Toko faha 10

1 E rahalahy,gne hiriko sy hangatako ame Zagnahary ho andreo da ireo ho voavonjy. 2 Mitsanga ho vavolombelo-ndreo iaho satria mafana fo ame Zagnahary indreo nefa mbola bado. 3 Tsy mafantatry gne fahamarina gne Zagnahary indreo, ary da magniry ametraky gne famarinandreo mitoka. Izany hoe: ''Tsy ekendreo gne fahamarina gn'Andriamanitra. 4 Fa Kristy e fahatanterahan'gne lalàgna ho fahamarina hoan'izay mino aby. 5 efa nosoratan'i Mosesy izany hoe: ''Gn'olo magnano gne marigny ame lalàgna da hiaigny agnaty fahamarina izany.'' 6 Fa gne fahamarina nipotitry avy ame finoa da mizaka mazava hoe: ''Ka mizaka am-po hoe: ''Ia gne hiakatry agny an-danitry?''( Izany da mizaka hoe fizitsehan'e lazan'i Kristy). 7 Ary ka mizaka hoe: ''Ia gne hidigny ame laly''(izay midika hoe managna an'i Kristy.) 8 Ino gne dikan'izany? ''Eo agnilanao gne zaka sady am-bavanareo ary am-ponao gne roho''. Izany gne zakay ho: ''Zakan'e Zagnahary izay ambaranay etoa. 9 Fa raha magneky an'i Jesosy Tompo ame vavanao anao ary mino dato fa natsangan'e Zagnahary tame maty izy, ho voavonjy anao zay. 10 Satria ame fo gne hinoan'olo gne fahamarina ary ame vava gne hagneken'olo gne famonjea. 11 Hoy gne Soratra Masina hoe: '' Tsy ho megnatry izay mino gne Zagnahary''. 12 Fa tsy misy maha samy hafa eo ame Jiosy sy gne Grika. Fa e Tompo raiky avao e Tompo e rehetra, ary da harem-pahasoava mangaiky Enazy Izy. 13 Fa izay rehetra mangaiky gnagnaran'i Jesosy gne ho vonje. 14 Akory gne fomba ahafahan'gne tsy mino hangaiky Anazy? Akory ahafandreo mino gne raha tsy reny? Akory afahandreo miteno gne raha tsy misy mpitory? 15 Akory ahafandreo mitory gne zakan'e Zagnahary raha tsy misy nagniraky? Hoy e voasoratry hoe: '' Mba hiteo nareo gnatsaran'gne tombok'ireo magnambara raha tsara gne filazantsara.'' 16 Kanefa tsy gn'olo aby gne hiteno gne Filazantsara. Fa hoy i Isaia : ''Tompo, ia gne mba niteno gne Toriteny nay? 17 '' Noho izany, gne finoa da avy ame fitenoma, ary e fitenoma avy ame zakan'i Jesosy. 18 Da hoy iaho aminareo se:'' Da tena tsy misy miteno indreo?'' Eka izay gne mariny.'' Fa gne feondreo da efa niely eran'ity tany ity ka hatrany ame faravazantany.'' 19 Akotrizay da mbola mizaka aho hoe: ''Izy me Israely da mbola tsy nahafantatry?'' Tamé voloany i Mosesy da nizaka hoe: ''Aniko ho saro-piaro amin'izay tsy firene anareo. Amin'izay firene mbola bado, Aniko avy ame havignira anareo.'' 20 Magnaraky an'izay, nanjary sahy mizaka i Isaia raha nizaka izy hoe: ''Hitany gn'olo tsy nitadia ana avao iaho. Niboky tamé ndreo tsy nagnotany ana iaho''. 21 Da hoy izy tam'Israely hoe: ''Tontolony gne namelarako e tagnako ame gnolo tsy mino sy maditry.''