Toko faha 11

1 Dra avy tagny amin'i Davida tao Hebreo gny Israely aby dra nizaka ho:''Ingo , nofonao vo tolanao zahay. 2 Vo sy ela ra, raha nazaka teo aminay Saoly, dra ianao gny nitariky gny tafily Israelita. Yaveh Zagnaharinao nizaka taminao ho:'Ho mpialy an'Israely vahoakiko ianao, dra ianao gny ho avy mpanapaky eo amin'Israely vahoakiko.''' 3 Noho zay dra avy tagny amy mpazakan'Israely tao Hebreo reo loholon'Israely aby, dra Davida nanao faneke tamin'ereo teo anoloan'i Yaveh. Nanososy an'i Davida ho mpazakan'Israely izy reo. 4 Nandeha tagny Jerosalema i Davida vo gny Israely aby (zay dra, Jebosa).Dra reo Jebosita, mpony tao amy tany , gny teo. 5 Hoy reo mpony tao Jebosa tamin'i Davida ho:''Sy ho avy eto ianao.''Fa Davida nangalaky gny fiarova fatrasin'i Ziona, zay, gny tanan'i Davida. 6 Hoy Davida ho:''Na izy na iza manafiky reo Jebosita volohany dra ho avy mpifehy.''Koa Joaba zanadahin'i Zeroia gny nanafiky volohany, dra natao ho mpifehy izy. 7 Dra nanomboky mony tao amy fiarova fatrasy i Davida.Ka dra nitokavin'ereo ho Tanan'i Davida zay. 8 Nagnamafy gny tana magnodidy izy nanomboky tagny Milo hatragny amy rindry magnodidy. Namafisin'i Joaba gny sisa ambiny tamy tana. 9 Avy lahibe dra lahibe i Davida satria nomba anazy Yaveh tompony maro. 10 Tahoky aby reo mpitariky nanagnan'i Davida, zay nampiseho gny vatan'ereo ho natazaky niaraky taminazy reo amy fazakany, niaraky tamin'ereo Israely aby, ba hanao anazy ho mpazaka , nankato gny zakan'i Yaveh mahakasiky an'Israely. 11 Itio gny lisitan'ereo miaramila sangan'i Davida:Jasobeama, gny zanadahin'i Hakmony, gny mpifehy gny telo-polo. Namono telo-zato lahy tamy lefony tagnatin'aly raiky izy. 12 Gny nagnaraky anazy dra i Eleazara zanadahin'i Dodo, gny Ahohita, zay raiky tamin'ereo telo lahy mahery. 13 Niaraky tamin'i Davida izy tao Efesa-damina, dra tany reo Filistiana gny nitambasy ho amy aly, zay nisy gny tanim-bary hordea vo reo tafiky nilomay laha tagny Filistina. 14 Nisanga teo agnevony tanimboly izy reo. Niaro anizay izy reo dra nandringa reo Filistiana dra Yaveh nagnavosy anazy reo tamy fandrese lahibe. 15 Laha teo telo tamin'ereo telo=polo mpitariky gny nizoso ho agny amy vatolampy tagny amin'i Davida, tao amy zohon'i Adolama. Gny tafikin'ereo Filistiana dra nitoby tao amu Lohasahan'i Refaita. 16 Tamin'izay lera zay Davida dra tao amy fiarova mafiny, zohy raiky, raha nitoby tao Betlehema reo Filistina. 