Toko faha 15

1 Ary itsika izay matanjaka da tokony handefitry gne fahalemen'e e malemy, ary tsy tokony hagnano izay mahafinaritry e tegnatsika. 2 Ôka gne tsiraikiraiky avy amintsika agnano izay mahafaly gne mpiara-belona aminazy fa izany gne tsara, mba hagnandratana azy. 3 Fa na Kristy aza tsy nagnano izay nahafaly gne tegnany. Fa koa, izany da araky gn'efa vôsoratry hoe:"gne fanivativandreo izay manivativa enao da lavo taminahy." 4 Fa na ino na ino vôsoratry taloa da voasoratry ho fampenara atsika, mba ame alalan'e fahareta sy ame alalan'e famparehezan'e Soratra Masina no anagnatsika toky. 5 Ary gne Andriamanitry e fahareta sy gne fampahereza gnagnome fisaigny mitovy ame tsiraikiraiky avy agnaraky an'i Jessosy Kristy. 6 Izy anie gnamboatry anizany mba ho ame fisaigny sy ame vava raiky avao no hideranareo an'Andriamanitra sy Rain'e Tompontsika Jesosy Kristy. 7 Noho izany mifandraisa, mitovy gne fahandresen'i Kristy enareo evakoa aza, ho fidera gn'Andriamanitra. 8 Fa zakaiko fa Kristy da efa avy mpanomponè voafora ho anè fahamarinan'Andriamanitry, mba hahafà magnamarigne an'ireo fampangategna izay nome andreo Ray, 9 ary ho hoan'areo jentilisa mba hagnomeza voninahitry an'Andriamanitry nohon'e famindram-pony. izany da araka gne gne efa voasoratra hoe: "noho izany da hagnome fidera anao eo amin'ireo jentilisa aho ary hihira fidera gne agnaranao." 10 Mbola voazaka koa hoe:" mifalifaly, miaraka ame vahoakany, gne jentilisa." 11 Ary koa hoe:"deray gne tompo, ry jentilisa rehetra; avelay gne olo rehetra hidera an'azy." 12 Hoy i Isaia indraiky hoe:"hisy fakan'e jese, ary gne raiky izay hitsanga hanapaky eo ame jentilisa. Hana fatokisa amin-dreo jentilisa." 13 Ary gne Andriamanitry e fatokisa aza agnome anareo ame fifalia sy fiadagna rehetra ame finoa, mba ho feno fatokia anao, avy ame tazakin'e fagna masigny. 14 Gne tegnako evakoa da resy lahatry gne momba anareo, e rahalah. Resy lahatry aho fa anareo koa da feno fahatsara, feno gne fahalala rehetra. Resy lahatry ao fa anareo evakoa da afaky mifagnanatry. 15 Fa manoratry am-pahasaiha aminareo io momba ireo raha sasany mba hampahatsarova anareo koa, nohon'e fagnomezam-pahasoava izay nomen'Andriamanitry anah. 16 Izany gne fagnomezam-pahasoava izany da gne tokony mba hanompoako an'i Kristy Jesosy nalefa tagny jentilisa, mba hanolotry mitovy gne soroho gne filazantsaran'Andriamanitry. Tokony amboariko izany mba azo ekehe! gne rakotrindreo jentilisa,voatokan'e Fagna Masina . 17 Noho izany gne hafaliako da ao amin'i Kristy Jesosy sy ireo rahan'Andriamanitry. 18 Fa tsy ho saha hiresaky na ino na ino afa tsy gne raha vitan'i Kristy tame alalako hoan'e fakatoavandreo jentilsa ao. Ireo raha ireo da vita tame zaka sy asa, 19 tamen'e herin-dreo famatara sy fahagaga, ary tame tazaky gne fagnay masina. Izany da avy agny Jerosalema, sy lavidavitry mitovy an'Ilyrikioma, no hahafako magnatateraky gne filazatsaran'i Kristy. 20 Amizany gne fagniriako da e hitovy gne filazatsara, fa tsy agny agny amizay ahahafatara an'i Kristy ame agnara, mba ho angnamboarako eo amin'izay efa nagnamboragny afa. 21 Izany da arakygne voaratry oe: "tamindreo izay tsy nizaka azy no nahita azy, ary ireo tsy nandre gne nahazo." 22 Noho izany evakoa da voasakagny matetiky tsy ho agny aminareo ao. 23 Fa androany, tsy mana toera amin'ireo faritra ireo evakoa aho, ary taona maro no efa nagniriako mafy ho agny aminareo. 24 Noho izany na ovia na ovia andeanako agny Espana, da magnategna aho gne ahita anareo rehetra mandalo, ary haterinareo agny ame andeanako, rehfa avy makafy gne fiaranareo tselatsela iaho. 25 Fa amizao ho agny Jerosalema iao hanompo ireo mpino. 26 Fa fifalian' gne Makedonia sy Akaia gne anao fandraisagn' anjara hoan' gne sahira mpino agny Jerosalema. 27 Eka, fifalia hoandreo izany, ary, mpitrosa aminy marigny indreo. Fa raha gne jentilisa gne nizara tamè raha masy da tokony hanompo anazy evakoa indreo ame raha ara-fitaova. 28 Noho izany, rehefa notanterahako izao asa izao ary nagnamafy fa voaraindreo gne vokatry izay nalagnony, da ho agny Espana iao ary hitety aminareo ame lalako. 29 Fantatro fa rehefa mandea aminareo ao da hiditry amè fahafenoan' gne fitahian'i Kristy. 30 Amizao, mampirisiky anareo aho, rahalahy, ao am' Jesosy Kristy tompontsika, sy amè fitiavan' gne fagnay, mba hiaraka hiady amiko anareo amè vavaky amboarinareo amin' Andriamanitry ho ahy. 31 Mivavaha mba ho avotry ao agnatin' izay tsy magneky an' ny Jodia ao, ary mba ho ekenareo mpino gne finoampoako ho an'i Jerosalema. 32 Mivavaha mba heviako aminareo amin-kafalia amè sitrapon'Andriamanitry, ary mba hahafako, mahita fitsaraha, miaraka aminareo. 33 Andriamanitry gne fiadagna hitahy enareo aby. Amena.