Toko faha 6

1 Reo zanadahin'i Levy dra i Gersona, Kehata, dra i Merary. 2 Reo zanadahin'i Kehata dra i Amrama, Jizara, Hebrona, dra Oziela. 3 Reo zanak'i Amrama dra i Arona, Mosesy dra Miriama.Reo zanadahin'i Arona dra Nadaba, Abiho, Eleazara, dra Itamara. 4 Eleazara niteraky an'i Finehasa, dra Finehasa niteraky an'i Abisisoa. 5 abisoa niteraky an'i Boky, dra Boky niteraky an'i Ozy. 6 Ozy niteraky an'i Zerahia, dra Zerahia niteraky an'i Meraiota. 7 Meraita niteraky an'i Amaria, dra Amaria niteraky an'i Ahitoba. 8 Ahitoba niterka an'i Zadoka, dra Zadoka niteraky an'i Ahimaza. 9 Ahimaza niteraky an'i Azaria, dra Azaria niteraky an'i Johanana. 10 Johanana niteraky an'i Azaria, zay nanompo tao amy tempoly zay namboarin'i Solomona tany Jerosalema. 11 Azaria niteraky an'i Amaria, dra Amaria niteraky an'i Ahitoba. 12 Ahitoba niteraky an'i Zadoka, dra Zadoka niteraky an'i Saloma. 13 Saloma niteraky an'i Hilkia, dra Hilkia niteraky an'i Azaria. 14 Azaria niteraky an'i Seraia, dra Seraia niteraky an'i Jozadaka. 15 Lasa babo i Jozadaka fa gny nataon'i Yaveh sesi-tany tamy gny tanan'i Nebokadnezara i Joda vo Jerosalema. 16 Reo zanadahin'i Levy dra i Gersona, Kehata, dra Merary. 17 Reo zanadahin'i Gersona dra i Libny vo Semey. 18 Reo zanadahin'i Kehata dra i Amrama, Jizara, Hebrona, dra Oziela. 19 Reo zanadahin'i Merary dra i Maly vo Mosy.Lasa fokon'i Levita laha tamin'ereo fianakavian-drany izy reo. 20 Reo taranak'i Gersona dra nanomboky tamin'i Libny zanadahiny. Gny zanadahin'i Libny dra i Jahata.Gny zanadahiny dra i Zima. 21 Gny zanadahiny i Joa. Gny zanadahiny dra i Ido.Gny zanadahiny i Zera.Gny zanadahiny dra i Jeateray. 22 Reo taranak'i Kehata dra nanomboky tamin'i Aminadaba zanadahiny.Gny zanadahiny dra i Kora. Gny zanadahiny dra i Asira. 23 Gny zanadahiny dra i Elkana. Gny zanadahiny dra i Asira. 24 Gny zanadahiny dra i Tahata, Gny zanadahiny dra i Oriela.Gny zanadahiny dra i Ozia. Gny zanadahiny dra i Saoly. 25 Reo zanadahin'i Elkana dra i Amasay, Ahimota, dra Elkana. 26 Gny zanadahin'itio Elkana faharo itio dra i Zofay. Gny zanadahiny dra i Nahata. 27 Gny zanadahiny dra i Eliaba.Gny zanadahiny dra i Jerohama. Gny zanadahiny dra i Elkana. 28 Reo zanadahin'i Samoela, dra i Joela lahimatoa, dra Abia, gny faharo. 29 Gny zanadahin'i Merary dra Maly.Gny zanadahiny dra Libny. Gny zanadahiny dra i Semey. Gny zanadahiny dra dra Oza. 30 Gny zanadahiny dra Simea. Gny zanadahiny dra Hagia.Gny zandahiny dra Asaia. 31 Tahoky aby reo agnaran;ereo lelahy ze nataon'i Davida hiandraikisy gny raha-magneno tao an-tragnon'i Yaveh, tao afarany nizagnany tobily tao. 32 Nanompo tamy fihira nanoloa gny tabernakely, gny tragno gny fihiogna izy reo, mandra-pahavitan'i Solomona gny tragnon'i Yaveh tagny Jerosalema. Nahatateraky gny adidiny nifagnaraky tamin'ereo toromariky ze nomeny anazy reo. 33 Tahoky aby reo zay nanompo niaraky tamin'ereo zanadahiny.Laha tamy fokon'i Kehatita i Hemana mpitendry raha-magneno.Tahoky aby reo razambeny, mihery araky gny fotoa:Hemana gny zanadahin'i Joela. Joela gny zanadahin'i Samoela. 34 Samoela gny zanadahin'elkana.Elkana gny zanadahin'i Jerohama.Jerohama gny zanadahin'i Eliala.Eliala gny zanadahin'i Toa. 35 Tahoky gny zanadahin'i Zofa.Zofa gny zanadahin'i Elkana.Elkana gny zanadahin'Amasay. Amasay gny zanadahin'i Elkana. 