Toko faha 12

1 Tahoky aby reo lelahy ze avy tagny amin'i davida tao Ziklaga, raha bo voaroaky tamy fanatrehan'i saoly zanadahin'i Kisy izy.Isan'ereo miaramila nereo, mpagnampy anazy agn'aly. 2 Nirongo sipiky nereo dra afaky nampiasa gny tagnany ankavana vo ankavia tamy asamo-taly vo tamy fitifira amy sipiky.Benjamita nereo, mpiray foko tamin'i Saoly. 3 Ahiezera gny lahibe, laha teo Joasy,samy zanadahin'i Sema gny Gibeatita nereo. Nahita an'i Jeziela vo Peleta, zanadahin'i Azmaveta. Nahita avo koa an'i Beraka, Jeho gny Anototita, 4 Jismaia gny Gibeonita, agnisan'ereo miaramila tepolo (dra mpifehy reo telopol);Jozababa gny Gaderatita, 5 Elozay, Jerimota, Bealia, Semaria, Sefatia gny Harofita, 6 reo Koraita Elkana, Jisia, Azarela, Joezera, Jasobeama, dra 7 Joela vo Zebadia, zanadahin'i Jehoroma laha tagny Gedora. 8 Nisy Gadita gnilany nagnato an'i Davida tao amy fiarova fatrasy tagny an'efisy. Lelahy mpialy nereo, lelahy voahofa ho amy aly, zay afaky mivimby ampinga vo lefo;gny tavan'ereo dra masiaky manahaky gny tarehiny liona.Malaky fandeha manahaky gny gazela egny antendrombohisy nereo. 9 Nisy an'i Ezera gny mpitariky, Obadia gny faharo, eliaba gny Fahatelo, 10 Mismana gny fahefasy, Jeremia gny Fahadimy, 11 Atahy gny faheny, Eliala gny fahafito, 12 Johanana gny fahavalo, Elizabada gny fahasivy, 13 Jeremia gny fahafolo, Makbanay gny fahiraiky amby folo. 14 Reo zanadahin'i Gada reo gny mpitari-tafiky. Gny ambany indrindra nitariky an-jatony, dra gny angnabony be nitariky agn'arivony. 15 Nisaky an'i Jordana ereo tamy vola volohany, fa gny nandropasy gny morony zay, ka nandroaky gny raha-manan'ay aby tamin'ereo lohasaha, na gny magnany asignana na gny magnany andrefa. 16 Gnilany tamin'ereo lelahin'i Benjamina vo Joda dra avy tao amy fiarova tao amin'i Davida. 17 Niboaky ba hitsena anazy reo Davida dra nizaka tamin'ereo ho:''Raha avy amim-pilamina atiho aminahy ba hagnampy anahy iandrareo, dra afaky magnato anahy.Fa raha avy ba hamaliky anahy amy fahavaloko, dra ao se gny Zagnahary gny razambesika hagnety ka hamaly andrareo. satria sy nanao rasy zaho.''' 18 Laha teo gny Fagnahy avy tao amin'i Amasay, zay mpitariky gny telopolo. Hoy Amasay ho:''zahay dra anao, ry Davida. Zahay dra miandany aminao, ry zanadahin'i Jese. Fiadana, fiadana se ho amin'izay magnampy anao. Fiadana se ho amin'ereo mpagnampinao, satria gny Zagnaharinao dra magnampy anao.''Dra nandramby anazy reo Davida dra nanao anazy reo ho mpifehy gny lelahiny. 19 Gnilany laha tamin'i Manase avo koa dra niala ba hagnato an'i Davida raha niaraky tamin'ereo Filistina ba hialy amin'i saoly izy. Nefa sy nagnampy reo Filistina ereo, satria nifampidiniky reo tompon'i Filistina ka nampandeha an'i Davida. Hoy ereo ho:''Hiala ho agny amin'i Saoly tompony izy ka hampidi-doza gny fiagnasika.'' 