Toko faha 29

1 Hoy Davida pazaka tamigny fiangona aby ho: ''Solomona zanako lahy, zay avo nifilin'i Zagnahary, dra bo tanora vo sy mana traikefa, nefa goava gny asa. Fa gny tepoly dra sy ho an'ny vahoaky fa ho an'i Yaveh Zagnahary. 2 Dra fa nanao zay fara heriko zaho ba hamasia gny tepolin'i Zagnahariko. Hagnome volamena zaho ho an'izay raha vitaina amigny volamena, volafosy ho an'izay rahavitaina amigny volafosy, varahina ho an'izay raha vitaina amigny varahina, vy ho an'izay raha vitaina amigny vy, dra hazo ho an'izay raha vitaina amigny hazo.Hagnome vato beryly avo koa zaho, vato haory, vato ho an'ny asa voarafisy maro loko___karazany vato sarobidy aby___dra marmora fosy maro be. 3 Ingo, nohon'ny fakasitrahako gny ao tragnon'ny Zagnahariko, dra homeko ho an'izay gny volamena vo gny volafosy sarobidy fanagnako. Ataoko izao ho fagnapian'izay aby fa nomeko ho an'ity tepoly masina itihoky: 4 Taleta volamena avy agny Ofira telo arivo, vo taleta volafosy voalio fito arivo, ba hametraha reo rindrn'ireo fagnoregna. 5 Hagnome volamena ho an'ny raha ho vita amigny volamena zaho, vo volafosy ho an'ny raha ho vita amigny volafosy, dra reo raha ho an'ny karazan'asa aby zay ataon'ereo panao asa tagna. Iza avo koa gny tehandray azara ho an'i Yaveh androany dra hanolo-tegna hon'azy?'' 6 Dra ireo fagnatisy asitrapo dra nataon'ireo pitariky gny fianakavian'ny razamben'ereo, reo pitarik'ireo fokon'Israely, reo pifehy reo agnarivony vo azatony, dra reo manamboninahisy eo amigny asanigny pazaka. 7 Nagnome taleta dimy arivo vo dariky volamena raialy, taleta volafosy raialy, taleta volafosy railaly, taleta varahy valo arivo vo raialay, dra taleta vy 100. 000 ho anigny asanigny tragnon'Agnahary ereo. 8 Ireo izay nana vato sarobidy dra nagnome izay tao amigny fitobohan-drakisy gny tragnon'i Yaveh, teo ambany fagnaraha-mason'i Jehiela, taranak'i Gersona. 9 Niravoravo gny vahoaky noho ireo fagnatisy asitrapo ireo, satria nandray azara tamigny fony manotolo ho an'i Yaveh izy ireo. Faly dra faly avo koa i Davida pazaka. 10 Nisaotra an'i Yaveh teo agnatrehan'ny fiangona aby i Davida. Hoy izy ho: ''Ho deraina anie hanao, ry Yaveh, Zagnahariny gny Israely razambenay, mandrakizay doria. 11 Anao, ry Yaveh, gny fahalahibe, gny fahefana, gny voninahisy, gny fandrese, dra gny famirapiratany. Fa izay aby egny amigny lagnisy vo eo agnabon'ny tany dra anao. Anao gny fazakana, ry Yaveh, asandrasy ho pazaka eo amigny zava-drehetra hanao. 12 Gny harena vo gny voninahisy dra samy avy aminoa, dra manapaky amigny olo aby hanao. Eo atagnanao gny fahefa vo gny hery. Hanagnanao gny tazaky vo gny hery ba hahalahibe gny olo vo hagnome tazaky gny olo na iza na iza. 13 Dra akehitriny, ry Zagnaharinay, dra misaotra anao vo midera gny agnaranao be voninahisy izahay. 