36 Elkana gny zanadahin'i Joela.Joeala gny zanadahin'i Azaria.Azaria gny zanadahin'i Zefania. 37 Zefania gny zanadahin'i Tahata.Tahata gny zanadahin'i Asira.Asira gny zanadahin'i Ebiasafa.Ebiasafa gny zanadahin'i Kora. 38 Kora gny zanadahin'i Jizara.Jizara gny zanadahin'i Kehata.Kehata gny zanadahin'i Levy. Levy gny zanadahin'Israely. 39 Asafa gny mpiara-miasa tamin'i Hemana, zay nisanga teo amy tagnany ankavana.Asafa gny zanadahin'i Berekia.Berekia gny zanadahin'i Simea. 40 Simea gny zanadahin'i Mikaela. Mikaela gny zanadahin'i Beseia.Beseia gny zanadahin'i Malkia. 41 Malkia gny zanadahin'i Etny.Etny gny zanadahin'i Zera.Zera gny zanadahin'i Adaia. 42 Adaia gny zandahin'i Etana.Etana gny Zanadahin'i Zima. Zima gny zanadahin'i Simey. 43 Simey gny zanadahin'i Jahata. Jahata gny zanadahin'i Gersona. Gersona gny zanadahin'i Levy. 44 Teo amy tagnany ankavian'i Hemana reo zanadahin'i Merary zay mpiara-miasa taminazy. Agnisan'izay i Etana zanadahin'i Kisy.Kisy dra zandahin'i Abdia.Abdia gny zanadahin'i Hasabia.Hasabia gny zanadahin'i Amazia.Amazia gny zanadahin'i Hilkia. 46 Hilkia gny zanadahin'i Amzy. Amzy gny zanadahin'i Samera. 47 Samera gny zanadahin'i Maly. Maly gny zanadahin'i Mosy. Mosy gny zanadahin'i Merary. Merary gny zanadahin'i Levy. 48 Reo mpiara-miasa amin'ereo, reo Levita, dra voatendry hanao gny asa aby ho agny tabernakely, gny tragnon'Agnahary. 49 Arona vo reo zanadahiny gny nanao gny fagnatisy teo amy alitara ho agny fagnatisy oroa;vo gny fagnatisy teo amy alitarany litin-kazo magnisy ho agny asa aby eo toera masy indrindra. Reo fagnatisy reo gny nanova fagnavota ho an'Israely, araky zay aby nandidin'i Mosesy gny mpanompon'Agnahary. 50 Reo taranak'i Arona dra voahiaky manahaky anizao magnaraky zao:gny zanadahin'i Arona dra Eleazara.Gny zandahin'i Eleazara dra Finehasa. Gny zanadahin'i Finehasa dra Abisoa. 51 Gny zanadahuin'i Abisoa dra Boky. Gny zanadahin'i Boky dra Ozy.Gny zanadahin'i Ozy dra Zerahia. 52 Gny zanadahin'i Zerahia dra Meraiota.Gny zanadahin'i Meraiota dra Amaria.Gny zanadahin'i Amaria dra Ahitoba. 53 Gny zanadahin'i Ahitoba dra Zadoka. Gny zanadahin'i Zadoka dra Ahimaza. 54 Tahoky aby reo toera ze voatondro honenan'ereo taranak'i Arona, zay natao ho an'ereo taranak'i Arona zay aby amy fokon'i Kehatita (gny filoka volohany dra anazy reo). 55 Nomen'ereo anazy reo Hebrona agny amy tanin'i Joda vo reo tany fihinanam-bilony, 56 fa reo sahany tana vo reo vihiny koa dra nomen'ereo an'i Kaleba zanadahin'i Jefone. 57 Ho an'ereo taranak'i Arona dra nomen'ereo:Hebrona ( tana gny fialofana), vo Libna miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, Jatira, Estemoa miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, 58 Hilena miaraky amin'ereo tagny fihinanam-bilony, dra Debira miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony. 59 Nomen'ereo ho an'ereo taranak'i Arona:Asana miaraky amin'ereo tany fihinananm-bilony co Beti-semesy miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony; 60 dra laha tamy fokon'i Benjamina gny nagnomeza anazy reo an'i Geba miaraky amin'ereo tagny fihinanam-bilony , Alemeta miaraky amin'ereo tagny fihinanam-bilony, dra Anotata miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony . Reo tanan'ereo aby dra miisa teo ambiny folo. 61 Ho an'ereo taranak'i Kehata sisany dra nomen'ereo anazy reo tamy filokana reo tana folo avy amy asasaky gny fokon'i Manase. 