjamina.