Toko faha 25

1 Davida vo reo pitariky gny asanigny tabernakely dra nisafidy gny asanigny ilany tamireo zanadahin'i Asafa, Hermana, dra Jedotona. Reo lelahy reo dra naminany tamireo harpa, lokanga, dra kipantsona. Tahoky aby gny lisitan'ireo olo ze nanao anizay asa zay: 2 Boak'amireo zanadahin'i Asafa: Zakora, Josefa, Netania, dra Asarela, reo zanadahin'i Asafa, teo ambany fitarihan'i Asafa, ze naminany teo ambany fagnarahamasonigny pazaka. 3 Boak'amireo zanadahin'i Jedotoma: Gedalia, Zery, Jesaia, Simey, Hasabia, dra Matatia, enina gny fitambarany, teo ambany fifehezan'i Jedotoma ran'ereo, ze nitendry gny harpa ba hagnomeza fisora vo hidera an'i Yaveh. 4 Boak'amigny zanadahin'i Hermana: Bokia, Matania, Oziela, Seboela, dra Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty, Romamti-ezera, Josbekasa, Maloty, Hotira, dra Mazaiota. 5 Zanadahin'i Hemana paminan'ny pazaka reo reo aby reo. Zagnahary dra nagnome zanadahy efasy ambiny folo vo zanakapela telo an'i Hemana ba hagnomeza voninahisy anazy. 6 Reo aby reo dra teo ambany fifehezan'ny baban'izy reo. Pitendry zavamagneno tao atragnon'i Yaveh izy reo, mindray ami'reo kipasona vo reo lokanga gny nanopo tao atragnon'i Yaveh izy reo. Asafa, Jedotona, dra Hermana dra teo ambany fagnaraha-mason'ny pazaka. 7 Izy reo vo reo rahalahiny zay manapaheza vo nomany ba hitendry mozika ho an'i Yaveh dra niisa 288. 8 Nanao asapaky ho an'ireo andrekiny izy reo, mitovy, manahaky zay koa ho an'ny tanora vo gny atisy, gny papianasy vo gny pianasy. 9 Gny mahakasiky an'ireo zanaky lahin'i Asafa: Gny asapaky volohany dra azon'ny fianakavian'i Josefa; gny faharo azon'ny fianakavian'i Gedali, olo miisa ro ambin'ny folo; 10 Gny fahatelo azon'i Zakora, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 11 Gny fahaefasy azon'i Jizry, reo zanany lahy vo reo havany; olo ro ambin'ny folo; 12 Gny fahadimy dra azon'i Netania, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 13 Gny fahaenina dra azon'i Bokia, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 14 Gny fahafito azon'i Jesarela, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 15 Gny fahavalo dra azon'i Jesaia, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 16 Gny fahasivy dra azon'i Matania, reo zanany lahy vo reo havany olo miisa ro ambin'ny folo; 17 Gny fahafolo dra azon'i Simey, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 18 Gny faharaiky ambin'ny folo dra azon'i Azarela, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 19 Gny faharo ambin'ny folo dra azon'i Hasabia, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 20 Gny fahatelo ambin'ny folo dra azon'i Sobaela, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 21 Gny fahaefasy ambin'ny folo dra azon'i Matitia, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 22 Gny fahadimy ambin'ny folo dra azon'i Jemerota, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 23 Gny fahaenina ambin'ny folo dra azon'i Hanania, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 24 Gny fahafito ambin'ny folo dra azon'i havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 25 Gny fahavalo ambin'ny folo dra azon'i Hanania, reo zanany lahy vo reo havany olo miisa ro ambin'ny folo; 26 Gny fahasivy ambin'ny folo dra azon'i Maloty, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 27 Gny faharo-polo dra azon'i Eliata, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 28 Gny faharaiky amby ro-polo dra azon'i Horita, reo zanany lahy vo reo havany olo miisa ro ambin'ny folo; 29 Gny faharo amby ro-polo dra azon'i Gidalty, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 30 Gny fahatelo amby ro-polo dra azon'i Mahaziota, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 31 Gny fahaefasy amby ro-polo dra azon'i Romamti-ezera, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo.