Toko faha 11
1
Nizaka iao, narian'Andriamanitra gne olo sa? Sagnatria anizà. Fa iao da Isiraelita, taranak'i Abrahama, avy ame raza Benjamina.
2
Andriamanitra da tsy agnary gne olony, izay efa fatan'ny taloha. Tsy fatanareo gne vohazakan'ē soratra masina mikasiky an'i Elia, da gne fitaraignan'Andriamanitra namely an'Israely? hoe : ''
3
Tompo, indreo da namono gne mpaminaninao, namilavila gne alitaranao. Iao raiky avao ē sisa tavela, ka magnoroky gne aiko indreo.''
4
Fa ino gne valizaka nambaran'Andriamanitra anazy? '' Nagnatoka fito arivo lahy ho an'ē aiko izay tsy nandoaliky teo ame bala.''
5
Da akô izà, amin'izao andro izao evakoa da misy tavela nohon'ē fisafidiana ame fahasoava.
6
Fa raha avy ame fahasoava izany, da tsy avy ame asa koa. Fa raha izà da tsy fahasoava koa gne fahasoava. ([ Fagnamaria : gne antontan-taratasy sasany taloha da tsy asa koa gne asa.].
7
Ino me? Gne raha notadiavan'Isiraely, da tsy azony, fa gne vôfidy gne nahazo anazy, ka namafisin-dreo sisa.
8
Izà da araka gne voasoratra hoe : '' Andriamanitra da nagnome andreo gne fagnahan'ny fitavozavoza, maso mba tsy ahitandreo, ary sofy mba tsy haharesandreo, mandrak'androany.''
9
Ka hoy i Davida hoe : '' azanogno gne latabany gne harato sy fandriky, ho vato mahatafato sy valifaty ho andreo.
10
Aoky gne masondreo ho mizy mba tsy maita, ary aoky hiondriky mandrak'izay gne lamosindreo.''
11
Da hoy iao se : '' Tafato indreo ka lavo sa?'' Sagnatria izà. Fa koa, avy ame fahalavoandreo, gne nahavy gne famojè teo ame jentilisa, mba hampialogna andreo.
12
Ka raha gne fahavalondreo gne fanagnany izao tontolo izao, ary raha gne fahaverezan-dreo gne fanagnan-dreo jentilisa, da akongaia gne hahaben'ē fahatantera-ndreo?
13
Fa amizao da miresaka aminareo Jentilisa iao, ary raha mbola apostolin-dreo Jentilisa iao, da mankasitraka gne fanompoako.
14
Angamba hampialogny ireo iay avy ame gn'aiko manoka iao. Angamba hamonjy gne sasany amin-dreo itsika.
15
Fa raha midika fampihavana an'izao tontolo izao gne fagneke andreo, da ino gne handraisa andreo fa fiaina avy ame fahafatesa?
16
Raha voatoka gne vokatry voalohany, da gne ampahany ame kobam-bary koa. Raha voatoka gne fagnahy, da akoizà koa ireo sampany.
17
Fa raha notapahiny gne sapany sasany, ary raha anao, sampana olivadia, no natambatra tamindreo, ary raha nifampizara tamin-dreo gne vatrik'azo mamokatra oliva anao,
18
ka miteratera amin'ireo sampana. Fa raha miteratera anao, da tsy anao gne minday gne vatriny, fa gne vatriny gne minday anao.
19
Da hizaka anao hoe : '' NOtapay hiala ireo sapany mba hafako mifandray aminy.''
20
Marigny izà. Nohon'ē tsy finoan-dreo da notapahany hiala indreo, fa anareo da mijoro tsara nohon'ē finoanareo. Aza magnano gne tegnanareo ho ambony, fa matahora.
21
Fa raha gne tegna sampany aza tsy navelan'Andriamanitra, da tsy ho hapetran'ny koa anao.
22
Ary, hiteo, gne fahamoram-po sy gne fahatsoram-pon' Andriamanitra. Etsy akilany, gne fahatsoram-po da avy amindreo jiosy izay lavo. Fa ety ambadika koa, gne hatsaram-pagnan'Andriamanitra da avy aminareo, raha maharitry ao ame hatsaram-pagnany anareo. Fa raha tsy izany da ho tapahany koa anareo.
23
Ary na iregny aza, raha tsy manohy ame tsy finoan-dreo, da hatambatra. Fa Andriamanitra da afaka mamerigny magnatambatra andreo koa.
24
Fa raha notapany tame kakazo oliva-da anareo, ka natambatrin'ny tame kakazo oliva tsara, da akoingaia gne fagnohara ē hamaroan-dreo Jiosy. izay sampavitanjanahary, natambatry tame kakazo olivan-dreo manoka.
25
Fa tsy tiako hahafatatry anareo, rahalahy, gne amizà raha misitriky izà, mba tsy haha-hendry anareo ame eritreritrareo manoka. Izany gne raha misitriky izany, da efa nahamafy loha gne ampahany amin'Isiraely, mandra-piavin'ny fahafenoan-dreo jentilisa.
26
Noho izà da ho voze aby gne Isiraely agnaby, araky gne voasoratry hoe : '' Hivoaky avy agny ziona gne mpagnafaky. Hagnala gne haratsiam-pagna amin'i Jakoba izy,
27
ary izany gne fagnekem-pihaviko tamin-dreo, rehefa hizaka gne fahotan-dreo ao.''
28
Ame dikany raiky mahakasiky gne filazantsara, da ho fahavalo indreo nohon'ē aminareo. Ame dikany raiky hafa araky gne safidin'Andriamanitra, da mahafatatry indreo noho ireo raza.
29
Fa ireo fagnomeza sy aikin'Andriamanitra da tsy miova.
30
Fa anareo da tsy magneky gne Andriamanitra taloa, kanefa amizao anareo da nangala gne famindram-po nohon'ē tsy fagnekendreo.
31
Mitovy amin'izà koa, amizao indreo jiosy da tsy nagneky. Gne vokatran'ny da tame alalan'ē famindram-po izay naboaka anareo gne mety andraisanareo gne famindram-po koa amizao.
32
Fa Andriamanitra efa nagnidy gne tsy fagneken'ē rehetra, mba hahafa magnaboaky gne famindram-po ame rehetra.
33
Ka, gne halalin'ireo haren'ē fahendre sy fahafataran'Andriamanitra! tsy takatry gne sain'ireo fitsaraha, ary ireo lalany da tsy hay refesy!
34
Fa ia gne nahafatatry gne hevitrin'i Tompo na ia koa gne ho mpanolo-saigny anazy
35
Na ia gne agnome raha an'Andriamanitra aloa, ka tsy maintsy hagnamboaran'Andriamanitra anazy koa?''
36
Fa avy aminy sy ame alalany hoan'azy rehetra. Ho an'azy mandrakariva gne vononahitriny. Amena.