Toko faha 24

1 Gny antokon'asa mifotosy amin'ereo tarank'i arona dra tahoky aby:Nadabo, Abiho, Eleazara dra Itamara. 2 nadaba vo Abiho dra maty talohany nahafaty gny ran'ereo . Sy nana-zanaky iereo, koa niasa manahaky gny mpisoro i Eleazara vo Itamara. 3 Davida, niaraky tamin'i zadoka, taranak'i Eleazara, dra Ahimeleka, taranak'Itamara, dra nizara anazy reo ho antokony amy asa maha-mpisoro anazy reo. 4 Teo amin'ereo taranak'i Eleazara dra nisy lelahy mpitariky maro noho gny teo amin'ereo taranak'Itamara, ka nizaran'ereo ho antoko enina ambiny folo reo taranak'i Eleazara. Nanao anziay tamy lohany fianakaviam-be vo tamin'ereo taranak'Itamara ereo. Valo reo fizarana reo raha isay, zay mifandraiky amy fokon'ereo aby. 5 Nisarahin'ereo tamy asapakin'ereo , satria nisy mnam-boninahisy masy vo manam-boninahisin'Agnahary, laha tamin'ereo taranak'i Eleazara reo taranak'Itamara. 6 Semaia zanadahin'i Netanela mpanora-dalana, Levita raiky, dra nanorasy gny agnaran'ereo teo amy fanatrehany mpazaka , reo manam-boninahisy , zadoka mpisoro, Ahimeleka zanadahin'i Abiatara, dra reo mpitariky Levita. Gny foko raiky dra voasariky tamy asapaky laha tamin'ereo taranak'i eleazara, dra gny magnaraky dra ho sariha laha tamin'ereo taranak'Itamara. 7 Gny loka volohany dra nagnany amin'i Joariba, gny faharo an'i Jedaia, 8 gny fahatelo an'i Harima, gny fahefasy an'i Seorima, 9 gny fahadimy an'i Malkia, gny fahenina an'i bMiamina, 10 gny fahafita an'i Hakoza, gny fahavalo an'i Abia, 11 gny fahasivy an'i Jesoa, 12 gny fahafolo an'i Sekania, gny fahiraiky amby folo an'i Eliasiba, gny faharo ambiny folo an'i Jakima, 13 gny fahatelo ambiny folo an'i Hopa, gny fahefasy ambiny folo an'i Jesebaba, 14 gny fahadimy ambiny folo an'i Bilga, gny fahenina ambiny folo an'Imera, 15 gny fahafito ambiny folo an'i Hezira, gny fahavalo ambiny folo an'i Hafizeza, 16 gny fahasivy ambiny folo an'i Petahia, gny faharopolo an'i Jehezekela, 17 gny faharaiky amby ropolo an'i Jakina , gny faharo amby ro-polo an'i Gamola, 18 gny fahatelo amby ro-polo an'i Dalaia, dra gny fahefasy amby ro-polo an'i Mazia, 19 Reo gny laharan'asan'ereo, fa gny avy tao amy tragnon'i Yaveh ereo, magnaraky gny fisipiky nome anazy reo tamy alalan'i Arona razamben'erep, manahaky gny nampianarin'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely anazy. 20 Tahoky gny ambin'ereo Levy:tamin'ereo zanadahin'i Amrama, dra i Sobaela; tamin'ereo zanadahin'i Sobaela. dra i Jedala. 21 Reo zanadahin'i Rehabia:Tamin'ereo zanadahin'i Rehabia, dra i Jisia mpitariky. 22 Tamin'ereo Jizarita, dra i Selomota;tamin'ereo zanadahin'i Selomota, dra i Jahata. 23 Reo zanadahin'i Hebrona:Jeria mpitariky, Amaria gny Faharo, Jahaziela gny fahatelo, dra Jekameana gny fahefasy . 24 Agnisany zanaky gny tarank'i Oziela i Mika. Agnisany taranak'i Mika i samira. 25 Jisia gny rahalahin'i Mika. Agnisany zanadahin'i Jisia i Zakaria. 26 Reo zanadahin'i Merary:Maly vo Mosy. Gny zanadahin'i Jazia, dra i Beno. 27 Reo zanadahin'i Merary: Jazia, Beno, Aohama, Zakora, dra Ibry. 28 Gny zanadahin'i Maly: Eleazara, ze sy nanagnanaky lelahy. 29 Gny zanadahin'i Kisy, gny zanadahin'i Kisy dra: Jeramela. 30 Reo zanadahin'i Mosy: Maly, Edera, dra Jerimota. Reo gny Levita, voaisa araky gny fianakavian'ereo aby. 31 Reo lelahy ze lohanigny isa-pianakavianigny rany aby vo reo faralahiny aby reo, dra samby niloka teo agnatrehan'i Davoda pazaka, vo Zadoka dra Ahimeleka, niaraky tamireo loha-pianakavian'ireo pisoro vo reo Levita. Nanao asapaky manahaky gny nataon'ireo taranak'i Arona ereo.