Toko faha 10

1 Dra reo Filistina nialy tamin'Israely. Nipotaky teo anatrehan'i Filistina gny lelahin'Israely aby dra niampasy maty tegny an-tendrombohisy Gilboa. 2 Nagnitriky mariny an'i Saoly vo gny zanadahiny reo Felistiana. Nivonon'ereo Filisitina i Jonatana, Abinadaba, vo Malkisoa, zanadahiny. 3 Navesasy tamin'i Saoly gny aly, dra nahatrasy anazy reo mpadefa sipiky. Tao agnatiny fatahora fatrasy izy noho reo mpandefa sipiky. 4 Dra hoy Saoly tamy mpinday gny fialia ho:''Aboaho gny Lefonao ka trobao amin'izay zaho. Raha sy zay dra ho avy hagnararaosy anahy reo sy voatapaky reo.''Nefa sy nagneky gny mpinday gny filiany, satria natahosy fatrasy izy.Ka dra nalan'i Saoly gny lefony dra lavo teo amin'izay izy. 5 Fa gny hitany mpinday gny fialiany fa maty Saoly, dra lavo tamy lefony manahaky anizay koa izy ka maty. 6 Dra maty Saoly, vo reo zanadahiny telo lahy, ka dra niara-maty reo ankohonany aby. 7 Fa gny hitany lelahin'Israely aby tegny an-dohasaha fa nandososy izy reo, dra maty Saoly vo reo zanadahiny, dra niriosy gny tanany izy reo dra nilomay.Dra avy reo Filistina dra mony teo amin'ereo. 8 Dra gny maray, fa gny nangalaky gny maty reo Filistina, dra nahits an'i Saoly vo reo zanadahiny lavo teo an-tendrombohisy Gilboa. 9 Nitafohin'ereo izy dra nandesiny gny lohany vo gny fialiany.Nagniraky mpinday hafasy nanera an'i Filistina ba hinday reo vaovao teo amin'ereo sampy vo teo amy vahoaky izy reo. 10 Napetrakin'ereo tao an-tempoliny Zagnaharin'ereo gny fialiany, dra nifahen'ereo tao an-tempolin'i Dagona gny lohany. 11 Fa gny nahare anizay aby zay nataon'ereo Filistiana tamin'i Saoly gny vahoakin'i Jabesa-gileada aby, 12 dra nandeha gny lelahy mpialy aby dra nangalaky gny fatin'i Saoly vo gny an'ereo zanadahiny, dra ninday reo tagny amin'i Jabesy.Nalevin'ereo tao ambaningny hazo tarebinta gny tolan'ereo ka nifaly hany hafitoa izy reo. 13 Dra maty Saoly satria sy nahatoky an'i Yaveh izy. Sy nankatoa reo didin'i Yaveh izy,fa nangalaky torohevisy tamy olo zay niresaky tamy maty. 14 Sy nialy torolala tamin'i Yaveh izy, ka dra nivonon'i Yaveh dra nafindrany tamin'i Davida zanadahin'i Jese gny fazakany.