Toko faha 7

1 Reo zanadahin'i Jisakara efasy dra i Tola, Poa, Jasoba dra Simrona. 2 Reo zanadahin'i Tola dra Ozy , Refaia, Jeriela, Jamay, Jibsama dra i Samoela. Izy reo gny lohany ao amy fianakaviany ran'ereo, laha tamy taranak'i Tola dra isy reo dra isan'ereo mpialy lahery tamy andron'ereo. 22,600 gny isan'ereo tamy andron'i Davida. 3 Gny zanak'i Ozy dra i Jizrahia. Reo zandahin'i Mikaela, Obadia, Joela, dra Jisia, iay dimy reo dra mpitariky foko aby. 4 Andian-tafiky enina arivo vo teolo aly hiatriky aly gny niaraky tamin'ereo, araky gny lisita gny fianakaviany razamben'ereo , satria izy reo dra nana valy aman-janaky maro be. 5 Reo rahalahiny, laha tamy fokon'i Jisakara, dra nana lelahy mpialy fito arivo vo valo aly, araky gny lisita gny fianakaviany razamben'ereo. 6 Reo zanak'i Benjamina telo lahy dra i Bela, Bakera, dra Jediaela. 7 Reo zanak'i Bela dimy lahy dra i Ezbona, Ozy, Oziela, Jerimota, dra Iry.Izy reo dra miaramila vo fiandohan'ereo foko.Niisa 22, 034 reo lelahy mpialy, araky gny lista gny fianakaviany razamben'ereo. 8 Reo zanadahin'i Bakera dra i Zemira, Joasy, Eliezera, Elioenay, Omry, Jerimota, Abia, Anatota, dra Alameta.Reo aby reo dra zanadahyny. 9 Gny lisita gny fikin'ereo dra miisa 20, 200 fianakavia mpitariky vo lelahy mpialy. 10 Gny zanadahin'i Jediaela dra i Bilanna.Reo zanadahin'i Bilana dra i Jeosy, Benjamina, Ehoda, Kenana, Zetana, Tarsisy dra i Ahizahara. 11 Reo aby reo gny zanadahin'i Jediaela.Reo voasorasy ao amy lisita gny fokon'ereo dra nisy mpitariky vo lelahy mpialy 17, 200 lany ho amy raharaha miaramila . 12 (Gny zanadahin'Iry dra i Sopima vo Hopima, dra Hosima dra zanadahin'i Ahera.) 13 Gny zanadahin'i Naftaly dra Jaziela, Gony, Jezera, dra Saloma. Reo Zafikelin'i Bila. 14 Nana zanadahy tinoka hoe Asriela i Manase, zay nateraky Syriana vadisindranony.Izy koa dra niteraky an'i Matira, ran'i Gileada. 15 Nangalaky valy laha tamin'i Hopima vo Sopima i Makira.Imaka gny agnarany rapela.Taranak'i Manase hafa koa i Zelofada, zay nana-zanaky ampela toka. 16 Imaka valin'i Makira, dra niteraky zanadahy dra nitokavy ho PAresy. Gny agnarany rahalahiny dra Saresy, dra reo zanadahiny dra i Olama vo Rakema. 17 Gny zanadahin'i Olama dra Bedana.Reo gny taranak'i Gileada zanadahin'i Makira zandahin'i Manase. 18 Hamoleketa anabavin'i Gileada dra niteraky an'Isehoda, Abiezera, dra Mahala. 19 Reo zanadahin'i Semida dra Ahiana, Sekema, Liky dra Aniama. 20 Reo taranak'i Efraima dra tahoky magnaraky tahoky:Gny zanadahin'i Efraima dra i Sotela.Gny zanadahin'i Sotela dra Bareda.Gny zanadahin'i Bareda dra i Tahata. 21 Gny zanadahin'i Tahata dra Elada.Gny zanadahin'i Elada dra Tahata.Gny zanadahin'i Tahata dra Zabada.Gny zanadahin'i Zabada dra Sotela.(Ezera vo Eleda dra novonon'ereo lelahin'i Gata, tompon-tany, fa gny nandeha nangalasy gny biby fitezany izy reo. 22 Nandala ho anazy reo nandrisy gny andro maro i Efraima ran'ereo, dra avy nampahery anazy reo rahalahiny. 23 Nandry niaraky tamy valiny izy: Nibevoka izy dra niteraky zaza lahy.Nitokavan'i Efraima ho Beria izy, satria nisy fahoria avy teo amy fianakaviany. 24 Gny zakapelany dra i Sera, zay nagnoru an'i Beti-horona ambany vo agnabony dra Ozena-sera.) 25 Gny zanadahiny dra i Refa.Gny zanadahin'i Refa dra i Resefa. Gny zanadahin'i Rasefa dra i Tela.Gny zanadahin'i Tela i Tahana. 26 Gny zanadahin'i Tahana dra i Ladana. Gny zanadahin'i Ladana dra i Amihoda.Gny zanadahin'i Ahimoda dra i Elisama. 27 Gny zanadahin'i Elisama dra i Nona. Gny zanadahin'i Nona dra i Josoa. 28 Reo fanagna vo fonenan'ereo dra Betela vo reo zana-bohiny magnodidy anazy.Izy reo dra nihitasy hatragny asignanan'i Narana vo tagny andrefan'i Gazera vo reo zana-bohony, dra tagny Sekema vo reo zana-bohony hatragny Geza vo reo zana-bohiny. 29 Tegny amy sisin-tanin'i Manase gny nisy an'i beti-sana vo reo zana-bohiny, Tanaka vo gny zana-bohiny, Megido vo gny zana-bohiny, dra Dora vo reo zana-bohiny.Tegny amin'ereo tana- lahibe reo gny nipetraky reo taranak'i Josefa zanadahin'Israely. 30 Gny zanadahin'i Asera dra Jimna, Jisva, Jisvy, dra Beria. Sera gny anabavin'ereo. 31 Gny zanadahin'i Beria dra i Hebera vo Malkiela, zay ran'i Birzavita. 32 Reo zanadahin'i Hebera dra i Jafleta, Somera, dra Hotama.Soha gny anabavin'ereo. 33 Reo zanadahin'i Jafleta dra i Pasaka, Bimala, dra Asvata. Reo gny zanak'i Jafleta. 34 Somera, rahalahin'i Jafleta, dra nana anitahoky zanadahy tahoky :Rohaga, Hoba dra Arama. 35 Helema,rahalahin'i Semera, dra nana anitahoky zanadahy tahoky:Zofa, Jimna, Selesy, dra Amala. 36 Reo zanadahin'i Zofa dra i Soha, Harnefera, Soala, Bery, Jimra, 37 Bazera, Hoda, Sama, Silsa, Jitrana,dra Bera. 38 Reo zanadahin'i Jatera dra Jefone, Pispa, dra Ara. 39 Reo zanadahin'i Ola dra Ara, Haniela, dra Rizia. 40 Reo aby reo gny taranak'i Asera. Izy reo gny razambeny fokon'ereo , mpitariky gny fianakavian'ereo, lelahy manan-daza, lelahy mpialy, dra lahibe teo amin'ereo mpitariky. Enina arivo vo ro aly gny isan'ereo lelahy zay lany hanao miaramila, araky gny isa agnatiny lisitan'ereo.