1
Raiso gne malemy finoa, nefa ka mitsara anazy amè fandinihany.
2
Gne raiky mino fa mahazo mihina gne raha aby izy, fa gne raiky kosa malemy finoa, da gne zava-maniry evao gne hoaniny.
3
Aoka gne mihina gne raha aby tsy handoto gne tsy mihina; ka gne tsy mihina koa tsy hitsara gne mihina. Fa Andriamanitra efa nagneky anazy.
4
Ia moa anao mitsara gne mpanompon' gn'afa io? Amè zagnahariny evakoa gne hijoroany na hahalavoany. Fa hatsanga izy, satria gne Tompo da mahay manatsanga anazy.
5
Gne raiky magnano gn'andro raiky ho mihoatry gne andro maromaro. Fa gne raiky da magnano gne andro mitovy agnaby. Ka aoka mba samy hatoky gne ra agnatiny gne shainy gna tsiraikiraiky.
6
Gne mitandrina gn'andro da mitandrina an'i Tompo. Gne mihina da mihina ho an'i Tompo, satria misaotry an'Andriamanitra izy; ary gne tsy mihina da kosa da tsy mihina ho an'i Tompo, sady misaotry an'Andriamanitry evakoa izy.
7
Fa tsy misy miaigny ho ane tegnany isaka, ary tsy misy maty ho an'ny tegnany.
8
Fa ra velo isika, da maty ho an'i Tompo; koa amin'izà? ka na velo na maty isika da an'i Tompo avao.
9
Fa izà no nahafatesan'i Kristy sy nahavelomany indraiky, mba ho Tompon'ny gne maty sy gne velo izy.
10
Fa nahoa anao gne mitsara gne rahalahinao? No sady magnano tsinotsino gne rahalahinao? Nefa samy hiseo eo anoloan'Andriamanitra isika agnaby.
11
Fa efa voasoratra hoe : '' Raha mbola velo iao, '' hoy ny Tompo, '' da hiforitry eo anatrehanareo gne pokipokiko, ka gne lehilahy agnaby da agnopo e Zagnahary.''
12
Noho izà, hasain'Andriamanitra magnabôky gne tegnany agnaby isika.
13
Ka noho izà ka mifampitsara esana isika, fa aleo mihevitra izao, da gne tsy hisian'ny gne fahavignira eo anatrehagne rahalahy.
14
Mafatatry sady matoky ao amin'i Jesosy Tompo iao fa tsy misy zavatra maloto ao aminazy. Fa raha nisy nagnano zavatra maloto, da izy evao e maloto amin'izà.
15
Fa ra malahelo nohon'i sakafo gne rahalahinao, da tsy mande ampitiava esana anao. Aza mba gne sakafo gne animbanao anazy, fa efa maty i Kristy hamojy anazy.
16
Aoka mba tsy ho zakay ratsy gne fahasoava azonareo.
17
Fa gne fanjakan'Andriamanitra da tsy ame fihinana sy gne fisotroa avao, fa fahamarina sy fiadanagny ary fifalia ao amin'i Fanahy masina.
18
Fa izay mpanompo an'i Kristy ame ra-agnaby no sitrak'Andriamanitra sy eken'olo fa tsara.
19
Ka aoka isika hiezaky hitady gne momba gne fiadagna sy gne fifampandrosoana.
20
Ka gne sakafo gne animbanao gne asan'Andriamanitra. Madio agnaby e raha agnaby, fa ratsy ho agne olo mihina ame fahatafintohinana.
21
Fa tsara gne tsy mihina hena, na misotro divay, na magnano e raha hanafontoigny gne rahalahinao.
22
Gne finoa izay anagnanao da fesay tsara ho anao eo anatrehan'Andriamanitra. Sambatry izay tsy manameloky gne tegnany ame raha ekeny.
23
Fa izay misalasala da meloky raha mihina, satria tsy avy ame finoa izà. Fa ota izay rehetra tsy avy ame finoa.