Toko faha 4

1 Ino hizakatsika fa hitan'i Abrahama iabatsika taloha araky e nofotry? 2 Fa raha nohamariny tamé gnasany i Abrahama, da nana antony hirehareha izy, raha tsy eo ankatrea e Zagnahary. 3 Ino gne nozakain'e Soratra Masina?'' I Abrahama da nino gne Zagnahary sady nisay ame fahamarinà izy.'' 4 Hoan'e mikarama da gne karamany tsy hagnamboara fahasoava fa akô gnanin'e trosa. 5 Fa ho an'e tsy miasa nefa mino gne Zagnahary da hanÿ ho fahamarinà gne finoany. 6 I Davida koa da nagnome tso-drano ame olo ataon'e Zagnahary ho marina nefa tsy miasa. 7 Fa hoy i Davida hoe: ''Rongatry izay voavela heloky, ary koa indreo vôrakotry fahota . 8 Rongatry izay tsy hisain'ny Tompo heloka.'' 9 Amin'izay voafora avao moa hanognona anizany tso-drano izany, sa ndre ame olo tsy voafora koa? Hoy tsika hoe: ''Gne finoa da naniny Abrahama ho fahamarina. 10 Akognaia gne fomba nagnisa an'izany? Tamin'i Abrahama efa voafora sa tamin'izy mbola tsy voafora? Tsy tamin'izy efa voafora fa tamin'izy mbola tsy nifora. 11 I Abrahama da nandray gne famantara gne famora. Izany da mariky gne famarina gne finoa izay efa mana raha mbola tsy voafora izy. Gne valin'izany famantara izany da lasa iabany e mpino rehetra i Abrahama, na da mbola tsy voafora aza indreo. Izany da midika fa gne fahamarina da ho hisay ho andreo. 12 Nidika koa izany fa i Abrahama da lasa iaban'e voafora izy ame tsy ho an,e voafora raiky avao fa ho an'gne magnaraky e dian'ny finoan'i Abrahama iabantsika evakoa talohan'e tsy mbola naha-voafora enazy. 13 Fa gne fampagnategna tam'i Abrahama sy gne taranakiny fa ho mpandova izao tontolo izao indreo avy amin'ny alalan'ny gne fahamarinan'ny gne finoa fa tsy avy ame lalàna. 14 Fa raha miaigny ame lalàna gne mpandova da ho foa gne finoa sady tsy misy dika gne fampagnategna. 15 Satria gne didy da minday havignira, raha tsisy an'izany lalagna izany. 16 Noho izany antony izany da miseho ame finoa izany, mba hisian'e fampagnategna ame fahasoava ary hoazo antoky amindreo taranak'i Abrahama aby_ tsy hoan'indreo ambany lalàgna avao izany fa hoan'izay mizara gne finoan'i Abrahama avakoa. Iabantsika aby izy, 17 arak'e vosoratry hoe: ''Naniko ho iaban'e firene maro anao.'' Tamé fampagnategna nitokisany an'i Abrahama da gne Zagnahary izany, izay nagnome fiaina e maty sady nangaiky gne raha mbola tsisy mba ho hisy. 18 Ndre da teo izany raha nitranga tambadiky izany da natoky tanteraky gne Zagnahary i Abrahama tamé hoavy. Ka lasa iaban'e firene maro izy araky gne vozaka hoe: ''Hitovy am'izany gne taranakao''. 19 Tsy nalemy tamé finoa izy. Fantatr'i Abrahama fa tsy hana gn'anaky esana izy (satria efa feno zato tao teo izy). Nagneky avakoa izy fa gne trokin'i Saraha da tsy afaky hinday zaza esanaky. 20 Nefa noho gne fampagnategna n'e Zagnahary da tsy nisalasala tamé tsy finoa i Abrahama. Fa niabe gne finoan'i Abrahama sady nidera an'Andriamanitry. 21 Resy lahatry izy fa gne raha nampanategna e Zagnahary da afaky tanterahany aby. 22 Noho izany da nisay ho anazy fahamarina izany. 23 Ary da tsy nosorata ho tombotsoa ndreo raiky avao izany, 24 fa nosorata ho antsika zay mino gne Zagnahary izay nananga an'i Jesosy Tompotsika tamé maty. 25 Izy gn'Andriamanitry toka nome noho gne fahotatsika sady natsanga mba hagnamaria atsika.