Toko faha 16
1
Akigniko aminareo e Foiby anakavintsika, izay mpanompon'eglizy hagny kenkrea,
2
mba handraisanareo enazy ao ame Tompo. Amboaro izany ame fomba mendriky ireo mpino, ary magnatreha azy amin'izay olagny, fa mety hilainy e fagnampinareo. Fa izy da mbola hagnapy e sasany ary hagnapy ana avakoa.
3
Ataovy veloma i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amina ao ame Jesosy kristy,
4
izay nahafoy e tegnadreo hoan'e tegnako. Misaotry andreo i aho ary tsy aho avao fa miaraky ame eglizy e Jentilisa rehetra avakoa.
5
Ataovy veloma e fiangona izay ao andragnondreo. Ataovy veloma hagny amin'Epaineto malalako, izay voaloham-bokatrin'i Asia tao amin'i Kristy.
6
Mamboara veloma an'i Maria, izay niasa mafy ho anareo.
7
Mamboara veloma an'i Androniko sy Jonia, havako akaiky niaraky nigadra tamina. Malaza hagnatrehan'Apostoly indreo, izay niaradia tamé i Kristy avakoa.
8
Mamboara veloma an'i Ampliato, malalako ao amin'i Tompo.
9
Mamboara veloma an'i Orbano, mpiara-miasa amintsika ao amin'i kristy, sy Staky malalako.
10
Arabay i Apela,izay hankasitra ao amin'i kristy. Arabay indreo ao ame tokan-tragnon'i Aristobolo.
11
Mamboara veloma an'i Herodiasy, havako. Ataovy veloma indreo izay ao ame tragnon'i Narkisa ao amin'i Tompo.
12
Mamboara veloma an'i Tryfena sy Tryfosa, izay miasa mafy ao amin'i Jesosy. Arahabao Perysa malala, izay niasa mafy tao amin'i Tompo.
13
Mamboara veloma an'i Rofosy, izay voafidy tao amin'i Tompo,ary endriny sy endriko.
14
Hamboary veloma i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, ary indreo rahalahy izay miaraka tamé ndreo.
15
Mamboara veloma i Filologia miaraky Jolia, i Nerea sy e anabaviny, i Olimpa,miaraky ame mpino rehetra miaraky amindreo.
16
Mifagnamboara veloma ame fifagnorofa masina. Gne Eglizin'i Kristy aby da magnano velona anareo.
17
Androany i aho rahalahy da mampirisiky anareo hieritreritry gne antony mahavy gne fizarazara sy gne fahavignira. Io da miotry lavitry e fampianara izay noraisinareo. Miala lavitry anio.
18
Fa tsy manompo an'i Kristy Tompontsika e gnolo mifampizarazara sy feno havignira ako io,fa e kibony manoka e fatany. Ame fizaka malemy sy mandokadoka gne hamitandreo gne fony gnolo tsy mana tsigny.
19
Fa gne mitovy aminareo da ho tafita ame fagneké, noho izany da mifaly aho, e aminareo, fa tiako ho hanakagna anareo ame zay anareo tsara sady tsy hana tsigny amin'izay ratsy.
20
Afaky fotogny fohy da ho hitsikitsaha e Zagnahary ambany tombikareo e devoly. Hoaminareo e fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompotsika.
21
I aho ame timoty mpiara miasa amina, da magnano veloma anareo, sy i Losio, Jasona ary Sosipatro, havako.
22
Magnano veloma ao ame i Tompo amin'i Tertio izay nanoratry ity epistily ity. Da manao veloma anareo ao amin'ny Tompo.
23
Gaio izay na mpandroso ana andragno miaraky ame fiangona aby da magnano veloma anareo. Erasto mpitam-bola ne tanà da magnano veloma aminareo miaraky ame Koarto ralahany.
24
Fagnamaria: E fandika taloha tena tsara da mangala an'ity andininy ity. [hiteo gne Romana 16:20]. sy gne 24: ''Ho aminareo rehetra e fahasoavan'i jesosy.Amen.'']
25
Ary gne voninahitry da ho enazy ary izany gne mampitsanga anareo gne filazantsarako sy gne fitoria an'i Jesosy Kristy, izay nany ho tsiambaratelo taloha be tagny,
26
kanefa nambara amin'izao, ary tamin'alalan'e boky gne faminania e nampahafantary tamin'gne firene rehetra, araky gne didin'e zagnahary mandrakizay ho fagneke gne finoa.
27
Hoan'e zagnahary tompon' e fahendre gne voninahitry mandrakizay ame alalan'i Jesosy Kristy.Amena.