Toko faha 26

1 Tahoky aby gny fizaran'ireo piamby vavahady: Boak'amireo Koraita, Meselemia zanadahin'i Kore, taranak'i Asafa. 2 Meselemia dra nanagnanaky lahy: Zakaria gny lahimatoa, Jediaela gny faharo, Zebadia, gny fahatelo, Jatniela gny fahaefasy, 3 Elama gny fahadimy, Johanana gny fahaenina, Elihoenay gny fahafito. 4 Obed-edoma dra nanagnanaky lahy: Semaia gny lahimatoa, Jozabada gny faharo, Joa gny fahatelo, dra Sakara gnyfahaefasy, dra Netanela gny fahadimy, 5 Amiela gny fahaenina, akory nitahin'Agnahary i Obed-edoma. 6 DRa Semaia zanany dra niteraky lelahy ze nanapaky teo amigny fianakavian'ereo; ereo dra lelahy mana faheza-manao maro. 7 Reo zanadahin'i Semaia dra: Otny, Rafaela, Obeda dra Elzabada. Reo havany Eliho vo Semakia dra olo mana faheza-mana maro avo koa. 8 Reo aby reo dra taranak'i Obed-edoma. Ereo vo gny zanadahin'ereo dra reo havany dra olo mahavita manao gny adidiny agny amigny tabernakely fano-poa. Nisy ro amby eni-polo tamin'ereo nifandraiky tamin'i Obed-edoma. 9 Meselemia dra nanagnanaky lahy vo hava, olo mana-paheza, valo ambiny folo gny fitambarany. 10 Hosa, taranak'i Merary, dra nana zanadahiny: Simry gny pitariky (na dre sy lahimatoa aza izy, dra nataonigny rany ho pitariky), 11 Hilkia gny faharo, Tebalia gny fahatelo, dra Zakaria gny fahaefasy. Reo zanadahin'i Hosa vo gny havany mariny aby dra telo ambiny folo gny isany. 12 Reo fizaran'ireo piapy vavahady reo, mifagnaraky amigny pitariky anereo, dra nana andraikisy, manahaky reo havany, ba hanopo ao atragnon'i Yaveh. 13 Niloka ereo, na gny tanora gny atisy, mifagnaraky amigny fianakavian'ereo, ho anigny vavahady. 14 Gny fa nariany ho anigny vavahady asignana gny loka, dra lasaky tao amin'i Selemia zay. Dra nagnary gny loka ho an'i Zakaria zanadahiny ereo, ze panolo-say hendry, dra gny lokany dra niseho ho anigny vavahady avarasy. 15 Gny vavahady asomo dra nitendre ho an'i Obed-edoma, dra gny tragno fitehiriza gny nitendre ho an'ireo zanadahiny. 16 Gny vavahady andrefa gny nitendre ho an'i Sopima vo Hosa miaraky amigny vavahadinigny Saleketa, amigny lalana miakasy. Voapetraky ho anigny isa-pianakavia reo fembena. 17 Tagny asignana dra nisy Levita enina, gny tagny avarasy efasy isan'andro, gny tagny asimo efasy isan'andro, dra lelahy siroro tagny amigny tragno fitehiriza. 18 Tao amigny fisara andrefa dra nisy lahasorasy efasy, efasy tegny amigny lala, dra ro tao amigny fisara. 19 Reo gny fizaran'ireo piapy vavahady. Ereo dra fenonigny taranak'i Kora vo Merary. 20 Eo amigny Levita, Ahia gny nisaha reo harena tao atragnon'Agnahary, vo gny amireo harena tao amireo raha ze an'i Yaveh. 21 Gny taranak'i Ladana, tranaky boak'amin'i Gersona boak'amigny alalany dra ze pitariky gny fianakavian'i Labana gny Gersonita, dra i Jehielita vo reo zanadahiny, 22 Zetama, vo Joela rahalahiny, ze nagnara-maso gny tragno fitehiriza ao atragnon'i Yaveh. 23 Nisy piamby avo koa voasariky tamigny fianakaviamben'i Armama, Jizara, Hebrona, dra Oziela. 24 Seboela zanadahin'i Gersona zanak'i Mosesy, gny pagnara-maso eo amigny tragno fitehiriza. 25 Reo havany boak'amigny fianakakaviamben'i Eliezera dra Rehabia zanadahiny, Jesaia zanadahin'i Rehabia, Jorama zanadahin'i Jesaia, Zikry zanadahin'i Jorama, dra Selomota zanadahin'i Zikry. 26 Selomota vo gny havany dra nisaha gny tragno fitehirizan'aby mita reo raha ze an'i Yaveh, ze natokan'i Davida pazaka, reo pitariky gny fianakavia, gny pifehy gny arivo vo gny pifehy gny zato, dra reo pifehy gny tafiky. 27 Natokan'ereo ze azo babo tamigny aly ho fahafoiza ho anigny tragnon'i Yaveh. 28 Nisaha gny amigny raha aby ze nataon'i Samoela paminany, Saoly zanadahin'i Kisy, Abnera zanadahin'i Nera, dra Joaba zanadahin'i Zeroia ho an'i Yaveh avo koa ereo. Gny raha aby ze voatoka ho an'i Yaveh dra teo ambany fembenan'i Selomota vo reo havany. 29 Gny avy amigny taranak'i Jizara, Kenania vo reo zanadahiny gny nisaha gny raharahan'olo-sotra amin'Israely. Ereo dra manamboninahisy vo pisara. 30 Gny avy amigny taranak'i Hebrona, Hasabia vo reo rahalahiny, dra lelahy mahay 1. 700, gny nisaha gny asan'i Yaveh vo gny asanigny pazaka. Tagny an-dafy andrefan'i Jordana ereo. 31 Boak'amigny taranak'i Hebrona, Jeria gny pitariky tamireo taranany, voaisa tamigny lisitan'ireo fianakaviany. Tamigny tao fahaefa-polo nazakan'i Davida gny nandidian'ereo gny firaketa asorasy dra nihita lelahy mahay tao Jazera agny Gileada teo amin'ereo. 32 Jeria dra nana hava 2. 700, ze loha-pianakavia mahay. Nataon'i Davida piandraikisy teo amireo fokon'i Robena vo Gada, dra gny asasa-pokon'i Manase, amigny raha aby mahakasiky an'Agnahary, vo gny amigny raharahanigny pazaka ereo.