Toko faha 16

1 Dra nandesin'ereo nilisy gny fiaran'Agnahary dra napetran'ereo teo agnevonigny lay ze nataon'i Davida ho anizay. Boak'eo nanolosy fagnatisy oroa vo fagnati-pihombona teo agnatrehan'Agnahary ereo. 2 Gny fa vitan'i Davida vo soronigny fagnatisy oroa vo gny fagnati-pihombogna, dra nitahy gny vahoaky tamigny agnaran'i Yaveh izy. 3 Nizarazara mofo, tapa-kena, dra mofo mamy misy voaloboky tamireo Israely aby, na lahy na vavy izy. 4 Nanendry Levita ilailany ba hanopo eo anoloanigny fiaran'i Yaveh i Davida, dra ba hakalaza, hisaosy vo hidera an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely. 5 Reo Levita reo dra Asafa gny pitariky, dra faharo magnaraky anazy i Zakaria, Jeiela, Semiramota, Jehiala, Matita, Eliaba, Abed-Edoma, dra Jeiala. Reo gny nitendry lokanga vo harpa. Asafa reo gny napagneno gny kipaso,ze magneno fatrasy. 6 Benaia vo Jahaziela pisoro gny pisioky sy tapaky gny tropetra, teo anoloanigny fiaranigny fagneken'Agnahary. 7 Dra tamizao andro zay i Davida gny nanendry volohany an'i Asafa vo reo rahalahiny ba hihira io hiranigny fisora an'io Yaveh io. 8 Tolory fisora i Yaveh, tokavo gny agnarany; apahafataro eo amireo firenena gny asany. 9 Mihira anazy, mihira fidera anazy; talilio reo asany mahagaga aby. 10 Mirehareha amigny agnarany; aoky hifaly gny fon'ireo ze mitalia an'i Yaveh. 11 Taliavo Yaveh vo gny heriny; taliavo mandrakariva gny fagnatrehany. 12 Sarovy reo raha mahagaga nataony, reo fahagaga vo reo lalana boak'amigny vavany, 13 ry taranak'Israely panopony, handrareo vahoakin'i Jakoba, ze nifiliny. 14 Izy gny Yaveh, Zagnaharisika. Amigny tany aby reo lalany. 15 Atovy ao asay mandrakariva gny fagnekeny, dra gny zaka ze nandidiany an'ireo taranaky arivo hifandimby. 16 Mahasiaro gny fagneke ze nataony tamin'i Abrahama, vo gny voadiny tamin'Israely izy. 17 Izay gny nihamafisiny tamin'i Jakoba manahaky gnyfagneke mandrakizay. 18 Hoy Izy ho: "Hagnome andrareo gny tanin'i Kanana hozara lovandrareo zaho." 19 Nizaka anizay zaho raza bo keliky anisa handrareo, dra vahiny tao amigny tany. 20 Nandeha tamigny firenena ho amigny ferenena ereo, boak'amigny fazaka raiky magnagny amigny hafa. 21 Sy nisy na iza na iza nangany hapahory anereo; reo pazaka dra nisaziny nohonigny amin'ereo. 22 Hoy Izy ho: "Ka mikasiky an'ireo ze voahososy, dra ka magnisy rasy an'ireo paminaniko." 23 Mihira ho an'i Yaveh, ry tany aby; talilio isan'andro gny famozeny. 24 Talilio eo amireo firenena gny voninahiny, dra eo amireo firenena aby reo gny asany mahagaga. 25 Fa lahibe Yaveh dra tokony ho deray indrindra, dra tokony hatahora agnabon'ireo zagnahary hafa aby Izy. 26 Akory sapy reo zagnahary gny firenena aby, fa Yaveh gny nanao gny lagnisy. 27 Eo amigny fagnatrehany gny famirapirata vo gny voninahisy. Dra eo amigny toerany gny hery vo gny hafalia. 28 Magnomeza an'i Yaveh, ry fokonigny vahoaky, magnomeza voninahisy vo hery an'i Yaveh; 29 ameo an'i Yaveh gny voninahisy mendriky gny agnarany. Mindesa fagnatisy dra mandehana eo agnatrehany. Miakohofa amin'i Yaveh amigny famirapirata masy. 30 Matahora eo agnatrehany, ry tany aby. Izao totolo izao avo koa dra fa naory; sy afaky hozongozongy zay. 31 Aoky ho faly gny lagnisy, dra aoky hiravo gny tany; aoky ereo hizaka eo amireo firenena ho: "Mazaka Yaveh." 32 Aoky hiero gny ranomasy, dra ze mameno anizay dra hihiaky apifalia. Aoky ho ravo reo saka, vo ze eo amireo aby. 33 DRa aoky reo hazo ao agnala hihiaky apifalia eo agnatrehan'i Yaveh, fa ho avy hisara gny tany Izy. 34 Mesora an'i Yaveh, fa soa Izy, akory maharisy mandrakizay gny fagnekeny matony. 35 Boak'eo mizaka ho: "Vozeo zahay, ry zagnahariny gny famozenay. Hangony miaraky izahay dra vozeo amireo firenena hafa, ba ho afaky hanolosy fisora ho anigny agnaranao masy vo voninahisy amigny fidera Anao zahay." 36 Ho dera mandrakizay mandrakizay anie i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely. Hoy gny olon'aby ho: "Amena" dra nidera an'i Yaveh. 37 Noho izay Davida dra nagnenga an'i Asafa vo reo rahalahiny teo agnatrehanigny fiarany gny fagneken'i Yaveh, ba hanopo mandrakariva eo agnatrehanigny fiara, araky ze takenigny asa isan'andro. 38 Agnisanizay i Obed-edoma miaraky amireo havany valo amby enipolo. Obed-Edoma zanadahin'i Jedotona, miaraky amin'i Hosa, gny piamby vavahady. 39 Zadoka gny pisoro vo reo pisoro namany dra teo amigny toera abo tao Gibeona ba hanopo eo anoloanigny tabernakelin'i Yaveh. 40 Hanolosy fagnatisy oroa mandrakariva amigny maraindray vo hariva ho an'i Yaveh eo agnabonigny alitara ho anigny fagnoroa fagnatisy ereo, araky ze voasorasy aby ao amigny lalan'i Yaveh, ze nameny ho didy ho an'Israely. 41 Hemana vo Jedotona dra niaraky tamin'ereo, niaraky tamireo ambiny ze nisafidy tamigny agnarany, ba hanolosy fisora an'i Yaveh, akory maharisy mandrakizay gny fagnekeny matoky. 42 Hemana vo Jedotona gny pendrekisy gny tragnon'ireo ze misioky tropetra, Kipantsona, dra raha-magneno hafa ho anigny hira masy. Reo zanadahin'i Jedotona gny niamby vavahady. 43 Boak'eo gny olon'aby nihery tagny atragnon'ereo, dra Davida nihery ba hitahy gny akohonany.