Toko faha 13
1
Hao gne fagnahy hagnaby hagneky gne mana-pahefa ambony, fa tsy misy fahefa raha tsy avy ame Zagnahary. Satria gne mana-pahefa da olo voatendrin'e zagnahary.
2
Noho izany, izay manolotry enizany fahefa zany da manohitry gne didin'e zagnahary; ary izay manohitry enizany da voatsara ame tegnany izy.
3
Satria gnolo tompo-teny, tsy fampitahora gne asa tsara fa hoan'izay magnano asa ratsy. Arak'izany, magniry tsy hatahotry enizany ve anareo? Magnamboara gne tsara mandrakizay fa ho deray anao.
4
Fa izy da mpanompon'Andriamanitry ho anareo ame raha tsara. Fa raha magnano ratsy anareo da matahora satria tsy mitondra sabatry tsy ame gnantony izy. Fa izy gn'olo mpanompon'e zagnahary, mpamaly gnavignira ame mpagnano ratsy.
5
Noho izany, da tokony hagneky enazy anareo, tsy nohon'gne havignira, fa nohon'e fieritreretany avakoa.
6
Arak'izany, da mandoa lamandy avakoa anareo. Fa gne mpanompon'Andriamanitry io mana-pahefa, izay miandraikitry izany raha izany tsy mizano.
7
Hefay hoan'e tsikiraikiraiky e tokony hanjarany: mandoava lamandy ame zay tokony handoava enazy; mandoava fadin-tseranana amin'izay tokony handoava enazy; matahora an'izay tokony hataora; magnaza ame zay tokony hoazay.
8
Ka mana trosa na ame nia na ame nia hafa tsy fifankatiava avao. Fa izay tia e magnodidy enazy da nagnatanteraky e lalàgna:
9
Maro e didy: ''Ka mangala-badin'olo, Ka mamonon'olo, Ka mangalatry, ka magniry'', fa raha misy didy hafa akotra anio da voafehy ame ity zaka ity:''tiavo e namanao tahaky e tegnanao''.
10
E fitiava da tsy mandratry e magnodidy; noho izany, e fitiava e fahatatera e lalàgna.
11
Noho izany, fantatrareo e fotoa, fa efa fotoa hifohazanareo ame torimaso sahady izao. Fa ame izao andro zao efa magnakaiky noho izay e ninoatsika e taloha e fagnavota antsika.
12
Miahaly e gnandro, ary magnakaiky e mazava, noho izany. Noho izany hariatsika gnasan'e devoly, atsikà itsika hisikin'e fahazava.
13
Andea ame lala mahitsy atsika mitovy ame mazava fa tsy ame mizy,izay mitovy ame fahamamoa lava; ts andea ame fahavetaveta itsika, ary tsy ekany na hialogny gnolo.
14
Noho izany sikino i Jesosy Kristy tompo,da ka magnome iriky hoan'e nofo mba hameheza e fahafaham-pon'e havetaveta.