1
Satria nomarignin'ny tame finoa itsika ,da mana fiadagna miaraka amin'Andriamanitry ame gn'alala tompontsika jesosy kristy
2
.Ame alalan'e evakoa gn'anagnatsika lala ame finoa miroso amizany fahasoava zany itsinganatsika izany . Falifaly ame fitokisa ame Andriamanitra anay ame ho avy nay , fahatokia izay ho zaraitsika ao ame voninahitr'Andriamanitry.
3
Tsy amizany avao ,fa itsika evakoa da mifaly ao ame alahelontsika . Fantatsika fa gne fizalia da mamokatra fahareta
4
.Gne fahareta miteraka fagneke ,ary fagneke miteraka fatokia ame hoavy
5
.Izany toky izany da tsy mandiso fagnategna,satria e fitiavan'Andriamanitry da efa efa nalatsaka tao am_ pontsika tame alalan'e fagnay Masina ,izay nomeny atsika .
6
Fa raha mbola nalamy itsika, da maty aram-potoa hoan'e ratsy fagnay i Kristy.
7
Fa sarotra hoan'e gn'olo raiky gne ho faty hoan'e olo marigny. Fa, angamba mety misy olo raiky saha ho faty hoan'e olo tsra.
8
Fa Andriamanitra magnambara e fitiavany manoka ho atsika, satria raha mbola mpagnota itsika, da ho faty ho atsika i Kristy.
9
Miôtry noho izany, amizao. Raha namarigny tame e ràny itsika,da ho voavonjin'iza ame fahavigniran'Andriamanitra.
10
Fa raha, mbola fahavalo itsika,da nihava tame Andriamanitra tame alalan'e fahafatesan'e zanany, ary ambon'iza, rehefa nampiavanina,da ho voavonjy ame alalan' e gn'ainy itsika.
11
Ary tsy izany avao,fa itsika evakoa da mifaly ao ame gn'Andriamanitry ame alalan'e tompotsika Jesosy Kristy, izay nahazoatsika izany fiavana izany amizao.
12
Noho izany, mitovy tame nidiran'e ota tame gn'olo raiky tamizao tontolo izao, da mitovy amizany koa gne nidiran'e fahafatesa tame gn'alalan'e gn'ota. Ary e fahafatesa da niely tame gn'olo agnaby, satria samby nagnota evakoa e rehetra.
13
Nandram-pisian'e lalàgna,da tetoa amizao tontolo izao gn'ota fa tsy misy famotsoran-kelika raha tsy misy lalàgna
14
Nefa ndre da izany aza, gne fahafatesa da nisy nanomboka tamin'ny Adama ka atramin'i Mosesy,na dia teo amindreo izay tsy nagnota mitovy ame tsy fagnekeny Adama, izay alotry gno avy.
15
Nefa na izany, e fagnomeza da tsy mitovy ame fahadisoa. Fa raha tame alalan'e fahadisoan'e raiky gne nahafaty e maro, da miotry lavitry gne namboarin'e fahasoavan'Andriamanitra sy e fagnameza avy fahasoavan'olo raiky, Jesosy Kristy, nome be hoan'e maro.
16
Fa gne fagnomeza da tsy mitovy e vokatry avy ame raiky izay nagnota. Fa ame karazany raiky hafa, tonga e fitsarana ho fagnameloa nohon'e fahadisoan'olo raiky. fa ame dikany raiky hafa, e fagnomeza miafara ame fagnamaria da avy tafaran'e fahadisoa maro.
17
Fa raha tame alalan'e fahadisoan'e rahalah, gne hanjakan'e fahafatesa ame raiky, da miohatry lavitry noho izany hahajakandreo izany mandray e haben'e fahasoava sy gne fagnomezan'e fahamarigna ame alalan'e fiainan'e raiky da i Jesosy Kristy.
18
Noho izany, satria tame alaln'e fahadisoan'e raiky gne nahavy gn'olo ho ame fagnameloa, da ame alalan'e asan'e fahamarignan'e raiky avakoa gne hiavian'e fagnamarigna gne fiainaho an'olo agnaby.
19
Fa satria avy ame tsy fagnekegn'olo raiky gne niaviany e maro hompagnota, da ame alalalan'e fagneke raiky avakoa gne iharan'e maro ho marigny.
20
Fa avy tao amizany gne lalàgana, mba ho zakabe e fahadisoa. Nefa raha niazakabe e fahota, da vômaiky niazakabe e fahasoava.
21
Niboaka izany mba, mitovy e nanjakan'e fahota tame fahafatesa, da mitovy amizay koa gne fanjakan'e fahasoava ame gn'alalan'e fahamarigna ho ame fiaina mandrak'izay ame alalan'e Jesosy Kristy.