Toko faha 6

1 Ino ary gne ho zakaitsika? Tokotry mbola hitohy hanota ve isika mba hitomboan'gne fahasoava. Tsy hisy mihitsy izny. Isika izay maty ame gne ota, ame fomba akôry moa gne mbola hiaignatsika amizany? 3 Tsy fatanareo fa indreo izay namboary batisa tamin'i Kristy Jesosy da namboary batisa tame fahafatesany. 4 Ka, voalevy, taminazy tame alalàn'gne batisa ho ame fahafatesa itsika. Nibôky izany mba akô gne nampitsanganan'i Kristy tame maty tame voninahitrin'i Ray, gne evisatsika ame fiainam-baovao. 5 Fa raha nampieraha Aminazy ame endriky gne fahafatesa itsika, da hikamba ame fitsanganananyavao koa. 6 Fantatsika izany, fa gne tegnatsika da nofantsia niaraka taminazy, mba hanimba gne tegnan'gne ota. Nibôky izany mba tsy handevozin'gne ota etsana isika. 7 Izy maty da nambara fa marina sady afaky ame ota. 8 Fa raha maty niaraky tamin'I Kristy itsika, da minoa fa hiaraky velo amin'azy koa. 9 Isika da mahafantatry fa nitsangakovelo izy, ary tsy maty koa izy. Tsy azo gne fahafatesa koa izy. 10 Fa raha makasiky gne fahafatesa da maty noho gne fahotà izy, maty indraiky ho an' gne rehetra izy. Nefa, gne fiaina izay hiainany da ho an' Andriamanitra. 11 Da akô izà, tsy maintsy mihevitry gne tegnanareo ho efa maty nohon' gne fahotà koa anareo, fa velo ho an' Andriamanitra ao amin'i Jesosy Kristy. 12 Noho izany, ka avela hanjakazaka amè tegnanareo mety maty gne ota mba hagnarahanareo gne filàn-dratsy. 13 Ary ka manolotry gne tegnanareo amè gn' ota ho fiadia gne tsy fahamarina. Fa atolotry gne tegnanareo ho an'Andriamanitra, akô gn'efa maty velo. Atolory an' Andriamanitra gne tegnanareo mba ho fitaova ampiasay amè fahamarigna. 14 Fa gne ota tsy hanan-kery aminareo. Satria tsy mba ambanin' gne lalàna anareo, fa ambanin' gne fahasoava. 15 Magnano akôry? Tokony hagnota ve itsika satria tsy ambanin'gne lalàna, fa ambanin'gne fahasoava? Tsy hisy mihintsy izany. 16 Tsy fatanareo fa raha manolo-tegna ho mpanompo anareo na ho an'ia na ho an'ia, da mpanompon'izay arahinareo anareo, na gne ota ho amè fahafatesa, na gne mpanompo mitariky amè fahamarigna. 17 Isaoratsika Andriamanitra! Satria fantatry fa mpanota anareo, gne fonareo da efa nagnaraky gne fampianara izay nomè anareo. 18 Nafaha tamè ota anareo, ary lasa mpanompon'ny fahamarina. 19 Mizaka mitovy am' gn'olo aho noho gne fahosàn' gne nofonareo. Satria vao nanolotry gne ratsam- batanareo ho andevon' gne fahalotoa sy gne ratsy anareo, da mitovy amizany koa aho, atolory ho andevon' gne fahamaragna sy fahamasigna gne ratsam-batanareo. 20 Fa taminareo mbola andevon' gn' ota, lasa afaky tamè fahamarigna. 21 Amizao, ino gne vokatry azonareo tamin'ireo raha izay mahamegnatry anareo amizao? Satria fahafatesa gne vokatr' izany. 22 Fa amizao rehefa nafaha tamè ota anareo ary lasa mpanompon'Andriamanitra, da mahazo gne fahamasigna. Gne vokatry izany da gne fiaina mandrakizay. 23 Satria tsapa fa gne tambin' gn' ota da fahafatesa, fa gne fagnomezan'Andriamanitry koa da gne fiaina mandrakizay ao amin'i Jesosy Kristy tompontsika.