Toko faha 14

1 Dra Hirama mpazakan'i Tyro nandefa mpinday hafasy tagny amin'i Davida, vo hazo sedera, mpandrafisy, dra mpanao tragno.Nagnory tragno ho anazy nereo. 2 Davida dra nahafatasy fa Yaveh gny fa nametraky anazy ho mpazaka teo amin'Israely, dra gny fazakany dra nasandrasy agnabony noho gny amin'i Israely olony. 3 Tao Jerosalema, dra nangalaky valy maro Davida, dra niteraky zanadahy vo zanakapela maro izy. 4 Tahoky aby gny agnaran'ereo zanaky naterany tagny Jerosalema:Samoa, Sobaba, Natana, Solomona, 5 Jibara, Elisoa, Elipeleta, 6 Noga, Nafega, Jafia, 7 Elisama, Beliada dra Elifeleta. 8 Dra fa gny ren'ereo Filistina fa nohosora ho mpzakan'Israely aby Davida , dra niboaky nitalia anazy izy aby.Nefa ren'i Davida anizay ka niboaky hanohisy anazy reo izy. 9 Dra avy reo Filistina ka nanao fanafiha tegny amy Lohasahany Refaita. 10 Laha teo Davida nangataky fagnampia tamin'Agnahary. Hoy izy ho:''Tokony hiakasy hanafiky reo Filistina se zaho?Hagnome fandrese eo amin'ereo se ianao?''Dra hoy Yaveh taminazy ho:''Tafiho, fa tena hagnome anazy reo ho anao zaho.'' 11 Dra niakasy nagnao Balaperazima ereo, dra tao gny nandreseny anereo.Naneho hevisy izy ho:''Gny tagnako gny namakian'i Yaveh gny fahavaloko hiparitaky manahaky gny tondra-drano.''Ka lasa Bala-perazima gny agnaran'izay toera zay. 12 Nangan'ereo Filistina teo reo zagnahariny, dra nagnome didy Davida fa tokony oroa reo. 13 Dra nanafiky gny lohasaha draiky gny Filistina. 14 Dra nangataky fagnampia tagny amin'Agnahary draiky Davida.Hoy Zagnahary taminazy ho:''Sy tokony hanafiky anazy reo eo anooa ianao, fa koa hipalipalisy ao afaran'ereo dra ho avy eo amin'ereo laha teo amin'ereo hazo balsama. 15 Fa gny renao gny feony lia-be amy fisioky gny sioky laha teo amin'ereo tendrony hazo balsama, dra manafiha amin-kery.Manova anizay satria Zagnahary fa hialoa lalana anao hanafiky gny tafikin'ereo Filitina.'' 16 Ka nataon'i Davida zay nandidian'Agnahary anazy.Nandresy gny tafikin'ereo Filistina tagny Gibeina hatragny Gazera izy. 17 Dra gny lazan'i Davida dra niely teo amy tany aby, dra nahavy gny firenena aby hatahosy anazy Yaveh.