Toko faha 28

1 Navorin'i Davida reo manam-boninahisy gny Israely aby tao Jerosalema: reo manam-boninahis'ireo foko, reo mana-pahefan'ireo atoko ze nanopo gny pazaka tamigny asan'ereo voalahasy, reo pifehy agnarivony vo pifehy azatony, reo pitata gny vara vo fanagnanigny pazaka vo gny anireo zanadahiny aby, dra reo mana-pahefa vo reo lelahy pialy, agnisa'izay gny mahay indrindra amin'ereo. 2 Dra nisanga i Davida pazaka dra nanao anizahoky ho: "Tenoy zaho, ry rahalahiko vo ry vahoako. Fikasako gny hamboasy tepoly ho anigny fiaranigny fagneken'i Yaveh; fitoera-tombony ho an'Agnaharisika, dra fa nanao fagnomana hagnoregna anizay zaho. 3 Nefa hoy Zagnahary taminahy ho: 'Sy hamboasy tepoly ho anigny agnarako hanao, akory lelahin'aly hanao dra fa nandesa-dio.' 4 Dra Yaveh, gny Zagnaharin'israely, fa nifily anahy tamigny fianakavian-drako aby ho pazaka eo amin'Israely mandrakizay. Fa nifily gny fokon'i Joda ho pitariky Izy. Nifily anahy ho pazaka eo amigny Israely aby teo amigny fokon'i Joda, dra tao amigny akohonan-drako, boak'amigny zanadahin-drako aby Izy. 5 Boak'amireo zanadahiny maro namen'i Yaveh anahy, gny nisafidianany an'i Solomona, zanadahiny, ba hipetraky eo amigny seza fiandrinanigny fazakan'i Yaveh, eo amin'Israely. 6 Hoy Izy taminahy ho: 'Hamboasy gny tragnoko vo reo kiazako i Solomona zanadahiko, akory fa nifily anazy ho zanako Zaho, dra ho rany Zaho. 7 Hametraky gny fazakany mandrakizay zaho, raha mitoby makato reo didiko vo gny lalako, manahaky anao amizao izy. 8 Dra amizao, eo amason'Israely aby, ty fengona ho an'i Yaveh tihoky, vo eo amigny fagnatrehan'Agnaharisika, dra tandremondrareo vo tano reo didin'i Yaveh Zagnaharindrareo aby. Atovy zay ba hanagnandrareo anizay tany soa zay dra hametraky anizay ho lovan'ireo zanandrareo mandimby andrareo mandrakizay. 9 Dra gny aminao, ry Solomona zanako, akatoavo gny Zagnahariny gny ranao, dra manopoa anazy amigny fonao manotolo vo gny fagnahy mazoto. Atovy zay akory Yaveh mitalia gny fo aby dra mahatakasy gny fahazotoanigny eriserisy gny olon'aby. Raha mitalia anizay hanao, dra ho hitanao Izy, nefa raha magnenga Anazy hanao, dra hagnary anao mandrakizay Izy. 10 Fataro fa i Yaveh fa nifily anao ba hamboasy anizay tepoly zay ho fitoerany masy. Matazaky dra atovy zay." 11 Dra namen'i Davida an'i Solomona zanany gny sarinigny tepoly, gny fagnaza gny tepoly, reo tragno fitehiriza, reo efisy farany agnabo, reo efisy agnatiny, dra gny efisy misy gny rakosy fagnavota. 12 Nameny anereo gny rafisy nataony sary ho anireo kiazanigny tragnon'i Yaveh, reo tragno fitehiriza ao atragnon'Agnahary, dra reo fitehiriza-drakisy ho anirei raha ze an'i Yaveh. 13 Name anereo fisipiky ho anireo fizaran'ireo pisoro vo reo Levita, ho anireo andrekisy voatendry ho anigny fanopoa ao amigny tragnon'i Yaveh, dra ho anireo raha aby ho anigny fanopoa ao atragnon'i Yaveh izy. 14 Nameny anazy gny lazanigny fanaky volamena aby ho anigny fanopoa isa-karazany aby dra gny fanaky volafosy aby, ho anigny raha aby ho anigny karaza-panopoa aby. 15 Reo asipiriany reo dra name tamigny laza, agnisanizay gny asipirian'ireo fanova-ziro volamena, gny asipirianigny laza ho anigny fanova ziro aby, ho an'ireo ziro, ho an'ireo fanova-ziro volafosy, dra gny asipiriany ho anigny fapesa manoka gny fanova-ziro aby. 16 Nameny ho an'ireo latabasy gny mofonigny fagnatreha, ho anigny latabasy aby gny lazanigny volamena, dra gny lazanigny volafosy ho an'ireo latabasy volafosy. 17 Nameny ho anireo sotro hihinanan-kena, reo lazanigny volamena sy mifangaro. Nameny gny lazanigny lovia volamena sirairay, dra gny lazanigny lovia volafosy sirairay. 18 Nameny ho anigny alitara fagnoroa liti-kazo magnisy gny lazanigny volamena voalio, dra gny anigny volamena ho anigny sarinigny kerobima ze mamelasy reo elany dra manaro gny fiaranigny fagneken'i Yaveh. 19 Hoy Davida ho: "Fa nataoko asorasy zay aby zay araky gny nanoroan'i Yaveh anahy vo napahazoany anahy momba gny sary." 20 Hoy Davida tamin'i Solomona zanany ho: "Matazaha dra managna heri-po. Atovy gny asa. Ka matahosy na miahiahy, fa Yaveh zagnahary, Zagnahariko, dra momba anao. Sy hamely anao Izy na hagnenga anao mandra-pahavitanigny asa aby ho anigny fanopoa ao amigny tepolin'i Yaveh. 21 Ingo, tahoky reo fizaran'ireo pisoro vo reo Levita ho anigny fanopoan'aby ao atepolin'Agnahary. Hiaraky aminao ereo, miaraky amigny lelahy mana-piniava vo tena mahay avokoa, ba hagnapy anao amigny asa vo hagnatateraky gny fanopoa. Reo manamboninahisy vo gny vahoaky aby dra vonona gny hagnaraky reo baikonao."