Toko faha 12
1
Mangataky anareo aho noho izany, e rehalahy, noho io famindrapon'Andriamanitra, mba agnomè e vatanareo ho sorona velo,masina,eken,Andrimanitra. Izany gne fanompoanareo araky e tokony ho izy.
2
Ka mitovy amin,izao tontolo iazo, fa miovà amè fagnavoaza e sainareo. Amboaro izao mba ho fantatrareo izany tsara, azo ekena, ary e sitrapo lafatr,Andriamanitra.
3
Fa ambarako,nohon'gne fahasohava izay nomè enah, tsy tokony anagnan,gne rehetra izay eo aminareo eritreritra hagnambany e tegnany araky mihotry izay tokony ho eritreretiny, FA raha, tokony hieritreritra am-pahendrè indreo, mitovy ame nagnomezan'Andriaminitra fatram-pinoa e tsiraikiraiky aby.
4
Fa magnino sapany maro amè vatantsika isika, kanefa tsy mitovy agnaby gnasan,io sapa io .
5
Mitovy amizay isika izay maro be da vata raiky avao, ao am,i Jesosy Kristy ary sapa manokana amè tsiraikiraiky.
6
Mana fagnomezam-pahasoava samy hafa isika araka e fahasoava izay nome antsika. Raha faminania gne fagnomezam-pahasoavan gne raiky, da ôka amboary araky e hazakaben gne finoa.
7
Raha fanompoa gne fagnomezam-pahasoavan'e raiky, da ôka izy anompo. Raha nisy raiky nahazo fagnomezam-pahasoava hampianatry ôka izy hampianatry .
8
Raha fampahereza gne fagnomezam-pahasovan'e raiky, ôka izy hampahery. Raha magnome gne fagnomezam-pahasovan'e raiky , ôka izy hagnano izany amim-pahalala-tagna.Raha hitariky gne fagnomezam-pasohavan'e raiky,ôka izany ho vita am-pitandrema. azony. Raha hapiseho fangoraham-po gne fagnomezam-pahasovaan'e raiky, ôka izany ho vita ampiravoravoa.
9
Ôka e fitiava tsy hisy fihatsaram-belatsihy. Katiavy e ratsy; tano mafy gne tsara.
10
Raha e momba e fitiavan'e mpirahalahy, mifankatiava aminareo tsiraikiraiky avy. Raha e momba e fagnomezam-boninaitra, mifagnajà.
11
Fa raha momba gne fikiriza kosa da ka misalasala mikiry. Magnarak'izay raha momba gne fagnahy mafanà fo, momba gne Zagnahary, tompoy Izy.
12
Mifalia mandrakariva anareo ary da matokia momba gne hoavinareo, mahereza ame olagny mahazo ary da mivava tsy mizano.
13
Omeo izay ilainy gne mpino, Ampamdrosoy gn'olo.
14
Misaora gne magneziky anao, ka hozogny izy.
15
Miaharà mifaly amizay mifaly ,miarahà mitagny amizay mitomagny.
16
Mitovia saigny anareo, ka mirehareha fa magnekè gn'olo ambany, ka mihevitry gne tegna ho endry
17
Ka mamaly ratsy gne ratsy.Magnambohara raha tsara eo an-katrefany gn'olo.
18
Raha azo atao,araky izay azonao amboary mihavana ame gn'olo rehetra.
19
Ka mamaly ratsy gne fegnanao rahalahy ka omeo lala gne Zagnahary ho vignitry aminao satria efa voasoratry hoe:"Zagnahary gne mamaly faty, iaho gne hamaly hoy i Jesosy"
20
Raha mosaregny e fahavalonao, omeo hany izy. Raha te hindrano izy da omeo rano!.Fa raha magnano ratsy gne ratsy anao da mitovy ame mametraky bain'akafo eo ame lohany.
21
Ary farany, ka magnekyho resin'e ratsy fa reseo ame tsara gne ratsy.