Toko faha 23

1 Fa gny atisy Davida dra mariny hofara gny andro iaignany, dra nataony mpazaka hanapaky an'Israely i Solomona zanadahiny. 2 Nahorony niaraky reo mpitariky gny Israely aby, niaraky tamin'ereo mpisoro vo reo Levita. 3 Reo Levita telopolo tao gny ho mihoasy gny nisay. Niisa valo arivo vo telo aly ozy reo. 4 ''Amin'ereo, dra efasy arivo vo ro aly gny niandraikisy gny asa tao an-tragnon'i Yaveh, dra enina arivo reo manam-boninahisy vo mpitsara. 5 Efasy arivo gny mpiamby fefy, dra efasy arivo gny mpidera an'i Yaveh miaraky amy fitova ze namboariko ho fagnomeza fidera,''Hoy Davida. 6 Nizarany ho vondro zay mifagnaraky amin'ereo zanadahin'i Levy izy reo:Gersona, Kahata, dra Merary. 7 Laha tamin'ereo foko taranak'i Gersona , gny nisy an'i Ladana vo Simey. 8 Telo gny zanadahin'i Ladana:Jehiela gny mpitariky, Zetama, dra Joela. 9 Telo gny zanadahin'i Simey:Selomota, Haziela, dra Harana. Reo gny mpitariky reo fokon'i Ladana. 10 Efasy gny zanadahin'i Simey:Jahata, Ziza, Jeosy, dra Beria. 11 Jahata gny zokiny indrindra, dra Ziza gny faharo, fa Jeosy vo Beria koa sy ba nana zandahy maro, ka dra natao ho foko raiky mitovy asa ereo. 12 Efasy gny zanadahin'i Kehata:Amrama, Jizara, Hebrona,dra Oziela. 13 Tahoky avy gny zanadahin'i Amrama:Arona vo i Mosesy.Voasafily ho mpanoka reo raha-masy indrindra i Arona, ka izy vo reo taranany gny hanolosy gny litin-kazo magnisy eo anatrehan'i Yaveh, hanompo anazy dra hagnome sandrano amy agnarany mandrakizay. 14 Fa raha gny amin'i Mosesy gny lelahin'Agnahary koa, dra natao ho Levita reo zanadahiny. 15 Reo zanadahin'i Mosesy dra i Gersona vo Eliezara. 16 Gny taranak'i Gersona dra i Seboela gny zokiny indrindra. 17 Gny taranak'i Eliezara dra i Rehabia. Sy nana-zanadahy hafa i Eliezera, Kanefa Rehabia dra nana taranaky maro. 18 Gny zanadahin'i Jizara dra i Selomita gny mpitariky. 19 Gny taranak'i Hebrona dra i Jeria, zokiny insdrindra, Amariagny faharo, Jahaziela gny fahatelo, dra Jekameama gny fahefasy. 20 Reo zanadahin'i Oziela dra i Mika zokiny indrindra, dra Isaih gny faharo. 21 Reo zanadahin'i Merary dra i Maly vo Mosy. Reo zanadahin'i Maly dra i Eleazara vo Kisy. 22 Maty sy ba nitera-dahy i Eleazara. Zanakapelany avo koa gny nanagnany . Reo zanadahin'i Kisy dra nanambaly anazy reo. 23 Reo zanak'i Mosy telo lahy dra i Maly, Edera, dra Jeremota. 24 Reo gny taranak'i Levy araky gny fokon'ereo. Izy reo gny mpitaroky , voaiky dra voahiaky araky gny agnarany foko ze nanao gny fanompoa tao an-tragnon'i Yaveh, manomboky eo amy ropolo tao gny ho miakasy. 25 Fa hoy Davida ho:''Yaveh, Zagnaharin'Israely, dra fa nagnome Fisahara ho agny olony. Nataony ao Jerosalema mandrakizay gny tragnony. 26 Sy hinday gny tabernakely vo reo fitova fampiasa amy fanompoa aby sasy reo Levita.'' 27 Fa tamy alalany zakan'i Davida farany gny nagnisa reo Levita , ropolo tao gny ho miakasy . 28 Gny raharahan'ereo dra magnatriky reo taranak'i Arona amy asa ao an-tragnon'i Yaveh .Izy reo dra mikarakara reo kiaza, reo efitragno, gny fomba fagnaliova reo raha aby ze an'i Yaveh, dra gny asa fanompoa hafa aoa an-tragnpn'Agnahary. 29 Izy reo avo koa gny mikarakara gny mofony fanatreha , gny koba soa lisa ho vary fagnatisy, gny mofo matify sy misy masirasira, fagnatisy voahendy, fagnatisy mifangaro dililo, dra gny famarana gny hamaroa vo habe-draha aby. 30 Nisanga isa-maray avo koa izy reo ba hisaosy vo hidera an'i Yaveh. Nataon'ereo avo koa zay gny hariva 31 dra na ombia na ombia gny magnatisy fagnatisy oroa ho an'i Yaveh, na amy Sabata na amy fankalaza gny voloham-bola vo amy andro fanasa.Gny isa raikisy , zay voatendry didy, dra sy maisy aseho eo anatrehan'i Yaveh mandrakariva. 32 Izy reo gny nisahana gny tragno lay fihaogna, gny toera masy , dra nagnampy reo taranak'i Arona naman'ereo tamy fanpmpoan tao an-tragnon'i Yaveh.