Toko faha 4

1 Reo taranak'i Joda dra Fareza, Hezrona, Kaemy, Hora, dra Sobala. 2 Sobala gny ran'i Reaia.Reaia gny ran'i Jahata.Jahata gny ran'i Ahomay vo Lahada.Reo gny razambeny fokon'ereo Zoraita. 3 Tahoky aby reo razamben'ereo foko tao amy tanan'i Etama:Jezirela, Jisma, dra Jidbasy.Hazelelpony gny agnarany anabavin'ereo. 4 Penoela gny razambeny foko tao amy tanan'i Gedora.Ezera gny fiatombohan'ereo foko tao Hosa.Reo gny taranak'i Hora, gny lahimatoan'i Efrata vo razambeny agny Betlehema. 5 Asora razambeny agny Tekoa dra nana valy ro, Hela vo Nara. 6 Nara niteraky an'i Ahozama, Hafera, Temeny dra Hahastary. Reo gny zandahin'i Nara. 7 Reo zandahin'i Hela dra Zareta, Jizara, Etnana 8 dra Hakoza, zay niteraky an'i anoba vo i Zobeba, vo gny foko laha tamy taranak'i Aharela zanadahin'i Haroma. 9 Jabeza dra voahaza koa noho reo rahalahiny.Jabeza gny nitokava gny reniny anazy .Hoy izy ho:''Satria tamy fatahora gny niterahako anazy.'' 10 Nitoka agny Zagnahary gny Israely i Jabeza dra nizaka ho:''Raha hitahy anahy vatany ianao, dra hizaka gny fari-taniko, dra gny tagnanao homba anahy. Fa gny manao anizay ianao dra hiarao anahy amy rasy , ba ho afaky amy fahatahorako !''Koa dra notaterahin'Agnahary gny fivavany. 11 Keloba rahalahin'i Soha niteraky an'i Mehira, zay ran'i Estona. 12 Estona niteraky an'i Betirafa, Pasea, dra Tehina, zay nagnory gny tanana'i Ir-nahasa. Reo aby reo olo nony tao Reka. 13 Reo zanadahin'i Kenaza dra Otniela vo Seraia.Reo zanadahin'i Otniela dra Hatata vo Meonotahy. 14 Meonotahy niteraky an'i Ofra,dra Seraia niteraky an'i Joaba, gny niatombohany lohasahany mpiasa, zay mpanao asa-tagna gny vahoakiny. 15 Reo zandahin'i Kaleba zanadahin'i Jefone dra Iro, Elaha vo Nama.Gny zanadahin'i Elaha dra Kenaza. 16 Reo zanadahin'i Jehalalila dra i zifa, Zifaha, Tiria dra Asarela. 17 reo zanadahin'i Ezra dra i Jatera, Mareda, Efera dra i Jalona.Gny Egyptiana valin'i Mareda dra niteraky an'i Miriama, samay dra Jisba, zay razameny agny estemoa.Reo gny zanadahin'i Bitia, zanakapelan'i Farao, zay nivalin'i Mareda. 18 Gny Jiosy valin'i Mareda dra niteraky an'i Jareda, zay niteraky an'i Gedora;Hebera, zay niteraky an'i Soko;dra Jakotiela zay niteraky an'i Zanoa. 19 Gny amin'ereo zanaky ro lahy valin'i Hodia, anabavin'i Nahama, gny raiky dra niteraky an'i Keila gny Garmita.Gny hafa dra Estemoa gny Makatita. 20 Reo zanadahin'i Simona dra i Amnona, Rina, Ben-hanana, dra Tilona.Reo zanadahin'i Jisy dra i Zoheta vo Ben-zoheta. 21 Reo taranak'i Sela zanadahin'i Joda dra Era ran'i Leka, Lada ran'i Maresa vo reo fokon'ereo mpanao rongony fosy madiniky tagny Asbea, 22 Jokima, reo vahoakin'i Kozeba, dra Joasy vo sarafa, zay nana fanagna tao Moaba, nefa nihery tagny Betlehema .(Laha tamin'ereo raki-sorasy taloha io fampahafatara io) 23 Gny sasany tamin'ereo olo mpanefy vo tanimanga reo dra nony tao Netaima vo Gadera dra niasa ho agny mpazaka. 24 Reo taranak'i Simeona dra Nemoela, Jamina, Jariba, Zera dra Saoly. 25 Saloma gny zanadahin'i Saoly, Mibsama gny zanadahin'i Mibsama. 26 Reo taranak'i Misma dra i Hamoela zanadahiny, Zakora zafiny, dra Simey zafiafiny. 27 Simey dra nana zanadahy enina ambiny folo dra zanakapela enina.Gny rahalahiny dra sy nana zanaky maro, ka sy nitombo manahaky gny vahoakin'i Joda gny isan'ereo fokony. 28 Nony tao Ber-sheba, Molada, vo tao Hazara-soala izy reo. 29 Nony tao Bila, Ezema vo Tolada, 30 Betoela, Horma vo Ziklaga, 31 Beti-markobota, Hazora-sosima, Beti-biry dra Saraima avo koa izy reo.Reo gny tanan'ereo mandra-pazakan'i Davida. 32 Reo tana dimin'ereo dra Etama, Aina, Rimona, Tokena, dra Asana, 33 niaraky tamin'ereo tana magnodidy hatragny Bala.Reo gny fonenan'ereo. dra izy reo gny nihazo gny tahiriny tetiarana. 34 Reo mpitariky gny foko dra i Mesobaba, Jamleka, Josa zanadahin'i Amazia, 35 Joela, Jeho zanadahin'i Josibia zanadahin'i Seraia zanadahin'i Asiela, 36 Elioenay, Jakoba, Jesohaia, Asaia, Adiela, Jasimiela vo Benaia. 37 dra Ziza zanadahin'i Sify zanadahin'i Alona zanadahin'i Semaia. 38 Reo agnarany voatogno reo gny mpitariky tao amy fokon'ereo, dra nitombo maro reo fokony. 39 Nihamariny'i Gedora izy reo, tagny amy ilany asignanany lohasaha, ba hitalia ahisy ho agny agn'ondry vo osin'ereo. 40 Nahita ahisy maro sady soa izy reo.Nalalaky, nangingina, dra nilamy gny tany.Fa mony tao reo Hamita tagny alohy. 41 Reo voasorasy agnara reo dra avy tamy andron'i Hezekia mpazakan'i Joda, ka nanafiky gny fonenan'i Hamita vo reo Meonita, zay tao avo koa.Naringan'ereo tateraky izy reo dra mony tao satria nahita ahisy ho an'ereo agn'ondry vo osin'ereo. 42 Nisy lelahy dima-zato laha taminy fokon'i Simeona nagnany amy lohambohisy Seira, niaraky tamin'ereo mpitarikin'ereo dra i Peletaia, Nearia, Refaia, dra Oziela zanadahin'i Jisy, 43 Nandresy gny sisa afaky tamy Amalekitya izy reo , ka nonita tao mandrak'androany.