Toko 5

1 Reo zanadahin'i Robena gny lahimatoan'Israely-dra Robena gny Lahimatoan'Israely, Kanefa nomeny an'ereo zanadahin'i Josefa zanadahin'iIsraely gny fizokiany satria nandoto gny fandrian-drany i Robena.Ka dra sy voasorasy ho zanadahiny zokiny indrindra tamin'ereo rahalahiny, dra laha taminazy gny niavian'ereo rahalahiny, dra avy aminazy gny niaviany mpitariky.Kanefa gny fizokia dra an'i Josefa- 3 reo zanadahin'i Robena, gny lahimatoan'Israely dra i Hanoka, Palo, Hezrona, dra Karmy. 4 Tahoky aby gny taranak'i Joela:gny zanadahin'i Joela dra i Semaia. 5 Gny zanadahin'i Semaia dra i Goga.Gny zanadahin'i Goga dra i Simei.Gny zanadahin'i Semei dra i Mika.Gny zanadahin'i Mika drai Reaia.Gny zanadahin'i Reaia dra i Bala. 6 Gny zanadahin'i Bala dra i Bera, gny nalan'i Tiglato-pilesera mpzakan'i Asyria ho Babo.Bera dra mpitariky tao amy fokon'i Robena. 7 Tahoky magnaraky tahoky gny havan'i Bera aby amin'ereo fokony, zay voahiaky ao amy tahiriny tetiaran'ereo:Jeiela gny zokiny aby, Zakaria, vo i 8 Bela zanadahin'i Azaza zanadahin'i Sema zanadahin'i Joela,Nony tagny Aroera, hatragny manomboky eo amy efisy ze mihitasy hatragny amy renirano Efrata izy reo.Zay dra satria nana biby fiteza maro amy tanin'i Gileada izy reo. 10 Tamy andron'i Saoly, dra nanafiky an'ereo Hagrita gny fokon'i Robena dra nandresy anazy reo.Mony tao amy lain'ereo Hagrita nanerany gny tany aby tagny asignanan'i Gileada izy reo. 11 Mony teo marinin'ereo gny mpikamba tao amy fokon'i Gada, teo amy tany Basana hatragny Saleka. 12 Gny mpitaraiky anazy reo dra i Joela, zay lelabeny foko, dra Safama gny lahibeny foko hafa, dra Janay vo Safata tagny basana. 13 Reo havan'ereo , laha tamin'ereo fianakavian-drany, dra i Mikaela, Mesolama, Seba, Joray, Jakana, Zia, dra Ebera-fito gny fitambarany. 14 Reo olo voazaka agnara eo agnabony reo gny taranak'i Abihaila, dra zanadahin'i Hory.Hory dra zanadahin'i Jaroa.Jaroa dra zanadahin'i Gileada, Gileada dra zanadahin'i Mikaela.Mikaela dra zanadahin'i Jesisay.Jesisay dra zanadahin'i Jado.Jado dra zanadahin'i Boza. 15 Ahia zanadahin'i Abdiela zanadahin'i Gony, gny loham-pianakaviany ran'ereo. 16 Mony tao Gileada, tagny Basana, tao amy renivohiny izy reo, dra tao amy tagny fihinanam-bilon'i Sarona aby hatragny amy sisin-tany . 17 Reo aby reo dra voahiaky araky gny tahiry tetiarana tamy andron'i Jotama mpazakan'i Joda vo tamin'i Jeroboama mpazakan'Israely. 18 Reo Robenita, reo Gadita, dra gny asasaky gny fokon'i Manase dra nana miaramila efasy arivo vo efasy aly voahofa ho amy aly, zay nita ampinga vo sabata, dra nagneza gny sipiky. 19 Nanafiky an'ereo Agarita, Jetora, Nafisy , dra nodaba izy reo. 20 Nandramby fagnampia laha tamin'Agnahary izy reo ba hameleza anazy reo.Tamin'izay fomba zay, gny naharesy reo Agarita vo zay aby niaraky tamin'ereo. Zay dra satria nitalaho tamin'Agnahary tany an'aly gny Israelita, dra namaly anazy reo Izy, satria nametraky gny fitokosany taminazy izy reo. 21 Nisamborin'ereo gny biby fitezany, agnisan'izay gny rameva dimy hariva, agn'ondry vo osy 250. 000. boriky ro arivo, dra lelahy 100.000. 22 Satria Zagnahary nialy ho anazy reo, dra nivonon'ereo gny ankamaroan'ereo fahavalo. Mony tao amy taniny izy reo mandra-pahaviny fanababoa. 23 Mony teo amy tany Basana hatragny Bala Hermona vo Senira (Tendrombohisy Hermona zay)gny asasany gny fokon'i Manase. 24 tahoky aby gny mpitariky gny fianakavian'ereo:Efera , Jisy, Eliala, Azriela,Jeremia, Hodavia vo be risi-po, lelahy malaza, mpitariky gny fianakavian'ereo. 25 Kanefa sy nahatoky gny Zagnaharin'ereo razambeny izy reo.Fa koa, nanompo gny Zagnaharin'ereo vahokiny tany, zay fa niravan'Agnahary teo anatrehan'ereo. 26 Gny Zagnaharin'Israely nampirisiky an'i Pola mpazakan'i Asyria, (Nitokavy avo koa ho Tiglato-pilesera, mpazakan'i Asyria).Nalefany sesi-tany reo Robenita, Gadita, dra gny asasny gny fokon'i Manase.Nandesiny tagny Hala, Habora, Hara, dra tagny amy reniranon'i Gozana izy reo, zay hitoeran'ereo mandrak'Androny.