Toko faha 13

1 Davida dra niresaky tamin'ereo mpifehy gny arivo vo zato, niaraky tamy mpitariky aby. 2 Hoy Davida tamy vondron-tafik'Israely aby ho:''Raha soa amindrareo, dra raha laha tamin'i Yaveh Zagnaharisika zay, dra ao isika handefa mpinday hafasy egny aby egny amin'ereo rahalahisika zay mitoesy agny amin'ereo farisin'Israely aby, dra agny amin'ereo mpisoro vo reo Levita zay ao amin'ereo tanan'ereo.Levita zay ao amin'ereo tanan'ereo.Ao ereo zaka ba hiaraky amisika. 3 Handeha isika hagnery amisika gny tobilin'Agnaharisika, satria sy nitalia gny sitrapony isika tamin'ereo andro gny fazakan'i Saoly.'' 4 Gny vondron-tafiky aby dra nagneky hanao reo raha reo, satria ho mary teo amasaony olo aby reo. 5 Koa nahoron'i Davida hiaraky gny Israely aby, hatragny amin'i Onin'i Sihora agny Egypta ka hatragny Lebo Hamata, ba hinday gny tobilin'Agnahary laha tagny Kariata Jearima. 6 Niakasy nagnany Bala i Davida vo gny Israely aby, zay ho, Kiriata Jearima, zay an'i Joda, ba hinday gny tobilin'Agnahary laha tagny, zay nitokavy tamy agnaran'i Yaveh , dra Yaveh, zay mipetraky eo amy seza fiandriana eo amy Kerobima. 7 Noho zay dra napetrakin'ereo teo agnabony sarety vaovao gny tobolin'Agnahary.Naboakin'ereo laha tao amy tragnon'i Abinada zay.Oza vo Ahio gny ninday gny sarety. 8 Davida vo gny Israely aby dra nankalaza teo anatrehan'Agnahary tamy herin'ereo aby.Niasa niaraky tamy lokamga , ampongatapaky, kipantsona, dra trompetra nereo. 9 Fa gny avy teo amy tany famoloan'i Kidina nereo, dra nanondrosy gny tagnany hihazo agny tobily i Oza, satria nilavo gny agn'omby. 10 Dra nirehisy tamin'i Oza gny hahorian'i Yaveh, dra novonon'i Yaveh izy satria nanondrosy gny tagnany tamy tobily i Oza. Maty teo anatrehan'Agnahary teo izy. 11 Ory Davida satria namely an'i Oza i Yaveh. Nitokavy ho Pereza Oza zay toera zay mandrak'Androany. 12 Natahosy agn'Agnahary i Davida tamin'izay andro zay.Hoy izy ho:''Nanao akory gny fomba hindesako gny tobilin'Agnahary atio aminahy?'' 13 Ka sy nanesiky gny tobily ho agny amy tananan'i Davida i Davida, fa nametraky anizay teo marinigny tragnon'i Obeada Edoma gny Getita. 14 Dra nizano tao amy tokantragnon'i Obeda Edoma nandrisy gny telo vola gny tobilin'Agnahary. Noho anizay dra nitahy gny ankohonany vo zay aby nanagnany i Yaveh.