17 Nagniry rano Davida ka nanao ho:''Raha ba misy olo magnome rano anahy ho nomiko laha tao amy lava-drano ao Betlehema, gny lava-drano zay mariny fefy!'' 18 Koa dra namakivaky teo amy tafikin'ereo Filistina reo lelahy mahery telo dra nanovo rano laha tao amy lava-dranon'i Betlehema , gny lava-drano teo amy fefy. Dra nangalaky gny rano izy reo ka ninday anizay ho agny amin'i Davida, saiky nanda gny hino anizay izy.Fa koa, nararany ho an'i Yaveh zay. 19 Dra hoy izy ho:''Sagnatria aminahy gny hino anizay, ry Yaveh.Tokony hino gny lion'ereo lelahy zay nanao vy levo gny ain'ereose zaho?''Satria nanao vy levo gny ainy izy reo, nanda gny hino anizay izy.Zay gny raha natoan'ereo lelahy mahery telo. 20 Abisay rahalahin'i Joaba, gny kapiteny teo amin'izay telo zay.Dra nampiasa gny lefony draiky mandeha izy teo amy olo telo-zato dra namono anazy reo. Nalaza niaraky tamin'ereo Telo izy. 21 Tamin'ereo Telo, dra izy gny nomrm-boninahisy abo ro heny dra lasa kapiten'ereo . Na dra sy agnisan'ereo avo izy. 22 Benaia zanadahin'i Joiada dra lelahy natazaky zay nanao asa lahibe. Izy gny namono reo ro lahy zanak'i Ariela laha tgny Moaba. 23 Nilisy tao amy lavaky avo koa izy dra namono liona raha nilasaky gny oram-pagnala. Namono Egyptiana raiky avo izy, lelahy dimy hakiho gny halavany. Gny Rgyptiana nana lefo manahaky gny andriny mpagneno, nefa tehy avo gny nandesiny teo an-tanany Egyptiana izy dra namono anazy tamy lefony avo. 24 Benaia zanadahin'i Joiada gny nanao reo asa lahibe reo, dra nalaza manahaky reo telo lahy mahery izy. 25 Tamy ankamaroany dra izy gny be voninahisy mihoasy noho reo miaramila telo-polo. Nefa sy nanam-boninahisy firy izy mihoasy reo miaramila telo lahy tena sangany. Nefa napetrak'i Davida hiandraikisy gny fiambena anazy manoka izy. 26 Reo lelahy mahery dra Asahela rahalahin'i Joaba, Elanana zanak'i Dodo laha tagny Betlehema, 27 Samota gny Harorita , Haleza gny Pelonita, 28 Ira zanadahin'Ikesy gny Tekoita, Abiezera gny Anatotita, 29 Sibekay gny Hosatita, Ely gny Ahohita, 30 Maharay gny Netofatita, Heleda zanadahin'i Bana gny Netofatita, 31 Itahy zanadahin'i Ribay laha tao Gibeany taranak'i Benjamina, Benaia gny Piratnita, 32 Horay agny amy lohasahan-driak'i Gasy, Abiela gny Arbatita, 33 Azmaveta gny Baharomita, Eliaba gny Salbonita, 34 Reo zanadahin'i Hasema gny Gizonita, Jonatana zanadahin'i Sagr gny Hararita, 35 Ahiama zanadahin'i Sakara gny Hararita , Elifala zanadahin'i Ora, 36 Hefera gny Mekeratita, Ahia gny Pelonita, 37 Hezro gny Karmelita, Naray zanadahin'i Ezbay, 38 Joela rahalahin'i Natana, Mibara zanadahin'i Hagry, 39 Zeleta gny Amonita, Naharay gny Berotita (gny mpinday gny fiarovan'i Joaba zanadahin'i Zeroia), 40 Ira gny Jitrita, Gareba gny Jitrita, 41 Oria gny Hetita, Zabada zanadahin'i Ahelay, 42 Adina zanadahin'i Siza gny Robenita (lahibeny Robenita)dra telopolo lahy nmiaraky taminazy, 43 Hanana zanadahin'iMaka, vo Josafata gny Mitnita, 44 Ozia gny Astartita , Sama vo Jeiela zanadahin'i Hotama gny Aroerita, 45 Jediaela zanadahin'i Simry, JOha(gny Tizita rahalahiny ), 46 Eliala gny Mahavita, Jeribay vo Josavia zanadahin'i Elnama, Jitma gny Moabita, 47 Eliala, Obeda, dra Jasiela gny Mezobaita.