Toko faha 27

1 Itahoky gny lisita gny fianakaviamben'ireo pitariky Israelita, ireo pamehy gny arivo gny zato, mbamin'ireo manavoninahisy gny tafiky zay nanopo gny pazaka tamigny fomba samihafa. Gny atoko maramila kiraikiraiky dra nanopo isam-bola nandrisy gny tao. Gny atoko kiraikiraiky dra nisy lelahy efasy arivo vo ro aly avy. 2 Gny lohan'ny atoko tamigny vola volohany dra i Jasobeama zanaky lahin'i Zebdiela. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 3 Isan'ireo taranak'i Fereza izy dra niandrekisy an'ireo manavoninahisy gny tafiky aby nandrsy gny vola volohany. 4 Doda gny lohan'ny atokony tamigny vola faharo, izay avy amigny foko taranak'i Ahoa. Miklota gny teo amigny laharana faharo. nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 5 Gny pamehy gny tafiky tamigny vola fahatelo dra i Benaia zanaky lahin'i joiada, pisoro vo pitariky. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 6 Io gny Benaia zay pitariky reo telo-polo, sady lohan'ireo telo-polo. Tao amigny atokony i Amizabada zanany lahy. 7 Asahela rahalahin'i Joaba gny pamehy tamigny vola fahaefasy. Zebadia zanany lahy gny avy pamehy nandimby anazy. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 8 Samihota gny pamehy tamigny volana fahadimy, zay taranak'i Jizarita. nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 9 Ira zanaky lahin'Isrealy, avy agny Tekoa gny pamehy tamigny vola fahaenina. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 10 Heleza Pelinita, avy ami'reo vahoakin'i Afraima gny pamehy tamigny vola fahafito. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 11 Sibekay ilay Hosatita, avy amigny foko taranak'i Zera gny pamehy tamigny vola fahavalo. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 12 Abiezera ilay Anatotita, avy amigny fokon'i Benjamina gny pamehy tamigny vola fahasivy. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 13 Maharay avy agny amigny tanan'i Netofota, avy amigny foko taranak'i Zera gny pamehy tamigny vola fahafolo. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 14 Benaia avy agny amigny tanan'i piratona, avy amigny fokon'i Efraima gny pamehy tamigny vola fahiraiky ambin'ni folo. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 15 Helday avy ao amigny tanan'i Netofata, avy amigny foko taranak'i Otniela gny pamehy tamigny vola faharo ambin'ny folo. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 16 Itahoky aby reo pitariky gny fokon'Isrealy: Ho an'ny fokon'i Robena, dra Eliezera zanaky lahin'i Zikry gny pitariky. Ho an'ny fokon'i Simeona, dra Sefatia zanaky lahin'i maka gny pitariky. 17 Ho an'ny fokon'i Levy, dra Hasabia zanaky lahin'i Kemoela gny pitariky, dra Zadoka gny nitariky reo taranak'i Arona. 18 Ho an'ny fokon'i Joda, dra Eliho, raiky amin'ireo rahalahin'i Davida gny pitariky. Ho an'ny fokon'Isrealy, dra Omry zanaky lahin'i Mikaela gny pitariky. 19 Ho an'ny fokon'i Zebolona, dra Jismala zanaky lahin'i Obadia gny pitariky. Ho an'ny fokon'i Naftaly, dra Jerimota zanaky lahin'i Azriela gny pitariky. 20 Ho an'ny fokon'i Afraima, dra Hosea zanaky lahin'i Azazia gny pitariky. Ho an'ny asasaky gny fokon'i Manase, dra Joela zanaky lahin'i Pedaia gny pitariky. 21 Ho an'ny asasaky gny fokon'i Manase tao Gileada, dra Ido zanaky lahin'i Zakaria gny pitariky. Ho an'ny fokon'i Benjamina, dra Jasiela zanaky lahin'i Abniera gny pitariky. 22 Ho an'ny fokon'i dana, dra Azarela zanaky lahin'i Jehorama gny pitariky. reo gny pitariky gny fokon'Israely. 23 Sy nagnisa reo ro-polo tao na ambanin'izay i Davida, satria napanatena gny hagnamaro an'Israely manahaky reo vasian'ny lagnisy i Yaveh. 24 Nanomboky nagnisa reo olo i Joaba, saiky sy nahavita. Noho zay dra nilavo teo amin'Israely gny fahavariagna. Sy voasorasy ao amigny Tantaran'i Davida pazaka io tarehimariky io. 25 Azmaveta zanaky lahin'i Adiela gny niandrekisy gny rakisy gny pazaka. Jonatana zanaky lahin'i Ozia gny nisahana gny fagnaza tany asaha, tagny ami'reo tanan-dehibe, vo tagny ami'reo zana-vihisy, dra tagny ami'reo tilikambo voaaro. 26 Ezry zanaky lahin'i Keloba gny nisahana ani'reo tasaha, reo zay niasa gny tany. 27 Simey avy agny Rama gny nisahana reo tani-voloboky, dra Zebdy avy agny Sifama gny nisahana reo voloboky vo gny lakaly fagnaza-divay. 28 Bala-hanana avy agny Gadera gny nisahana reo hazo Oliva vo reo hazon'amotana tagny ami'reo tany lemaky, dra Joasy gny nisahana reo tragno fagnaza-menaky. 29 Sitray avy agny Sarana gny nisahana reo biby fiopy zay nihinam-bilona tagny Sarana, dra Safata zanaky lahin'i Adlay gny nisahana reo biby fiopy zay tagny ami'reo lohasaha. 30 Obila ilay Ismaelita gny nisahana an'ireo rameva, dra Jedda avy agny Meronota gny nisahana an'ireo Boriky vavy. Jaziza Hagarita gny nisahana an'ireo agnondry miaraky amigny Osy. 31 Reo aby reo dra piandrekisy aby avo. 32 Panolosay i Janatana, rahalahin'i Baban'i Davida, satria hendry no sady panora-dalana izy. Jehiela zanaky lahin'i Hakmony gny niahy reo zanaky gny pazaka. 33 Ahitofela gny pagnome say pazaka, dra Hasay avi ami'reo vahoaky Arkita gny pagnome say manokan'ny pazakla. 34 Nalany'i Joiada zanaky lahin'i Benaia, vo Abiatara gny fitobohan'i Ahitofela. Joaba gny pamehy gny tafiky gny pazaka.