62 Ho an'ereo taranak'i Gersona amin'ereo fokony isan-karazany dra nomeny ho anazy gny tana telo ambi folo laha tamin'ereo fokon'Isakara, Asera, Naftaly, dra gny asasaky gny fokon'i Manase Basana. 63 Ho an'ereo taranak'i Merary dra nomen'ereo tana ro amby folo, araky reo fokony, laha tamy fokon'i Robena , Gada, dra Zebolona. 64 Dra nomen'ereo olon'Israely ho an'ereo Levita reo tana reo miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony. 65 Notendren'ereo tamy filoka reo renovohisy voazaka teo aloha laha tamy fokon'i Joda, Simeona , dra Benjamina. 66 Ho an'ereo fokon'i Kehatita gnilany dra nomen'ereo tana laha tamy fokon'i Efraima. 67 Nomen'ereo anazy reo:Sekema (Tananigny fialofa )miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony tagny amy tany havoan'i Efraima, Gazera miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, 68 Jokmeama miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, Beti-horona miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, 69 Aialona miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony dra Gata-rimona miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony. 70 Nomen'ereo tapany gny fokon'i Manase an'ereo Kehatita:Amara miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony vo Bileama miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony. Lasa fanagnan'ereo fokon'i Kehatita sisa reo. 71 Ho an'ereo taranak'i Gersona sy ao agnatiny asasaky gny fokion'i Manase, nomen'ereo :Golana agny Basana miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony vo Astarta miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony. 72 Nomen'i fokon'Isakara an'ereo taranak'i Gersona:Kadesy miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, Daberata miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, 73 Ramota miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, dra Anema miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony. 74 Nirambesin'Isakara laha tamin'i fokon'i Asera:Masala miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, Abdona miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, 75 Hokoka miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, dra Rehoba miaraky amin'ereo tany fihinananm-bilony. 76 Nirambesin'ereo laha tamy fokon'i Naftaly:Kadesy agny Galilia miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, Hamona miaraka amin'ereo tany fihinanam-bilony, dra Kiritaimja miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony. 77 Ho anigny sisa amireo Levita, reo taranak'i Merary, dra namenigny fokony Zebolona: Rimono miaraky amireo tany fihinanam-bilony vo Tabara miaraky amireo tany fihinanam-bilony. 78- 79 Dra name honereo avo koa, gny teo apitan'i Jordana agny Jeriko, teo asignananigny ony: Bazera tagny agnefisy miaraky amireo tany fihinanam-bilony, Jaza miaraky amireo tany fihinanam-bilony, Mefata miaraky amireo tany fihinanam-bilony. Reo gny name avy amigny fokon'i Robena. 80 Nirambesin'ereo Levita laha tamy fokon'i Gada:Ramata agny Gileada miaraky amin'ereo tagny fihinanam-bilony, Mahanaima miaraky amin'ereo tagny fihinanam-bilony, 81 Hesbona miaraky amin'ereo tagny fihinanam-bilony, dra Jazera miaraky amin'ereo tagny fihinanam-bilony.