14 Fa iza moa zaho, dra iza ireo vahoako, gny tokony ho afaky hagnome ireo raha ireo asitrapo? Egny tokoa, gny zavadrehetra dra avy aminao, dra naherinay taminao sotr'izao anao. 15 Fa vahiny vo mpandalo manahaky ireo razambenay aby izahay, eo agnatrehanao. Gny andronay eto atany dra manahaky gny aloky, dra sy misy fanatena gny amigny fizanogna eto atany. 16 Ry Yaveh Zagnaharinay, ireo harena aby ireo izay voahoronay ba hanangana tempoly hagnomeza-voninahisy gny agnaranao masina___dra avy aminao hanao. 17 Fataso avo koa, ry Zagnahariko, fa mandiniky gny fo vo mahakasiky gny fahisia hanao. Gny aminahy, tamigny fahisi-poko gny fa nanolorako asitrapo ireo raha aby ireo, dra akehitriny magnety am-piravoravoana ireo vahoakinao izay magnatriky asitrapo eto manolosy fagnomeza ho anao zaho. 18 Ry Yaveh, ilay Zagnaharidr'i Abrahama, Isaka, dra Israely___razambenay___raketo mandrakizay ao asay aman'eriseris'ireo vahoakao zay. Tariho gny fon'ereo hitoliky aminao 19 Omeo an'i Solomona zanadahiko gny fo feno fagniria hitandry reo didinao, reo lalanigny fagnekenao, dra reo lalanao aby gny amigny fanangana gny lapa ze fa nivesoiko. 20 Hoy Davida tamigny fiangona aby ho: ''Akehitriny misora an'i Yaveh Zagnaharindrareo.'' Gny fiangona aby, nisaotra an'i Yaveh, ilay Zagnahary gny razamben'izy ireo, nagnondriky gny lohany dra nanopo an'i Yaveh dra niakohoky teo alohan'ny pazaka. 21 Gny maraindray, dra nanao soro ho an'i Yaveh vo nanolosy fagnatisy oroa ho anazy izy ireo. Nanolosy agnomby arivo, agnondry lahy arivo, dra zanak'agnondry arivo, nindray tamigny fagnatisy nomy vo soro be dra be an'Israely aby izy ireo. 22 Tamin'izay andro izay, dra nihina vo nino teo agn atrehan'i Yaveh tamigny fakalazana lahibe izy ireo. Nataon'izy ireo pazaka fagnindrony draiky i Solomona, zanak'i Davida, dra nanorasy anazy ho pazaka tamigny alalan'ny fahefan'i Yaveh. Nanorasy an'i Zadoka ho pisoro avo koa izy ireo. 23 DRa Solomona nitoboky teo amigny Seza fiandrianan'i Yaveh ho pazaka handimby an'i Davida babany. Nambininy izy, dra gny Isrealy aby nakato anazy. 24 Ireo pitariky aby, maramila, dra ireo zanaky lahin'i Davida dra nagnome fakatoava an'i Solomona pazaka. 25 Nomen'i Yaveh vononahisy tamim-palehibiazana teo agnatrehan'Israely aby i Solomona dra nameny fahefana lahibe noho izay fa nameny an'ireo pazaka teo alohany tao Israely. 26 Nazaka teo amin'Israely aby i Davida zanaky lahin'i Hese. 27 Pazakan'Isrealy nandrisy gny efa-polo tao i Davida. Nanapaky an'i Hebrona nandrisy gny fito tao dra Jerosalema nandrisy gny telo amby telopolo tao izay. 28 Maty izy gny fa trasy atisy soa, gny niay andro lava, tamigny harena vo vininahisy. Nandimby anazy i Solomona zanany. 29 Voasorasy ao amigny bokin'i Samoela paminany, ao amigny bokin'i Natana paminany, dra ao amigny bokin'i Gada paminany ireo zava-vitan'i Davida pazaka. 30 Voarakisy ireo asan'ny fanapahany, ireo zava-bitany vo ireo zava-niseho izay nahakasiky anazy, Israely, dra ireo fazakan'ny tany hafa aby.