T0K0 FAHA3

1 Da ino ary gne tombon-tsoa anagnany jiosy ? Ka ino gne tombon-tsoa ame famora? 2 Tsara izany ame fomba agnaby. voalohany indrindra, ireo jiosy da notoheriny gne fagnambara avy ame Andriamanitra . 3 Fa akôry raha tsy nanam-pinoa ireo jiosy sasany? Gne tsy finoan-dreo me gne ahavy gne fahatokisan'Andriamanitra tsy ho vagno? 4 Tsy hisy mihitsy izany. Fa koa ,avelay fa ho hita fa marina Andriamanitra ,na dia mpavandy aza gne olo aby .Araka gne voasoratra hoe :"Ho abôky ame zakanareo fa olo marina anareo ,ary abôky rehefa avy ame fitsara anareo ". 5 Fa raha akô gne tsy fahamarignatsika gne magnabôky gne fahamarin'Andriamanitra ,ino gne azontsika zakay ? Afaka mizàka ve isika fa tsy marina Andriamanitra ame fagnaboahany gne havignirany amitsika ,sa tsy izany? [mampiasa lahatenin'olo aho] 6 Tsy hisy mihitsy izany! satria ame fomba akôry gne hitsaran'Andriamanitra an'izao tontolo izao ? 7 Fa raha akô gne fahamarinan'Andriamanitra ka magnome fidera maro ho Anazy ame alalàn'gne vandiko, da nagnino ao ho mbola tsaraina ho mpagnota? 8 Fa magnino tsy mizaka ,araky gne tatitra diso izay zakay fa zakaintsika hoe : "ampetrao iahay agnano ratsy , mba ahavy e tsara"? Rariny gne fitsara amboary amin-dreo . 9 Ka ino sa ? Magnome rariny gne tegnatsika ve isika? Fa isika da efa nagnameloky gne Jiosy sy gne Grika, izy agnaby, ho mpagnota. Izany da araka gne voasoratra hoe: "tsy misy olo marigny ,ndrē raiky aza ." 11 Tsy misy ndrē raiky aza mahafatatry .Tsy misy ndrē raiky aza mitady an'Andriamanitra . 12 Nanjary tsy misy ilà anazy aby indreo rehetra. Tsy misy magnano gne tsara , tsy misy ,ndre raiky avao aza. 13 Gne vavandreo da kobory mivoa .Gne lelandreo da mamitaka . Gne poiziny gne bibilava da ao ambanininy gne molotrindreo . 14 Gne vavandreo da feno ozogny sy lolom-po. 15 Gne tombin-dreo da akavana ame fandatsaha rà. 16 Gne fambilavilà sy gne fijalia da egny ame lalandreo . 17 Io olo io da tsy nahafatatry gne lala fiadagna . 18 Tsy mba misy tahotra an'Andriamanitra gne eo alohany gne masondreo . 19 Amizao da fatantsika fa na ino na ino zakainy gne lalà, da mirafatry agny amindreo izay ambany lalà. Izany da mba hahavy gne vavandreo tsiraikiraiky hangy, ka da ahazovaliny avy amin'Andriamanitra izao tontolo izao. 20 Izany da satria tsy misy nofotry hohamarinigny ame asany gne lalà eo imasony. Fa ame alalany gne lalàgna hiaviany gne fahafantara gne fahota. 21 Fa amizao da nampahafatary avao koa gne fahamarinan'Andriamanitra tsy ame lalà. Noporofoin'gne lalà sy gne mpaminany, 22 fa izany, gne fahamarinan'Andriamanitra ame alalan'gne finoa an'i jesosy Kristy ho agne rehetra. Satria tsy misy fagnavaha . 23 Fa nagnota gne olo aby ka tsy mana gne voninahitrin'Andriamanitry, 24 ka indreo da hamarinigny maimaipoa ame fahasoavany ame alalan'gne fagnavota izay ao amin'i Kristy Jesosy . 25 Fa Andriamanitra nagnome an'i Jesosy kristy ho rakitra ame alalan'gne finoa gne ràny.Nomeny ho porofon'gne fahamarignany kristy , nohon'gne fagniteny gne ota tagny aloha 26 ame fahelany. Nibôky izany rehetra iza ho fagnaboaha gne fahamarigna amizao fotoa androany izao. Izany da mba ahafany magnaporofo fa marigny gne tegnany , ary hagnaboaha fa Izy da magnamarina gne rehetra noho ne finoana an'i Jesosy . 27 Aia ary izany gne fiteratera? Voafafa izany. Fa ino gne atony? Ame asa ve? Tsia, fa noho gne finoa. 28 Manapa-kevitra isika fa gne olo raiky da hamarinigny araky gne finoa tsy asia gne asan'e lalà. 29 Sa Andriamanitra gne jiosy raiky avao gne Andriamanitran? Kaiky tsy Andriamanitriny gne jentilisa koa Izy? Ie, an'gne jentilisa koa . 30 Raha ,raiky tokôtry Andriamanitra, da homarinigny ame finoa ireo voafora, ka ireo tsy voafora koa ame alalan'e finoa . 31 Foagnatsika ame alalan'gne finoa ary izany gne lalà? Tsy hisy mihitsy izany! Fa koa, magneky gne lalà isika .