20 Fa gny angnany Ziklaga izy, gny lelahin'i Manase zay nagnato anazy dra i Adna, Jozabada, Jediaela, Mikaela, Jozabada, Eliho, Ziletahy, Kapiteny arivon'i Manase. 21 Nagnampy an'i Davida nialy tamin'ereo an-tokony mpagnety anereo, satria lelahy mpialy ereo. Tatiho afara dra lasa mpifehy teo amy tafiky ereo. 22 Isan'andro, dra avy tagny amin'i Davida reo lelahy ba hagnampy anazy, mandra-pisiany tafiky lahibe, manahaky gny tafik'Agnahary. 23 Itiho gny tahirin-tataran'ereo miaramila nitam-pialia ho amy aly , zay avy tagny amin'i Davida tao Hebrona, Ba hagnody gny fazakan'i Saoly ho anazy, zay nagnatateraky gny zakan'i Yaveh. 24 Tamin'i Joda dra 6. 800 reo mpita ampinga vo lefo gny voaoma hialy. 25 Nisy lelahy mpialy 7. 100 laha tamin'ereo Simeonita. 26 Nisy lelahy mpialy 4. 600 laha tamin'ereo Levita. 27 Joiada gny mpitariky gny taranak'i Arona, dra 3. 700 gny niaraky taminazy. 28 Mpitariky ro amby ro-polo laha tamy fianakavian-drany gny niaraky tamin'i Zadoka, tovolahy, mahery, vo lelahy be herim-po. 29 Laha tamin'i Benjamina, fokon'i Saoly, dra nizy telo arivo.Gny ankamaroan'ereo dra bo nizano ho mpomba an'i Saoly hatramin'izao fotoa zao. 30 Nisy lelahy mpialy 20. 800 laha tamin'ereo Efraimita, lelahy nalaza teo amy fianakaviany razamben'ereo. 31 Laha tamy asasa-pokon'i Manase dra nisy lelahy malaza valo arivo vo ray aly zay avy ba hanao an'i Davida ho mpatazaky. 32 Laha tamin'Isakara, dra nisy lelahy mpitariky ro-zato zay nana fahazavasay tamin'izay fotoa zay dra nahalala anizay sy maisy ataon'Israely.Reo havany aby dra teo ambany fifehezan'ereo. 33 Nisy lelahy mpialy dimy aly laha tamin'i Zebolona, nomany ho amin'aly, niaraky tamy fitovam-pialia aby, dra vono gny hognome sy fivaliha azo antoko. 34 Nisy manamboninahisy arivo laha tamin'i Naftaly, dra lelahy mpita ampinga vo lefo fito arivo vo telo aly niaraky tamin'ereo. 35 Laha tamin'ereo Danita dra nisy lelahy 28. 600 voahoma ho amin'aly. 36 Nisy lelahy efasy aly voahoma ho amin'aly laha tamin'i Asera. 37 Laha tamy an-dafin'i Jordana, laha tamin'ereo Robenita, Gadita, dra gny asasa-pokon'i Manase, dra nisy lelahy 120. 000 zay ninday reo karazam-pitovam-pialia aby ho amin'aly. 38 Reo miaramila aby, vonona ho amin'aly reo, dra avy tagny Hebrona niaraky tamy fikasa raikisy gny amy hanova an'i Davida ho mpazaka manera an'Israely aby.Gny sisa aby tamin'Israely dra nifagneky gny hanao an'i Davida ho mpazaka avo hoa. 39 Niaraky tamin'i Davida tao telo andro nereo, nihina vo nino , satria gny havan'ereo dra fa nampinday vasy ho anazy. 40 Fagnampin'izay, reo zay teo marinin'ereo, hatragny Isakara vo Zebolona dra Naftaly, dra ninday mofo tamy boriky, rameva, amponra, vo agn'omby, dra mofo aviavy, voloboky maiky, divay , menaky, agn'omby, dra agn'ondry, satria nifaly gny Israely.