TOKO FAHA 9

1 Mizaka e marigny ao amin'i Kristy iao. Tsy mavandy iao, ary gn'eritreretiko gne vavolombelo miaraka amina ao ame Fagna Masina, 2 fa ho ana da misy alahelo zakabe ary fahoria tsy mizano ato am-poko. 3 Fa afaka nagniry iao fa e tegnako da ho voahonjogny ka hiala an'i Kristy noho gne amindreo rahalako, itoa izay raiky firaza aminahy araky gne nofo. 4 Indreo io da Isiraelita. Indreo da mana fanangana,e voninahitra, e fagnekè, e fagnomeza e lalàgna,e fideran'Andriamanitra, ary io gne fampagnategna. 5 Gn'andreo da e raza izay nevian'i Kristy ho anjary nofo, Izy izay Andriamanitra ambon'ny rehetra.Ho deray mandrikizay Izy. Amena 6 Fa tsy foa izay gne nampagnategnan'Andriamanitra. Fatsy gne raha agnaby avy agny Isiraely gne tena an'Isiraely. 7 Na indreo taranak'i Abrahama agnaby gne tena zanany. Fa "megn'alalan'Isaka gne angianareo gne taranakao." 8 Izany hoe, gne zanaky e nofo da tsy zak'Andriamanitry. Fa gne zanakan'e fampagnategna gne raisy ho taranaky. 9 Fa akoizao gne zakan'e fampagnategna :amizany fotoa izany da ho avy ao, ary agnome zaza lalah i Saraha." 10 Tsy izay avao,fa avy eo koa Rebeka hana gn'anaka ame lelah raiky, Isaka ihabatsika. 11 fa mbola tsy teraka avao io zaza raiky io ary mbola tsy magnano raha ratsy na tsara, mba hitovy ame vinavin'Andriamanitra araky gne fahagnitegne, tsy noho ireo asa, fa noho Izy izay mangaiky 12 nagnambara tame viavy oe:" ny zokiny da hanompo gne zandriny". 13 Izany da mitovy ame vôsoratry oe:" Jakoba tiako, fa Esao halako." 14 Ino ary e gne hozakaitsika? Misy tsy fahamarigna me gne miaraka amin'Andriamanitra? 15 Tsy hisy mihitsy izany. Fa hoy izy tamin'i Mosesy hoe:"hamindra fo amizay tiako hamindra fo iao, ary nalahelo gne tiako alelova Iao. 16 Noho izany, da tsy noho izy mikasa izany, na noho izy izay miazakazaka, fa noho Andriamanitra, izay nagnaboaky gne famindram-po. 17 Fa e soratra masina nagnamboara gne tame farao hoe: "fa noho izany atony izany gne nagnandratako enao, mba hagnamboarako aminao e tazakiko, ary mba hagnambara e agnarako eran-tany. 18 Noho izany, Andriamanitra da mamindra fo ame tiany, ary izay tiany, no hamafisiny fo. 19 Avy eo hizaka aminay enareo hoe:" nagnino mbola maita tsigny avao izy?" Fa ia gne mahatoitra e sitrampony? 20 Mifanoitra amizany, rahalah, ia me enao gne mamaly manohitry gn'Andriamanitra? Izy me efa nomagniny hizaka ame ame mpagnomagny hoe:"nagnino namboarigny mitovy amizao iao." 21 Gne mpanefy vologne me ka tsy mana zo ame tanimanga ka e vongany raiky avao gne gne agnamboara fepetra ame gnandro voatoka, ary fitomboa raiky hafa ame gn'andavanandro? 22 Akory raha gne Andriamanitry, izay tahagnambara e fahavignirany sy hampahafatatry e fahefany,gne niaritry tame fahareta io fipetra e fahavignirany nomagny ho ame fivilavila? 23 Akory raha namboary izany mba hampafatariny e harena voninahitry eo amindreo fipetrahan' e famindram-po,iay efa nomagniny mialoha ho ame voninahitry? 24 Akoinga raha namboriny ho atsika koa izany, izay nangiany avakoa, tsy ho eo ame samy Jiosy avao, fa ho eo ame jentilisa koa? 25 Araka gne nozakainy tamy Hosea koa hoe: "Hangiako hoe oloko izay tsy oloko, ary hoe malalany gne tsy malalany. 26 Aveo da agny amin'izay nizakaha tamindreo hoe: 'tsy oloko enareo,' agny gnangiandreo hoe: "zanak'Andriamanitra velo." 27 Isaia nangaiky mafy gne Isiraely hoe: " raha mitovy ame fasy egny ame ranomasy gne isan'e zanak'Isisaely, da ho vôvonjy izay tavela ambiny, 28 fa gne Tompo hinday gne zakany eto an-tany,feno ary tsy ho ela". 29 Araky gne nozakain'Isaia mialoa hoe:"raha gne tompo tompon'e maro noho ne tsy namela taranaka ho atsika, da ho hitovy an'i Sadoma itsika, ary andea mitovy an'i Gomora." 30 Ino ary gne hozakaitsika? Fa indreo jentilisa, izay tsy nitady gne fahamarigna, gne nahazo e fahamarigna, gne fahamarigna avy tame finoa. 31 Fa Isiraely, izay nitady gne lalan'e fahamarigna, da tsy avy tamin'izany. 32 Nagnino sa? Satria indreo tsy nitadia izany tame finoa, fa tame gn'asa. Niterakafahangina ho andreo zanak'Isiraely izany, 33 araky izay efa vôsoratra hoe: "Iteo, ao Ziona gne ametrako e vaton'e manahira sy vatolampin'e fandikan-dalana. Izay mino an'iza da tsy ho megnatry."