Toko faha 15

1 Dra Davida nagnamboasy tragno ho anazy tao an-tanan'i Davida.Nagnoma toera ho agny tobilin'Agnahary dra nananga lay ho an'izay izy. 2 Dra hoy Davida ho:''Reo Levita avo gny afaky minday gny tobilin'Agnahary, fa izy reo gny voafilin'i Yaveh ba hinday gny tobilin'i Yaveh, vo hanompo anazy mandrakizay.'' 3 Dra nivorian'i Davida tao Jerosalema gny Israely aby, ba hampiakasy gny tobilin'i Yaveh agny amy toera fa nomaniny ho an'izay. 4 Nitognan'i Davida niaraky reo taranak'i arona vo reo Levita. 5 Tamin'ereo taranak'i Kehata, dra nisy an'i Oriela mpitariky vo reo havany, lelahy 120. 6 Tamin'ereo taranak'i Merary, dra nisy an'i Asaia mpitariky vo reo havany, lelahy 220. 7 Tamin'ereo taranak'i Gersona, dra nisy an'i Joela mpitariky vo reo havany, lelahy 130. 8 Tamin'ereo taranak'i Elizafana, dra nisy an'i Semaia mpitariky vo reo havany, lelahy 200. 9 Tamin'ereo taranak'i Hebronam dra nisy an'i Eliala mpitariky vo reo havany, lelahy valopolo. 10 Tamin'ereo taranak'i Oziela, dra nisy an'i Aminadaba mpitariky vo reo havany, lelahy 112. 11 Nitoka an'i Zadoka vo Abiatara mpisoro, dra reo Levita Oriala, Asaia, Joela, Semaia, Eliala, dra Aminadaba i Davida. 12 Hoy izy tamin'ereo ho:''Iandrareo gny lohan'ereo fianakaviany Levita.Hamasino gny vatandrareo, dra iandrareo vo reo rahahindrareo, ba hafahandrareo mampiakasy gny fiaran'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, ho agny amy toera zay fa nomaniko ho an'izay. 13 Sy ninday anizay iandrareo tamy volohany. Zay gny antony namaizan'i Yaveh Zagnaharisika asika, satria sy nitalia anazy na nankato gny lalany isika.'' 14 Noho zay dra nagnamasin-tena reo mpisoro vo reo Levita ba hafahan'ereo mampiakasy gny tobilin'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely. 15 Dra nilazan'ereo Levita reo asoron'ereo tamy bao gny tobilin'Agnahary , araky zay fa nandidian'i Mosesy-magnaraky reo fisipiky nomeny laha tamy zakan'i Yaveh. 16 Niresaky tamin'ereo mpitaroky gny Levita i Davida ba hanendry gny rahalahin'ereo ho mpihasa amin'ereo raha-magneno, valiha ,lokanga vo kipatsona, hanadrasy fatrasy vo am-pifalia gny feon'ereo. 17 Dra nitendren'ereo Levita i Hemana zandahin'i Joela vo gny raiky tamin'ereo rahalahiny, dra i Asafa zanadahin'i Berekia. Nanendry havany laha tamin'ereo taranak'i Merary vo Etana zanadahin'i Kosaia avo koa ereo. 18 Niaraky tamin'ereo koa gny havany mariny manarakaraky anazy reo:Zakaria, Jaziela, Semiramota, Jehiela, Ony, Eliaba, Benaia, Mahaseia, Matitia, Elifeleho, Benaia, Obed-edoma, dra Jeiela, reo mpiamby fefy. 19 Hemana, Asafa, dra Etana mpiatsa dra nitendreny ba hisitiky fatrasy kipatsona varahina. 20 Zakaria, Aziela, Semiramota, Jehiela, Ony, Eliaba, Mahaseia, dra Benaia gny nisitiky reo gitara, tamy Alamota. 21 Matitia, Elifeleho, Makneia, Obed-edoma, Jeiela, dra Azaziz gny nitari-dala tamy harpa tamy Seminita. 22 Kenania, mpitariky reo Levita, Izy gny toniany fihira satria mpampianasy hira izy. 23 Berekia vo Elkana gny mpiamby gny tobily. 24 Sebania, Josafata, Netanela, Amasay, Zakaria, Benaia,dra Eliezera, reo mpisoro, gny nipotaky reo trompetra teo alohany tobilin'Agnahary. Obed-edoma vo Jehia gny mpiamby gny tobily. 25 Dra Davida , reo loholon'Israely, vo reo mpifehy gny agn'arivony dra nandeha nampiakasy gny fiarany faneken'i Yaveh laha tao an-tragnon'i Obed-edoma tamim-pifalia. 26 Dra Zagnahary raha nagnamoy reo Levita zay nitarazo gny tobiliny faneken'i Yaveh , dra nanao soro agn'omby fito vo agn'ondrilhy fito izy reo. 27 Nanao akazo vita tamy rongony fosy madiniky i Davida , manahaky reo Levita zay nitarazo gny tobily, reo mpiasa, dra Kenaia, gny mpitariky gny atsa bamin'ereo mpiatsa. Niakazo efoda rongony fosy i Davida. 28 Ka dra nampiakasy gny tobily fanekan'i Yaveh tamy hiakam-pifalia, vo tamy feon-tandroky, taminigny kipasona, dra tamy valiha vo harpa gny Israely aby. Nefa raha avy tao an-tanan'i Davida gny tobiliny faneken'i Yaveh, dra nitalaky teo am-batrangarakely i Mikala zanakapelan'i Saoly. Nahita an'i Davida mpazaka nisizaky vo nankalaza izy. Laha teo nanao sinosino anazy tao am-pony izy.