1
Sa tsy fantanareo, ry rahalà ( satria miresaka amè olo mahay gne momba gne lalàna iaho), fa gne lalàna da mibeko gne olo raiky raha mbola velo izy?
2
Fa gne viavy manambady da voafehin'gne lalàna ame vadiny raha mbola velo izy, fa raha maty gne vadiny, da afaky ame lalàn'gnē fanambadia izy.
3
Noho izany, raha mbola velo gne vadiny, raha miaray ame lelahy hafa izy da ho angia ho mpijangajanga izy. Fa raha maty gne vadiny, da afaka ame lalàna izy, ka tsy mpijangajanga izy raha miaray ame lelahy hafa.
4
Noho izany, ry rahalako, da naniny maty tame lalàna evakoa anareo tame alalan'gnē tegnan'i Kristy. Namboary izany mba hikambananareo ame hafa, izany hoe, amin'Azy izay natsanga tame maty, mba hahafatsika mamokatry voa ho an'Andriamanitra.
5
Fa tamintsika tao ame nofotry, ireo filan'gnē fahotà, izay nohetsehin'gne lalàna, da niasa tao ame ratsantsika mba hamokatra vao ho an'gnē fahafatesa.
6
Fa amizao da nafaha tame lalàna itsika. Maty tame namatotry antsika itsika. Izany da mba hafahantsika manompo ame havaozam-pagnà, fa tsy ame fahateran'ē soratra.
7
Ino gne ho zakaintsika? Gne lalàna mahitsy sa fahotà? Tsy misy mihitsy iza. Kanefa, tsy nahafatatry gne fahotá mihitsy iao, raha tsy tame alalan'ē lalàna izany. Fa tsy nahafantatry gne fitsiriritan'ny ao raha tsy nizaka gne lalàna hoe : '' Aza mitsiritritry ''.
8
Fa nangala vaha tame didy gne fahota ka hahavy gne fitsiriritra rehetra ato amiko. Fa raha tsy misy gne lalàna, da maty gne ota.
9
Taloa iao da velo tsy misy lalàna, fa rehefa avy gne didy, da velo koa gne ota, ka maty aho.
10
Gne didy izay tokony hinday e fiaina gne nivadika ho fahafatesa ho anà.
11
Fa gne fahota da nangala vahà tame alalan'ē didy ka namitaky anà. Tame alalan'ē didy gne namejegny anà.
12
Noho izany gne lalàna da masina, ary gne didy da masina, marigny ary tsara.
14
Ka lasa ho fahafatesa anà izany tsara izany? Tsy ho hisy mihintsy izany. Fa gne ota, mba hahafa hiboaka ho fahota ame alalan'izany tsara, da ninday fahafatesa tao aminà. Izany da mba ho ame alalan'ē didy, ny fahota da mety ho avy fahota maro.
14
Fa fantatsika fa aram-pagnà gne lalàna, fa iao avy ame nofotry. Efa navidy ho ao ame ambanin'ē fanandevozan'ē ota iao.
15
Fa gne raha amboariko, da tsy tena azoko tsara. Satria izay tiako amboary, da tsy aniko, ary izay halako, da amboariko.
16
Fa raha magnano gne tsy tiako ao, da miaraka hevitra ame lalàna fa tsy tsara gne lalàna.
17
Fa amizao da tsy iao koa e magnamboatry an'izany, fa gne fahota izay mbola velo ato aminà.
18
Fa fatako fa amina, izay ame nofiko, da tsy misy raha tsara miaigny. Fa gne fagniria gne tsara da atoa aminà, nefa tsy afaka manamboatra aniza.
19
Fa gne tsara izay tiako, da tsy aniko, fa gne ratsy izay alako, gne aniko.
20
Ary raha magnano izay tsy tiako agnamboara anà, da tsy iao koa gne miasa an'iza, fa gne fahota mipetraka atoa aminà.
21
Ary, iao da nahita, gne fitsipiky atoa aminà fa taha agnano ē tsara iao, saingy gne ratsy atoa aminà izao.
22
Fa miravoravo ao ame lalan'Andriamanitra ao ame fagnahy maha olo.
23
Kanefa mahita fitsipiky raiky hafa ao ame momba gne tegnako iao. Izany da miady ame fitsipiky vaovao ao ame saiko izany. Magniry anà ho bobon'ē fitsipiky gne fahota ao ame gne momba ē! tegnako izany.
24
Olo mahantra iao! Ia gne hanafaky anà amin'itiky fahafatesa itiky?
25
Fa isaora Andriamanitra ame alalan'i Jesosy Kristy Tompotsika! Noho izà, iao tegnako da manompo gne lalàn'Andriamanitra ame saiko. Na da eo aza izà, da manompo gne fitsipikin'ē fahota ame nofo iao.